2023
Taipei, Taiwan
Septambra 2023


“Taipei, Taiwan,” Liahona, Sept. 2023.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Taipei, Taiwan

Sary
sarintany misy faribolana manodidina an’i Taiwan
Sary
tanànan’i Taipei any Taiwan

Ny trano fiangonana voalohany an’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany any Taiwan, izay vita tamin’ny 1966, dia naorin’ny mpikambana ao an-toerana tao an-drenivohitr’i Taipei. Ankehitriny, ny Fiangonana any Taiwan dia ahitana:

  • mpikambana miisa 62,100 (eo ho eo)

  • Tsatòka miisa 16, paroasy sy sampana miisa 98, ary misiôna miisa 2

  • Misy tempoly 1 ao Taipei, ary misy 1 nambara ao Kaohsiung

Mitsidika ny tempoly

Sary
fianakaviana miara-mandeha an-tongotra

Mandeha an-tongotra mankany amin’ny tokotanin’ny tempoly ao Taipei ny fianakaviana Ruan. Hoy Rahavavy Ruan hoe: “Ny fandehanana any amin’ny tempoly dia mampahatsiahy ahy ireo laharam-pahamehana eo amin’ny fiainana ary manome hery ara-panahy sy fahatsapana fiadanana ho ahy.” Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Ôktôbra 2021 dia nanambara ny Filoha Russell M. Nelson fa haorina ao Kaohsiung ny tempoly faharoan’i Taiwan.

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Taiwan

Sary
Olona ao amin’ny fianakaviana any Taiwan manao tantaram-pianakaviana

Mankafy mianatra momba ny tantaram-pianakaviany ity fianakaviana ity. Misy amin’ny teny sinoa sy fiteny 29 hafa ny FamilySearch.

Sary
zatovovavy manao lesona any am-piangonana

Mivory ho amin’ny lesona momba ny andro Sabata tarihin’ny tanora sy tohanan’ny mpitarika ireo Zatovovavy.

Sary
olona mandeha eo anoloan’ny Tempolin’i Taipei Taiwan

Ny Tempolin’i Taipei Taiwan dia notokanan’ny Filoha Gordon B. Hinckley tamin’ny 1984.

Sary
Fanehoana an-tsary ny Tempolin’i Kaohsiung Taiwan

Ny Tempolin’i Kaohsiung Taiwan dia nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson tamin’ny 2021.