Liahona
Inona no fahamarinana ampianarin’ny 1 Nefia sy ny 2 Nefia antsika momba an’i Jesoa Kristy?
Martsa 2024


“Inona no fahamarinana ampianarin’ny 1 Nefia sy ny 2 Nefia antsika momba an’i Jesoa Kristy?,” Liahona, mar. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

2 Nefia 31–33

Inona no fahamarinana ampianarin’ny 1 Nefia sy ny 2 Nefia antsika momba an’i Jesoa Kristy?

Teo am-pamaranana ny asa sorany i Nefia dia nilaza hoe: “Ary raha mino an’ i Kristy ianareo dia hino ireto teny ireto, satria tenin’i Kristy ireo” (2 Nefia 33:10). Fahamarinana maro momba ny toetran’ny Mpamonjy sy ny fiainany ary ny Sorompanavotana no hita ao amin’ny zavatra nianarantsika tao amin’ny Bokin’i Môrmôna hatreto tamin’ity taona ity.

Sary
Tanan’i Jesoa Kristy mitolotra eo anoloany

Come unto Me [Mankanesa atỳ amiko], nataon’i Eva Timothy

Toetran’i Kristy

Sary
I Jesoa mampianatra ao amin’ny syinagôga

Light and Truth [Fahazavana sy Fahamarinana], nataon’i Simon Dewey

Ny asa fanompoan’i Kristy

Sary
I Jesoa Kristy nohomboana tamin’ny hazofijaliana

The Crucificion [Ny fanomboana an’i Kristy], tsy fantatra ny mpanao hoso-doko nanao azy.

Ny Sorompanavotan’i Kristy

  • Nanavotra antsika tamin’ny alalan’ny sorona nataony Izy (jereo ny 2 Nefia 2:6–7).

  • Nanatanteraka “ny sorompanavotana tsisy fetra” izay mandresy ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy Izy (2 Nefia 9:5–22).

  • Afaka manome hery antsika Izy rehefa manam-pinoana Azy isika ary misafidy ny hibebaka (jereo ny 2 Nefia 31:13).