2023
Mizara tahadika-na Bokin’i Môrmôna miisa 72
Septambra 2023


Mizara tahadika-na Bokin’i Môrmôna miisa 72, Liahona, sept. 2023.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mizara tahadika-na Bokin’i Môrmôna miisa 72

Niaraka tamiko ny Fanahy Masina isaky ny manokatra ny vavako aho mba hiteny momba ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
Baoritra ana tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna

Sary nataon’i Allen Garns

Nandritra ny valaneaetina COVID-19 dia fitahiana ho anay ny nandray fikarakarana avy amin’ny toeram-pitsaboana ny marary efa ho faty, ho an’i Claude vadiko,nankaty an-trano. Teo izaho sy ireo zanakay nanampy tamin’ny fikarakarana azy mandra-pahafatiny.

Taloha kelin’izay izaho sy i Claude dia nivavaka ny amin’ny fanovana ilay lavaranganay mifefy ho efitra fitsaboana marary efa ho faty, ka ho tafiditra ao avokoa ny zavatra rehetra ilainy mba hampahazo aina azy. Nandray fanamafisana izahay fa tokony hiroso ho amin’izany.

Mba hanavaozana ilay lavarangana dia mpiasa maro no mila mivezivezy ao amin’ny tranonay. Soa ihany fa nisy varavarana tao an-damosin’ilay lavarangana ka tafiditra ao ireo mpiasa, tsy voatery hiditra ao an-trano fonenanay. Fitahiana lehibe izany teo anatrehan’ireo famerana nandritra ny COVID-19.

Rehefa vita ny efitranon’i Claude dia tonga isan’andro ireo mpitsabo mpanampy. Tsara fanahy sy be fitiavana izy ireo ary nahafantatra tsara ny amin’ireo zavatra nila nataonay mba hampahazo aina hatrany an’i Claude.

Tamin’izaho niditra ho mpikamban’ny Fiangonana dia nampianarina ahy fa misiônera ny mpikambana rehetra.1 Noho izaho tia mizara ny filazantsara dia nanafatra Bokin’i Môrmôna telo baoritra aho ka nisy boky 24 avy tao anatin’ny baoritra tsirairay. Nanao voady aho ny hanome boky iray amin’ny olona rehetra miditra ny tranonay.

Nasiako karatra ifandraisana namboariko tao amin’ireo fizarana manan-danja isaky ny boky. Ahitana ny sary nalaiko teo amin’ny Tempolin’i Salt Lake ilay karatra. Naraikitro teo amin’ny pejy tsy misy soratra ao amin’ny boky tsirairay avy koa ny fijoroana ho vavolombelona anananako. Avy eo, mialohan’ny hanomezako boky iray ana mpiasa na mpitsabo mpanampy dia nohazavaiko azy ireo hoe inona ny Bokin’i Môrmôna.

Nahagaga fa nahafinaritra ahy sady tsy nampoiziko ny fihetsik’izy ireo. Olona iray monja no nandà ny handray boky. Liana ny nandre momba izany ny olon-kafa rehetra. Ny sasany kosa nisaotra ahy an-tsitram-po sady nilaza fa nahafantatra misy kokoa momba ny Bokin’i Môrmôna izy ary te hanana tahadika iray. Olona maro no faly tokoa ka namihina ahy mihitsy.

Resy lahatra aho fa nitranga izany satria isaky ny nanokatra ny vavako hiresaka momba ny Bokin’i Môrmôna aho dia niaraka tamiko ny Fanahy Masina. Azoko antoka fa afaka nahatsapa ny Fanahy ireo mpiasa sy ireo mpitsabo mpanampy. Boky 72 no nozaraiko ary vao haingana aho no nanafatra 24 fanampiny.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Marianne Holman, “‘Every Member a Missionary’ for 50 Years,” Ensign, Apr. 2009, 77.