2023
Ahoana no hampiraisantsika hina bebe kokoa ny mpiangona ao amintsika?
Septambra 2023


“Ahoana no hampiraisantsika hina bebe kokoa ny mpiangona ao amintsika?” Liahona, Sept. 2023, 44.

Avia, hanaraka Ahy

1 Korintiana 10–12

Ahoana no hampiraisantsika hina bebe kokoa ny mpiangona ao amintsika?

Sary
asa atao isan-karazany izay afaka mampiroborobo ny firaisan-kina eo amin’ny mpikamban’ny Fiangonana

Sary fanehoana nataon’i Vicky Stott

Ren’i Paoly fa nisy fisaratsarahana teo anivon’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao amin’ny tanànan’i Korinto (jereo ny 1 Korintiana 11:18). Ho setrin’izany, dia nitalaho tamin’izy ireo tao amin’ny taratasy iray izy “mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny tena [ny Fiangonana], fa mba hifampiahy ny momba ny tena rehetra” (1 Korintiana 12:25).

Afaka mampiseho izany “[m]ifampiahy” izany isika amin’ny alalan’ny fitiavana sy fiantrana tsy misy fitiavan-tena. Niresaka fomba maromaro azontsika anaovana izany i Paoly mba hahatonga ny fifandraisantsika hisy firaisan-kina kokoa.

Miaraha mifaly ary miaraha malahelo amin’ny hafa.

“Raha mijaly ny anankiray amin’ny momba ny tena, dia miara-mijaly avokoa izay rehetra momba ny tena”(1 Korintiana 12:26).

Manaova asa fanompoana tsy misy fitiavan-tena.

“Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany” [ao amin’ny 1 Korintiana 10:24, ]).

Hampiray ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny Mpamonjy.

“Dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo [Kristy] iray izany avokoa” (1 Korintiana 10:17).

Tiavo ny olon-drehetra.

“Aza manao izay hahatafintohina ny Jiosy na ny jentilisa na ny fiangonan’ Andriamanitra” (1 Korintiana 10:32).