2023
Ireo epistily nosoratan’i Paoly Apôstôly
Septambra 2023


“Ireo epistily nosoratan’i Paoly Apôstôly, Tapany 2,” Liahona, sept. 2023.

Avia, hanaraka Ahy

Ireo epistily nosoratan’i Paoly Apôstôly

Tapany 2

Sary
Horonan-taratasy sy boaty fasiana ranomainty ary fitaovam-panoratana

Fanehoana an-tsary nataon’i Elspeth Young

Efesiana

  • Ho an’ireo mpikambana any Efesosy (tanàna iray any Tiorkia ankehitriny)

  • Nosoratana tany Roma nanodidina ny 60–62 AD

  • Tanjona: Hampianatra ireo vao niova fo, hampiroboroboana ny firaisan-kina sy hamporisihana ireo Olomasina haharitra manoloana ny faharatsiana

  • Fampianarana fototra: Ny fitantanana ny fotoam-pahafenoana, fanavotana amin’ny alalan’ny fahasoavana, fananganana ny Fiangonana sy ny tanjony ary ny fandaminana ao amin’ny fiainam-pianakaviana

Filipiana

  • Ho an’ireo mpikambana any Filipo (tanàna iray any Gresy ankehitriny)

  • Nosoratana tany Roma nanodidina ny 60–62 AD

  • Tanjona: Hidera ireo Olomsina noho ny finoan’izy ireo sy ny fahafoizan-tenany ary hampitandremana azy ireo amin’ireo Kristiana sadasada.

  • Fampianarana fototra: Ireo fitsipiky ny fiainana amim-pahamarinana, fitodihana any amin’i Kristy ho fanavotana ary fahafoizan-tena ho an’ny filazantsara

Kolosiana

  • Ho an’ireo mpikambana any Kolosia (tanàna iray any Tiorkia ankehitriny)

  • Nosoratana tany Roma nanodidina ny 60–62 AD

  • Tanjona: Hampitandrina amin’ny avonavona sy hanamafisana fa ny fanavotana dia tonga amin’ny alalan’i Kristy

  • Fampianarana fototra: Ny toetran’i Kristy, fanorenana fototra eo Aminy ary ny fampivelarana ireo toetra tahaka ny an’i Kristy

1 Tesaloniana

  • Ho an’ireo mpikambana any Tesalonika (tanàna iray any Gresy ankehitriny)

  • Nosoratana tany Korinto (tanàna iray any Gresy ankehitriny) nanodidina ny 50–51 AD

  • Tanjona: Hanome fampaherezana sy valiny ho an’ireo fanontaniana momba ny Fiaviana Fanindroany

  • Fampianarana fototra: Mifankatia, ny Fitsanganana amin’ny maty ary ny Fiaviana Fanindroany

2 Tesaloniana

  • Ho an’ireo mpikambana any Tesalonika (tanàna iray any Gresy ankehitriny)

  • Nosoratana tany Korinto (tanàna iray any Gresy ankehitriny) nanodidina ny 50–51 AD

  • Tanjona: Hanamafy orina finoana sy hanazava ireo tsy fifankazahoan-kevitra momba ny Fiaviana Fanindroany

  • Fampianarana fototra: Ny fiafaran’ny olo-marina, ny Apôstazia lehibe ary ny maha-zava-dehibe ny fanaovana asa hoenti-manome ireo filàna ara-batana