Liahona
Inona no zava-nitranga tamin’ny fotoanandron’i Isaia?
Martsa 2024


“Inona no zava-nitranga tamin’ny fotoanandron’i Isaia?,” Liahona, mar. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

2 Nefia 11–19

Inona no zava-nitranga tamin’ny fotoanandron’i Isaia?

Sary
Sarintany mampiseho ny toerana tamin’ny fotoanandron’i Isaia

Nahatsapa ho nentanim-panahy i Nefia mba hizara ny ankamaroan’ny tenin’i Isaia mpaminany. Ny fahatakarana ny toe-javatra ara-jeografika sy ara-politika ao ambadik’ireo faminanian’i Isaia dia afaka manampy anao hamakivaky ireo tandindona nampiasainy nentiny haminaniana momba ny androny sy ny androntsika.

Ity sarintany ity dia mampiseho ireo fanjakana tamin’ny andron’i Isaia. Azonao atao ny mampiasa izany mba hanarahana ny vakiteny rehefa mindrana ny tenin’i Isaia i Nefia. Mety hilaza toerana amin’ny fomba samihafa i Isaia: amin’ny anarany, renivohitra, foko voalohany amin’ny Isiraely, mpitarika ara-politika, na tandindona hafa. Jereo ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy ao amin’ny soratra masina mba hahazoana hevi-baovao bebe kokoa.

1. Syria

  • Renivohitra: Damaskosy

  • Nanampy ny Israely hanafika an’i Joda noho izy tsy niray tsikombakomba hanohitra an’i Asyria

  • Mpitarika: Rezina (jereo ny 2 Nefia 17:1, 4, 8)

2. Isiraely

  • Fanjakana Avaratra

  • Renivohitra: Samaria

  • Foko voalohany: Efraima (jereo ny 2 Nefia 17:8–9) na ireo “foko very”

  • Mpitarika: I Peka, zanakalahin’i Remalia (jereo ny 2 Nefia 17:1, 4, 9)

3. Joda

4. Asyria

  • Hery ara-tafika tamin’ny andron’i Isaia

  • Nambabo an’i Syria sy i Israely ary farany ny Joda rehetra afa-tsy Jerosalema

  • Nanaparitaka ny foko folo

  • Nambabo an’i Babylona tatỳ aoriana

  • Tandindon’ny avonavona sy ny famongorana ny olon-dratsy amin’ny Fiaviany Fanindroany (jereo ny 2 Nefia 20)

5. Babylona

  • Nambabo an’i Syria sy i Joda

  • Nanao sesitany ny Jiosy niala an’i Jerosalema

  • Tandindon’izao tontolo izao sy ny faharatsiany