2023
Sitrana tao amin’ny tempoly
Septambra 2023


“Sitrana tao amin’ny tempoly,” Liahona, sept. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Sitrana tao amin’ny tempoly

Tao amin’ny tempoly aho dia nahatsapa fanomezan’antoka lalina fa tia ahy ny Tompo ary mahafantatra ny tolona atrehako.

Sary
Mpivady eo anoloan’ny tempoly

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony; sary lafika an’ny Tempolin’i Durban Afrika atsimo, nalain’i Matthew Reier

Maty tany am-bohoka ny zanakalahinay voalohany tamin’ny 2017. Sivy volana nialoha ny nanokanana ny Tempolin’i Durban Afrika Atsimon tamin’ny 2020 no maty tany am-bohoka ny zakalahinay faharoa.

Toa nahatsapa tena ho toa an’i Hana tao amin’ny Testamenta Taloha tamin’izany. “Nalahelo fanahy indrindra” [aho] ka nivavaka tamin’i Jehovah … sady nitomany dia nitomany” (1 Samoela 1:10).

Nahatsapa ho tsy afa-manoatra aho sady tezitra ary tao anatina fijaliana nangirifiry. Nitolona ara-pihetseham-po sy ara-batana ary ara-panahy aho. Nananosarotra ho ahy ny nifikitra tamin’ny anja-by sy nibosesika nandroso tam-pinoana. Tena may “tao amin’ny memy fahoriana” tokoa aho (Isaia 48:10).

Feno fankasitrahana tokoa aho fa nahazo fanampiana sy fanasitranana avy tamin’ny fianakaviako sy ny soratra masina ary ny vavaka. Nandray fanampiana avy tamina mpanolotsaina koa aho. Tao amin’ny tempoly anefa no nahazoako ny fanasitranana faratampony.

Rehefa nanomboka nanompo tao amin’ny tempoly aho dia nanomboka ho heniky ny fahatakarana niavosa. Nahatsapa ho maivamaivana ato tao. Nahatsapa fanomezan’antoka lalina koa aho fa tia ahy ny Tompo ary mahafantatra ny tolona atrehako.

Rehefa nanohy nanompo tao amin’ny tranon’ny Tompo aho dia nanomboka nanana fomba fijery hafa momba ireo anaran’ireo razambeko. Tsy anarana fotsiny izy ireny. Takatro, ohatra, fa ny razambe iray dia zanakavavy, reny, renibe, nenitoa, rahavavy ary zanaka iray tam-po. Mety ho mafy tamin’ireo havana sisa velona ny nahafatesany. Saingy ireo fitahiana nomena io razambe io tao amin’ny tempoly tamin’ny alalan’ireo ôrdônansy masina isoloana tena dia zary hafaliana lehibe sy mamy izay manoatra izay mety ho fijaliana mety ho tsapan’ireo havany tamin’ny nahafatesany.

Nitahy ahy io fahatakarana io rehefa nieritreritra momba ireo zanakalahinay sarobidy sy ny toetra mandrakizay ananan’ny fanahintsika ary ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Nanosika ahy hanao izay tsara indrindra vitako mba hiaina ny filazantsara ny nahafatesan’ireo zanakalahinay.

Mbola mafy noho ny hafa ny manjo amin’ny andro sasany. Kanefa manamora ireny andro ireny ny fifikirako amin’ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana nataoko.

Raha indramina ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson dia “Tena malahelo fatratra [ireo zanakay lahy ireo] izahay. Kanefa, noho ilay filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia tsy manana ahiahy ny momba [azy ireo] izahay. Eo amim-panohizanay manaja ny fanekempihavananay tamin’ Andriamanitra, dia miandrandra ny ho tafaraka [amin’izy ireo] indray izahay.”1