2023
Mitodiha any amin’ Andriamanitra mba hahitana tanjona sy fitarihana
Septambra 2023


“Mitodiha any amin’ Andriamanitra mba hahitana tanjona sy fitarihana,” Liahona, sept. 2023.

Ho an’ny ray aman-dreny

Mitodiha any amin’ Andriamanitra mba hahitana tanjona sy fitarihana

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Ry ray aman-dreny malala,

Tsy nalefan’ny Raintsika any An-danitra ety an-tany tsy nombana fitarihana isika. Amin’ny alalan’ireo fanomezana avy amin’ Andriamanitra toy ny soratra masina, vavaka, mpaminany velona sy isika samy isika ary maro hafa dia afaka mitodika any amin’ Andriamanitra isika mba hahitana tanjona sy fitarihana. Rehefa mamaky ity laharan’ny Liahona ity ianareo dia saintsaino ireo loharanom-pitaovana izay nomeny antsika mba hanampiana antsika hiainana zavatra manan-danja eto amin’ity fiainana ity sy hiverina any Aminy amin’ny fiainan-ko avy.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

Ny anjara andraikitra mirindra sahanintsika ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra

Azonareo mianakavy atao ny mamaky ny 1 Korintiana 11:11 sy mifanakalo hevitra ny amin’ny dikan’izany. Mizarà teny namabara avy ao amin’ny lahatsoratry ny Loholona Gerrit W. Gong (pejy 4) izay manazava ny anjara asa itambaran’ny lehilahy sy ny vehivavy ao amin’ny drafitry ny famonjena. Ahoana no ahafahan’ny fahasamihafantsika mampiray fa tsy mampisara-bazana antsika?

Ny hery manasitran’ny finoana

Vakio miaraka ny Matio 15:21–28 izay miresaka momba ilay vehivavy Kananita. Nahoana araka ny eritreritrao no ny finoany no nahatonga ny fanasitranana ny zananivavy. Mizarà andalana avy ao amin’ny lahatsoratry ny Filoha Camille N. Johnson (pejy 8) mba hahatakarana kokoa ny anjara asan’ny fahalemem-panahy sy ny finoana amin’ny fahazoana ny herin’ny Tompo.

Ireo zavatra mampahatsiahy isan’andro momba an’i Jesoa Kristy

Anontanio ny fianakavianao hoe: Inona no ataonareo mba hahatsiarovana ny Mpamonjy eo amin’ny fiananareo? Vakio ireo ampahany manan-danja avy amin’ilay lahatsoratra ao amin’ny pejy 38 mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahatsiarovana. Hevero ny hampiranty ao an-tranonareo sary iray na teny notsongaina iray izay mampahatsiahy anareo an’i Kristy.

Sahanasa mampiala voly ny fianakaviana ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy

Tsarovy ireo fitahiana omen’i Kristy isan’andro

1 Korintiana 15

Nampianatra ireo Olomasina tao Korinto i Paoly fa : “maty noho ny fahotantsika i Kristy … dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo” (1 Korintiana 15:3–4). Namporisika azy ireo izy mba “[hitana] tsara” (1 Korintiana 15:2) ny filazantsara notoriany tamin’izy ireo. Asao ny fianakavianao hanao ity kilalao fitadidiana ity:

  1. Omeo fotoana ny tsirairay hanoranatra valinteny fohy ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no fitahiana avy amin’ny filazantsara izay gohinao noho ny Sorompanavotana nataon’ny Mpamonjy? (Mba hahitana hevitra dia jereo ny 1 Korintiana 15:19–29.)

  2. Mifandimbiasa mizara ny zavatra nosoratanareo sy mamerina tsianjery ny zavatra nosoratan’ilay olona teo aloha.

Fifanakalozan-kevitra: Ahoana no hahafahantsika mahatsiaro tsara kokoa ireo fitahiana nomen’i Kristy antsika? Hevero ny hanao drafitry ny mpianakavy mba hieritreretana fomba iray isan’andro nitahian’i Kristy ny fiainanareo.