2023
Mahatakatra ihany ny dikan’ny hoe tian’ Andriamanitra nony farany
Septambra 2023


“Mahatakatra ihany ny dikan’ny hoe tian’ Andriamanitra nony farany,” Liahona, sept. 2023.

Tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony

Mahatakatra ihany ny dikan’ny hoe tian’ Andriamanitra nony farany

Adinoko ny hery ananako avy amin’ny fahafantarako ny maha tahaka an’ Andriamanitra ahy.

Sary
Tarehina zatovovavy iray mitomany

Sary fanehoana nataon’i< Alecia Schubert

Fony aho mbola kely dia nifindra niala an’i Hongria nankany Alemana ny fianakaviako. Nientanentana ery aho ny hifindra tany saingy nivadika ho ny sivy taona sarotra indrindra teo amin’ny fiainako izany.

Nananosarotra ho ahy ny nianatra fiteny Alemana ary mora tohina foana aho ka izany rehetra izany no nahatonga ahy ho niharan’ny hetraketraka. Nitotongana ny lanjan’ny tenako manokana. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsapako ho toy ny tsy tiana sy tsy dia nanana fanantenana firy ho an’ny ho avy izany aho. Nanontany tena aho hoe mety ho tsaratsara kokoa angamba izao tontolo izao raha tsy misy ahy ka indraindray aho dia nanana eritreritra ny hamono tena mihitsy.

Kanefa na dia teo aza ireo fahoriana rehetra nolalovako dia fantatro fa misy antony ny nanomezana ahy fahafahana hiaina, eny fa na dia tsy takatro tanteraka aza ny antony. Fantatro fa afaka mahita ny fahazavan’ny Mpamonjy aho na dia ao anatin’ny fotoana maizina aza (jereo ny Etera 12:4). Rehefa toa tsy nisy nandeha amin’ny laoniny ny zava-drehetra dia fantatro hoe taiza no hahitana Azy sy ny zavatra azony hatao ho ahy raha mikatsaka Azy amin’ny alalan’ny soratra masina sy ny vavaka ary ny fanaovana izay tsara indrindra vitako aho mba ho mpianany. Ny fiainana ny filazantsarany marina tokoa no nanome ahy izay mety ho karazana fiadanam-po sy nanampy ahy hanohy handroso nandritra io fotoan-tsarotra io.

Fahamarinana adinoko

Nony farany dia niverina nifindra tany Hongria ny fianakaviako. Afaka bakalorea aho ary na dia tapitra hatreo aza ny fietraketrahana tamiko dia mbola nahatsapa ny tenako ho ambany ihany aho. Tena nisy akony tamiko ny vokatry ny nampitondrana fahoriana ahy ka indraindray aho dia mbola misalasala ny amin’ny lanjan’ny tenako manokana.

Ary amin’ny maha tanora ahy dia tia hanana fahatokian-tena aho amin’ny fandraisana ireo fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana sy ny fanapahan-kevitra ny amin’ny zavatra izay tiako hotanterahina eo amin’ny fiainana.

Nandritra ny fotoana niadiako tamin’izany dia naharay fitaomam-panahy aho ny hanatrika ny fivoriamben’ny tanora tokan-tena tao Eorôpa atsinanana. Nila fitarihana ara-panahy aho teo amin’ny fiainako mba hanampy ahy hampahalalim-paka kokoa ny lanjan’ny tenako manokana ary nivavaka aho mba hahita valiny tany.

Indray alina nandritra ilay fivoriambe dia nangorintsina aho rehefa nanomboka niresaka momba ny fietraketrahana taminy tamin’ny mbola kely ny mpandaha-teny iray. Niresaka ny amin’ny nahatsapany tena ho tsy nisy vidiny sy tsy nisy mpahita izy. Nanomboka nitomany avy hatrany aho.

Ny zavatra niainako mihitsy no nolazalazainy.

Nanohy ny teniny ilay mpandaha-teny ary nizara ny fahamarinana izay nifikirany nandritra ireo fanamby natrehany, dia fahamarinana izay adinoko.

“Zanak’ Andriamanitra aho.”

Manaiky ny maha tahaka an’ Andriamanitra ahy

Rehefa tapitra ilay takariva amorom-patana dia mbola nikoriana teny amin’ny tarehiko ihany ny ranomaso. Tsikaritr’ilay mpandaha-teny izany ka tamy izy namihina ahy. Nambarany tamiko fa mahalana izy raha miteny mivantana mandritra-na takariva amorom-patana saingy noterem-panahy izy hoe misy olona iray mila mandre ny hafatro mivantana.

Izaho izany olona izany.

Nampiseho tanteraka tamiko io zavatra niainana io fa mahafantatra ny manjo ny zanany ny Ray any An-danitra ary fantany mihitsy ny fomba hanampiana antsika mba hahatsapantsika na dia sombiny kely monja amin’ny fitiavana tonga lafatra ananany amin’ny maha Ray Azy. Fantany fa nila nandre ny hafatr’io mpandaha-teny io aho ka notarihina aho mba ho eo amin’ny toerana tokony hisy ahy tamin’ny fotoana nampety izany.

Efa fantatro nandritra ny fiainako manontolo ilay andian-teny hoe: “Zanak’ Andriamanitra aho” saingy tamin’izay vao nanakoako tao anatiko ny fahamarinan’izany. Takatro marina tokoa ny dikan’izany hoe zanaka Andriamanitra tonga lafatra izay tia antsika tokoa izany ka nafoiny hatao sorona ny Zanani-lahy mba hahafahantsika ho velona indray sy ho avotra amin’ny fahotantsika. Izy izay tia ahy tokoa ka na dia tsy afaka ny hiaro ahy lalandava amin’ny fijaliana aza, dia miara-miaritra amiko izany ary afaka manampy ahy hihoatra izany sy hivoatra amin’ny alalan’izany ary hiverina any Aminy.

Tiany aho amin’izao ary nitia ahy tamin’ny fitiavana mandrakizay Izy nandritra ireo taona nietraketrahana tamiko fony aho nahatsapa fa tsy nisy na iza na iza nitia ahy. Fantatro ankehitriny fa noho ny fahafantarako lalina io fahamarinana io tany anatiko tany no nisafidianako ny hitozo hatrany.

Vao haingana izay ny Filoha Russell M. Nelson no nampianatra ny amin’ny hery avy amin’ny fahafantarana ny maha tahaka an’ Andriamanitra antsika. Hoy izy: “Ry namako malala, tena zanak’ Andriamanitra ara-bakiteny ianareo. … Kanefa, moa ve izany fahamarinana mandrakizay izany miraikitra ao am-ponao? …

Aza diso hevitra momba izany: Ny fahafahana ao aminao dia araka an’ Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fikatsahanao amim-pahazotoana dia homen’ Andriamanitra fahafahana hahita kely an’izay mety hahatongavanao ianao.”1

Ankehitriny rehefa mametra-panontaniana ny amin’ny lanjan’ny tenako aho dia mampahatsiahy ny tenako mandrakariva ny amin’ny fahamarinana fa izaho dia zanak’ Andriamanitra ary ny fiainako dia fanomezana avy Aminy.

Tsarovy fa zanak’ Andriamanitra ianao. Ary aza adinoina na oviana na oviana ilay hery ara-panahy maharitra sy manova fiainana ary mahatalanjona avy amin’ny fanekena izany fahamarinana izany.

Mipetraka any Szeged Hongria ny mpanoratra.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “Safidy ho an’ny mandrakizayFampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy ny mpivady vao herotrerony, 15 mey 2022), broadcasts.ChurchofJesusChrist.org.