2023
Batisa zoma alina
Septambra 2023


“Batisa zoma alina,” Liahona, Sept. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Batisa zoma alina

Ny faniriako hibebaka dia nanampy ahy hahita ny Mpamonjy sy ny Fiangonany.

Sary
Vehivavy mijoro eo anoloan’ny fiangonana

Sary fanehoana nataon’i Katy Dockrill

Taorian’ny niainako ny fientanam-po voalohany noho ny fahatongavana tany Etazonia avy any Sina mba hahazo ny Doctorat, dia tototra aho noho ireo taratasy akademika maro tsy maintsy novakiako sy nosoratako. Tsy fantatro tsara ihany koa ny fomba hifandraisana amin’ny mpanolotsainako ara-akademika, izay nanampy trotraka ny adin-tsaina. Nahatsiaro ho very sy manirery aho, ary tsy hitako izay hatao.

Nanatsoaka hevitra aho fa ny fahadisoako taloha no nahatonga ny fijaliako ka nila nibebaka aho. Hariva tamin’izay, hany ka nikaroka “fiangonana” tao amin’ny Internet aho. Hitako fa Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no hany fiangonana misokatra hatramin’ny 9:00 alina. Nanapa-kevitra ny hibebaka tany am-piangonana aho, ka handeha an-tongotra mandritra ny adiny iray.

Rehefa tonga tao amin’ilay fiangonana aho tokony ho tamin’ny 6 ora hariva, dia nahita jiro sy nandre olona miomehy sy mozika avy tao anatiny. Nikaroka nanodidina ny trano aho fa tsy nahita ny varavarana. Nahita raim-pianakaviana iray nilalao niaraka tamin’ny zanany tao amin’ny efitrano iray aho, teo am-baravarankely. Nandondona teo am-baravarankely aho mba hisarihana ny sainy. Nitarika ahy ho eo am-baravarana izy, nandray ahy, ary nilaza tamiko fa misy olona atao batisa.

Nanaraka ny fitarihany aho ary niditra tao amin’ny efitrano iray izay nisy lehilahy iray nitso-drano an’ilay zazalahy vao vita batisa. Nijoro teo akaikin’ny varavarana aho, nihaino ny tsodrano, dia nahatsapa fa nibitsibitsika fitahiana tamiko koa Andriamanitra. Nafana ny foko ary nahatsapa ny zavatra izay fantatro taty aoriana fa hoe Fanahy Masina aho. Nandre feo koa aho nilaza fa voavela heloka aho.

Taorian’ny batisa, dia nivory niaraka tamin’ny hafa aho ary nifankahita tamin’ny olona tsara fanahy maro. Tsy irery intsony aho. Nisy lehilahy iray nilaza ny tenany ho “filohan’ny sampana” teo aloha, nanatitra ahy hody. Volana maromaro taty aoriana, rehefa avy nandray ireo lesona avy amin’ny misiônera aho dia natao batisa.

Tamin’ny andro nanaovana batisa ahy tamin’ny 2018 tany Cambridge, Massachusetts, dia niresaka momba ny fomba nandaminan’ny Raintsika any An-danitra malalantsika an’io batisan’ny zoma io ny rahalahy iray. Nohazavainy fa tokony hatao ny alahady manaraka ilay batisa, saingy noho ny fifanoheran’ny fotoana dia tsy maintsy naverina tamin’ny zoma alina izany. Raha tsy nisy izany fiovana izany dia mety ho tsy nahalala ny Fiangonana, ny Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any An-danitra ary ireo rahalahiko sy anabaviko ao amin’ny filazantsara aho.