2023
Inona avy ireo zavatra mahatalanjona mitranga noho ny Fitsanganana amin’ny maty?
Septambra 2023


“Inona avy ireo zavatra mahatalanjona mitranga noho ny Fitsanganana amin’ny maty?,” Liahona, sept. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

1 Korintiana 15

Inona avy ireo zavatra mahatalanjona mitranga noho ny Fitsanganana amin’ny maty?

Nampianatra ireo Korintiana ny toetry ny vatana natsangana tamin’ny maty i Paoly Apôstôly. Ny vatantsika dia “atsangana amin’ny tsy fahalovana… amim-boninahitra … [sy] amin’ny hery” (1 Korintiana 15:42–43). Nampianatra ihany koa izy fa “ny fahafatesana [dia horesena] ka levona” (1 Korintiana 15:54) saingy inona io fandresena io? Ireto teny notsongaina manaraka ireto dia afaka manampy antsika hahatakatra ireo fandresena nateraky ny Fitsanganana amin’ny maty ireo.