Liahona
Fitsipika arahina 3 ho an’ny fampiasana teknôlôjia sy haino vaky jery
Martsa 2024


“Fitsipika arahina 3 ho an’ny fampiasana teknôlôjia sy haino vaky jery,” Liahona, mar. 2024.

Fitsipika arahina 3 ho an’ny fampiasana teknôlôjia sy haino vaky jery

Satria mbola mivoatra hatrany ny teknôlôjia, dia hanampy antsika handroso amim-pahendrena ireto fomba fiatrehana ny haino vaky jery ireto.

Sary
Tanana mitazona finday avo lenta izay ahitana asa marohasy peta-tsoratra eo amin’ny efijery

Tsy mitsaha-miova ny teknôlôjia. Ary ny fandrosoana rehetra amin’ny teknôlôjia dia nitondra fomba vaovao hampiasana ny haino vaky jery. Ny milina fanontam-pirinty dia nanova tanteraka ny sarambamben’ny olona izay afaka mahazo ireo teny voasoratra. Nanova tanteraka ny fomba fampitantsika vaovao sy fampahalalana ary fialamboly ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra. Nanova ny habetsaky ny votoaty azontsika jerena sy ny hoe iza no afaka hamorona izany ny Internet. Nanova ny fahafahantsika mahita, mifanerasera ary mifandray amin’ny olona ny tamba-jotran-tserasera. Rehefa mipoitra ireo faharanitan-tsaina artifisialy, dia miatrika fanontaniana vaovao isika.

Tsy tsara avokoa na hoe ratsy avokoa ny teknôlôjia vaovao rehetra. Fa izao kosa, matetika izany dia toy ny fanita-jery lehibe izay afaka mampitombo fahafahana vaovao sy fanahiana vaovao. Rehefa miezaka ny ho tahaka an’i Kristy kokoa isika dia ny fomba fiatrehantsika ny teknôlôjia vaovao sy ny haino vaky jery izay mety entin’izany eo amin’ny fiainantsika no manan-danja.

Fiatrehana mifototra amina fitsipika

Mazava ho azy fa tsy misy lisitra ana fitsipika hitarika ny fanapahan-kevitra rehetra raisintsika momba ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery. Fa izao kosa, afaka mianatra fitsipika isika mba hanampy hitarika antsika rehefa manao safidy. Nampianatra toy izao ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Ny fitsipika dia mandrakizay ary manerana izao rehetra izao. Ny fitsipika na ny fampiharana manokana an’ireo fitsipika ireo dia mety tsara any amin’ny toerana sasany saingy tsy mety any amin’ny toerana hafa. Ny mampiray antsika dia i Jesoa Kristy sy ireo fahamarinana mandrakizay izay nampianariny, na dia miovaova arakaraka ny fotoana sy ny kolontsaina aza ny fampiharana manokana.”1

Ny fanarahana ireo fitsipika mifototra amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara dia hanampy antsika hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Hitarika antsika ny Fanahy rehefa miezaka manao safidy mifototra amin’ireo fitsipika ireo isika. Inona ary no fitsipika afaka manampy amin’ny fitarihana ny safidy ataontsika momba ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery?

1. Afaka mampiasa ny fahafahako misafidy aho mba hanaovana safidy hifehezana ny teknôlôjia. Tsy mifehy ahy izany.

Mety ho tsapanao indraindray fa misarika be ny fiainanao ny teknôlôjia. Zava-dehibe ny mahatsiaro fa afaka manao safidy hifehy ny teknôlôjia ianao. Tsy mifehy anao izany. Afaka minia misafidy ny hampiasa ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery mba hanatanterahana ny tsara sy hikatsahana zavatra izay “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendrim-piderana” ianao (Ireo fanekem-pinoana 1:13).

Hoy ny Tompo hoe: “fa Izaho Tompo dia manana asa lehibe hataonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:6). Eritrereto ny fomba ahafahanao mampiasa ny teknôlôjia mba hanatanterahana izany asa lehibe izany sy hitoerana “hazoto hirotsaka amin’ny tanjona tsara” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:27). Mety mila mampiasa teknôlôjia ianao amin’ny asanao. Mety mampiasa izany mba hahitana fialam-boly mahasoa ianao. Mety hanampy anao hifandray amin’ny hafa izany. Ary afaka manampy anao hianatra sy hivoatra ary hanatanteraka ny asan’ny Tompo izany. Kanefa ny fampiasana hafa dia mety hanelingelina, tsy mendrika, na manimba. Aza avela hifehy anao ny teknôlôjia, fa ampiasao kosa ny fahendrena sy ny fitarihan’ny Fanahy mba hanaovana safidy izay mametraka anao hifehy.

2. Rehefa mampiasa ny safidim-pitondrantenako aho mba hanomana mialoha dia mahatsapa ho tsara kokoa aho ary manao safidy tsara kokoa.

Angamba ianao efa nanana traikefa tamin’ny fanaovana safidy tsy tsara momba ny teknôlôjia. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny haino vaky jery nahavariana anao na nandany ny fotoananao tamina hetsika iray. Tsara kokoa ny mifantoka amin’ny fitomboana mitohy toy izay ho variana amin’ny fahadisoana nataonao. Raha manomana mialoha ianao dia hanao safidy tsara kokoa nony rehefa ianao mandray ny fanapahan-kevitrao rehetra eo amin’ilay fotoana. Azonao atao ny mametraka torolalana manokana mifanaraka amin’ny fenitry ny filazantsara mba hanampiana anao hanao safidy tsara.

Raha hitanao fa mampiasa amin’ny fomba tsy mety na mampiasa be loatra ny haino vaky jery ianao, dia manàna herim-po hiezaka hiova. Ohatra, raha tsy manome fitaomam-panahy na mitondra fahatsapana tsara ny endrika haino vaky jery sasany, dia ahitsio ny fahazaranao. Raha mampiasa teknôlôjia ianao hanarahana haino vaky jery na hirotsahana amin’ny fitondrantena fantatrao fa tsy mety, dia manàna herim-po hiova—ary manàna faharetana amin’ny tenanao rehefa miezaka manao ireo fiovana ireo ianao. Mieritrereta zavatra manampy sasany azonao atao mba hiovana. Ohatra, raha hitanao fa sarotra kokoa ny mandray fanapahan-kevitra tsara amin’ny fotoana sasany mandritra ny andro, dia azonao atao ny manomana fotoana hampiasanao ny teknôlôjia ary fotoana tsy hampiasanao izany.

Toy izany koa, raha mampiasa teknôlôjia ianao mba hampatanjahana ny tenanao, hifandraisana amin’ny hafa, ary hanatanterahana ny asan’ny Tompo, ary mahatsapa ny Fanahy ianao, dia ataovy hatrany ireo zavatra ireo. Rehefa tena marin-toetra amin’ny tenanao momba ny safidy ataonao ianao dia afaka manampy anao hampiasa ny fahafahanao misafidy amin’ny fomba izay mitondra anao hahatsapa ho tsara kokoa sy hanohy hanao safidy tsara kokoa ny finoanao ny Tompo.

3. Afaka mampiasa ny fahafahako misafidy aho mba hiato kely sy haka aina.

Mety hahatsapa ianao fa misy hatrany ireo fanontaniana momba ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery. Hatraiza ny hoe be loatra? Tokony hampitombo na hampihena ny fampiasako haino vaky jery sy teknôlôjia ve aho? Mampiasa tsara ny fotoanako ve aho? Miezaha tsy hamela ny eritreritra toy izany hanototra anao. Tsarovy fa tsy maninona ny miato sy miala kely amin’ny haino vaky jery. Ny fiatoana dia mety ho fisafidianana hanao hetsika hafa ankoatra ny fijerena efijery mandritra ny ora vitsivitsy na tsy fampiasana teknôlôjia sasantsasany, toy ny tambajotra ifaneraserana, mandritry ny fotoana maharitra.

Ny teknôlôjia dia manome fitahiana lehibe hanampiana antsika hifandray hatrany amin’ny hafa; tsy hoe akory afaka mifandray amin’ny fotoana rehetra isika dia midika izany fa mila mifandray amin’ny fotoana rehetra isika. Mampahatsiahy antsika ny Tompo hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16). Alaovy antoka fa manokana fotoana ifandraisana Aminy ianao.

Mba hendry

Satria tsy mitsaha-mivoatra ny teknôlôjia dia hiatrika fanapahan-kevitra maro isika rehetra. Afaka mitodika kosa any amin’ny Ray any An-danitra, ny Mpamonjy, ny soratra masina ary ny tenin’ireo mpaminany maoderina mba hahazoana fitsipika izay hanampy amin’ny fitarihana ny safidintsika isika toy izay hiandry fitsipika sy lisitra manokana avy amin’ny Fiangonana. Hanampy antsika ny Fanahy hahafantatra raha marina ireo safidy ataontsika. Mihatra amin’izao andro izao ny tenin’i Jakoba, toy ny tamin’ny nampianarany azy ireo tamin’ny voalohany hoe: “Ô, mba hendry; inona no azoko lazaina ankoatra izany?” (Jakoba 6:12).