Liahona
Hafatra momba ny Paska avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Martsa 2024


“Hafatra momba ny Paska avy amin’ny Fiadidiana Voalohany,” Liahona, mar. 2024.

Hafatra momba ny Paska avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Sary
I Jesoa Kristy miandrandra ny lanitra manangana ny tanany

For This Purpose I Have Come [Noho izany antony izany no efa nahatongavako], nataon’i Yongsung Kim, sary nahazoana lalana avy amin’ny Havenlight

Amin’izao vaninandron’ny Paska izao dia manasa anareo izahay hisaintsaina ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty feno voninahitra, izay mitahy antsika rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpanavotra antsika no andraisantsika izao hafatry ny fanantenana izao: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33). Mampanantena ny Mpamonjy fa rehefa mitandrina ireo didiny sy ireo ôrdônansy isika dia hanana “fiadanana eo amin’ity izao tontolo izao ity ary, fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:23).

Mijoro ho vavolombelona izahay fa velona i Jesoa Kristy! “Efa nitsangana Izy” (Matio 28:6). Noho Izy dia afaka hotarihina sy hahazo hery isika rehefa mitondra ny enta-mavesatsika eto amin’ny fiainana an-tany. Amin’ny alalan’ny finoantsika ny sorona fanavotana nataon’ny Mpamonjy dia tsy afaka mihazona antsika ny famatoran’ny fahotana ary tsy hanana hery maharitra amintsika ireo fitsapana izay iainantsika eo amin’ny fiainana. “Ny fanindronan’ny fahafatesana dia efa voatelina ao amin’ i Kristy” (Môzià 16:8).

Sary
Sonian’ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ny Fiadidiana Voalohany