2023
Olona atolotra ampianarina tao am-ponja
Septambra 2023


“Olona atolotra ampianarina tao am-ponja,” Liahona, sept. 2023

Fanehoana ny finoana

Olona atolotra ampianarina tao am-ponja

Na dia tao am-ponja aza dia tsy mba adinon-dRahavavy Llanos velively ny tanjony amin’ny maha solotenan’i Jesoa Kristy azy tamin’ny fampianarana ireo iray fonja taminy momba ny maha tahaka an’ Andriamanitra azy ireo sy ny fomba fivavaka.

Sary
Rahavavy misiônera miaraka amin’ny filohan’ny misiôna sy ny vadiny

Sary nalain’i Amelia Lyon

Misiônera faka tahaka izay manana fijoroana ho vavolombelona tsy hay tohaina ny Rahavavy Aketzaly Llanos. Misiônan’i Costa Rica San José Atsinanana no niantsoana azy tamin’ny voalohany saingy niara-nanompo tamin’i Janeen vadiko sy izaho tao amin’ny misiônan’i Mexico Aguascalientes nandritra ny iray taona izy talohan’ny nahazoany visa nankanesana tany Costa Rica.

Nanofaofa tanana nanao veloma azy izahay tamin’ny aprily 2022 raha niditra ny fiara manidina nankany Mexico City izy. Tany no nandraisany sidina mampitohy mankany Costa Rica. Tsy ampy 24 ora taorian’ny fanaovam-belomanay anefa dia niantso anay ny mpitandro filaminana tao Mexico City.

“Nosamborinay tany amin’ny seranam-piara manidina i Aketzaly Llanos noho izy nahitana bala fampiasana miaramila,” hoy izy ireo. “Heloka bevava ara-panjakana izany ka ho voapanga amin’izany izy.”

Avy hatrany dia nantsoiko ny biraon’ny vondromparitra misahana ny raharaha ara-pitsarana an’ny Fiangonana ka nanakarama mpampanoa lalàna izy ireo mba hamotsorana an-dRahavavy Llanos. Tsy mpikamban’ny Fiangonana io mpampanoa lalàna io. Nanolo-tena ny hanampy anay izy saingy naneho soritra fanantenana. Nohazavainy fa ny fananan’ny olona tsy ao anatin’ny tafika bala-na miaramila monja dia heloka bevava, na toa inona na toa inona ny fikasan’ilay olona.

Taty aoriana dia notantarain-dRahavavy Llanos anay fa teny amin’ny lalana tany amin’ny faritra niasany farany no nitsimponany io bala io. Noheveriny hoe ireny fahatsiarovana ireny ilay izy. Ilay bala kosa aloha dia nitovy tamin’ireny porte clé fatao fahatsiarovana namidy teo ivelan’ny toeram-pitrandrahana volafotsy tany amin’ny faritra niasany farany ireny e. Ireo mpanao famotorana ara-panjakana kanefa dia nandray azy tahaka ireny mampihorohoro ireny. Andro vitsy taty aoriana ny Rahavavy Llanos dia nafindra avy tao amin’ny fonjan’ny seranam-piara-manidina nankany amina fonja tsara ambina fametrahana ireo vehivavy mpanao heloka bevava ikoizana indrindra.

Fivavaky ny finoana

Nanomboka avy hatrany ny tonom-bavaka ho an’ny famotsorana an-dRahavavy Llanos faran’izay haingana. Nanasa ireo misiônera 115 nanompo tao amin’ny misiônanay izaho sy i Janeen mba hampihatra finoana mba hahazoana fahagagana, raha izany no sitrapon’ny Tompo. Nifandray tamin’ireo filohan’ny misiôna tany Mexico City sy ny misiônan’i San José Atsinana ary ny Ivontoerana fanofanana misiônera tany Mekisika aho ka nasain’izy ireo ireo misiônerany mba hiombom-bavaka taminay.

Sary
Misiônera vehivavy

Na dia tao anatin’ireo rindrin’ny fonja aza dia tsy mba adinon-dRahavavy Llanos velively ny tanjony amin’ny maha solotenan’i Jesoa Kristy azy.

Na dia tao anatin’ireo rindrin’ny fonja aza dia tsy mba adinon-dRahavavy Llanos velively ny tanjony amin’ny maha solotenan’i Jesoa Kristy azy. Nampianariny ireo mpiray efitra taminy tao am-ponja ny mivavaka tamin’ny alalan’ny fanaovana miaraka vavaka isa-maraina sy isan-kariva isan’andro. Nampianariny azy ireo koa ny maha tahaka an’ Andriamanitra azy ireo.

Nanambara ny iray tamin’ireo mpiray efitrano taminy tao am-ponja hoe: “Tena olon-dratsy mihitsy aho noho ny zavatra nataoko ka nampiditra ahy taty, ary mankahala ahy Andriamanitra.” Nibanjina ny masony ny Rahavavy Llanos ka niteny hoe: “Tsia. Tsy olona ratsy ianao. Olona iray nanao zavatra ratsy ianao. Kanefa zanak’ Andriamanitra ianao ary tia anao Izy!”

Nitantara momba ny zavatra nofisiny herinandro vitsivitsy talohan’ny nisamborana an-dRahavavy Llanos ny mpiray efitra taminy tao am-ponja iray hafa. Nanofy ilay mpiray efitra taminy fa nisy vorona quetzal (oiseau-soleil) nisidina tao am-ponja mba hanavotra azy. Talohan’ny naha-mpikamban’ny Fiangonana an-dRahavavy Llanos dia nanao sarina vorona quetzal izy natao tombokavatsa tao an-damosiny. Rehefa nahita io tombokavatsa io ilay mpiray efitra taminy dia fantany hoe tokony hihaino ny hafatry ny filazantsara notorian-dRahavavy Llanos izy.

Nampianarin-dRahavavy Llanos azy ny amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary nomeny azy ny tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna nentiny niaraka taminy tao am-ponja, dia ilay tahadika nomen’ireo rahavavy misiônera an-dRahavavy Llanos dimy taona talohan’ny namantarany ny Fiangonana.

Tsy ela akory dia nisy fitsarana vonjimaika nokasaina natao tany Mexico City. Nanao vavolombelona nivantana izaho sy i Janeen. Rehefa nahita ny vondrona mpitsara teo ivelan’ny fitsarana izahay, dia hita natahotra ilay mpisolovava, niaka-nidina ny sisin-dalana.

Nalaiko nitokana izy ary hoy aho hoe: “Anio ianao dia hahatsapa ho tony sy hanana fiadanam-po kokoa mihoatra noho izay tsapanao hatrizay tao ao anatina efitrano fitsarana. Mamelà ahy hilaza anao ny antony. Misiônera mihoatra ny 500 miampy ny fianakavian’izy ireo no mivavaka ho anao sy ny fahombiazanao anio. Mivavaka ho an’ny hamoram-pon’ny mpitsara ihany koa izy ireo mba hanafahany an-dRahavavy Llanos avy tao am-ponja.”

Nanganoano ny mason’ilay mpisolovava ary naneho ny fankasitrahany ny amin’ny finoana sy ireo tonom-bavaka ataona olona maro be ho azy.

Nanomboka tamin’ny 10 ora maraian ny fitsarana saingy nasaina niandry tao ivelany aho mandra-piandry hoe anjarako ny mijoro ho vavolombelona. Lasana ny ora roa lava dia lava. Avy eo dia nivoaka ny mpiambina tao amin’ny efitrano fitsarana ary niteny fa tsy nila nihaino ny fijoroako ho vavolombelona ilay mpitsara. Efa nandray fanapahan-kevitra izy.

Tamin-tahotra no nidirako tao amin’ny efitrano fitsarana ary nanomboka niteny ny mpitsara. Nilaza momba ny lalàna nodikain-dRahavavy Llanos izy sy ny amin’ny halehiben’ny fiampangana nianjady taminy.

“Tsy jerena izany rehetra izany,” hoy izy nanohy, “izaho dia mino ny porofo izay natolotra mahakasika ny toetra tsaran-dRahavavy Llanos.” Avy eo dia novakiny ny ampahany amin’ny lalàna izay namela ahy hanome famindram-po sy hamotsotra azy avy hatrany.

Sary
Rahavavy misiônera sy ny vadin’ny filohan’ny misiôna

Rahavavy Llanos sy ny Rahavavy Janeen. Nitambotsitra teo an-tsandrin-dRahavavy Janeen ny Rahavavy Llanos rehefa navoaka avy tao am-ponja.

“Momba ahy Andriamanitra”

Izany no fahagagana notadiavinay: Afaka nandao nalalaka ny Rahavavy Llanos fa tsy voasazy hanefa efa-taona na mihoatra tany am-ponja. Rehefa nahare izany ilay mpisolovava azy dia niteny fa io no isan’ny andro nanan-danja indrindra teo amin’ny asany hatrizay.

“Tsapako mihitsy fa nomba ahy Andriamanitra,” hoy izy. “Te hianatra misimisy kokoa momba ireo zavatra inoanareo aho.”

Nasaiko nankany amin’ny ivontoerana ho an’ny mpitsidika tany amin’ny tempolin’i Mekisika an’i Mexico City izy. “Hahita misiônera hafa tsara toa an-dRahavavy Llano ianao any,” hoy aho mantsy azy. “Hahita hazavana eny amin’ny mason’izy ireo ianao ary hanontany tena hoe nahoana.”

Adiny roambinifolo ora taorian’izay dia nafahana ny Rahavavy Llanos, mbola tao anatin’ireo fitafian’ny fonja. Torana nianjera teo an-tsandrin’i Janeen izy. Rehefa avy nitomany avokoa izahay rehetra ka nahateny dia nioraka ny Rahavavy Llanos hoe: “Filoha a, manana olona atolotra ampianarina ao am-ponja aho!”

Io traikefa iray manontolo io dia nanamafy fa “Andriamanitra dia tsy mitsahatra ny ho Andriamanitry ny fahagagana” (Môrmôna 9:15). Tsy isalasalako fa ny finoana sy ny tonom-bavak’ireo olona tsara maro be dia nanampy mpisolovava iray hiady ho an’ny olona narovany sy nanalefaka ny fon’ny mpitsara.

Noho ny fisamborana an-dRahavavy Llanos dia vehivavy voafonja maro no nandray fanantenana tamin’ny alalan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, nitsimoka tao amin’ny fon’ny mpisolovava iray ny voan’ny finoana ary izahay dia nohatanjahina tamin’ny faharesen-dahatray fa Andriamanitra dia afaka mampiasa antsika hoentina mampandroso ny asany na aiza na aiza misy antsika.

Sary
Rahavavy misiônera mijoro eo anoloan’ny tempoly

Ny Rahavavy Llanos eo amin’ny Tempolin’i Tijuana Mekisika.