Liahona
Ny zavatra hitako rehefa niala tamin’ny tambajotra ifaneraserana aho
Martsa 2024


“Ny zavatra hitako rehefa niala tamin’ny tambajotra ifaneraserana aho,” Liahona, mar. 2024.

Ny zavatra hitako rehefa niala tamin’ny tambajotra ifaneraserana aho

Ny fampihenana ny fampiasako tambajotra ifaneraserana dia nahafahako nifantoka bebe kokoa tamin’ireo zanako sy nanatsara ny fifandraisako tamin’ny Mpamonjy.

Sary
Vehivavy mitazona hosy (câble) notapahana, raha etsy an-daniny mitsingevana manodidina azy ny sary famantarana an’ireo tambajotra ifaneraserana

Sary nataon’i David Green

Tao anatin’ireo taona vitsivitsy dia fantatro fa nitaona ahy hanalavitra ny tambajotra ifaneraserana Andriamanitra. Fantatro fa tsara ho ahy ny fialana amin’ny tambajotra ifaneraserana, saingy fantatro ihany koa fa nankafiziko ny fiaraha-monina hitako tao. Tsy haiko ny fomba hampifanarahana an’ireo zavatra roa ireo; fantatro fotsiny fa misy zavatra tokony hiova.

Izaho dia namaky boky iray izay nahatonga ahy hisaintsaina ny fanontaniana hoe: “Fe-potoana hafiriana ao amin’ny tambajotra ifaneraserana no antonony hahazoana ny tombontsoan’ilay fiaraha-monina ary lavitr’ireo fitaoman-dratsy rehetra?” Amiko, 20 minitra … isam-bolana teo ho eo no valin’io fanontaniana io. Nametraka tanjona aho mba hanatanterahana izany, ary noho ny fanampian’ny Tompo dia mora kokoa noho ny noheveriko izany. Ny zavatra tsy nampoiziko dia ny nanamafisana izaitsizy tokoa ny fifandraisako tamin’ny Mpamonjiko vokatr’ io fiovana io. Lasa nahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy aho; lasa takatro mazava kokoa ilay drafitra nomaniny ho ahy; ary hitako mazava kokoa ny filan’ny olona manodidina ahy.

Tsy famelana ireo Selfie hamaritra ny hasarobidiko manokana

Efa fantatro hatramin’izay fa zanak’ Andriamanitra aho ary tia ahy Izy. Nahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy aho nandritra ireo fotoan-tsarotra teo amin’ny fiainako. Saingy matetika loatra aho no namela ny tambajotra ifaneraserana hibaiko ny fomba fahitako sy fisainako ny tenako. Na dia niezaka nandresy lahatra ny tenako aza aho fa tsy nisy fiantraikany tamiko ireo sary noheverina ho lafatra tao amin’ny tambajotra ifaneraserana, dia ny nifanohitra tamin’izany no nitranga. Ny fampihenana ny fotoana laniko tao amin’ny tambajotra ifaneraserana dia nanome ahy fiadanana sy fahatoniana ara-tsaina izay nilaiko nandrenesana ny Mpamonjy nilaza tamiko ny zavatra tsapany momba ahy. Tsy tonga saina aho hoe efa manina tokoa ny fandrenesana ny feony mandra-pamoronako toerana bebe kokoa ho Azy.

Efa nino foana ny drafitry ny famonjena aho. Fantatro fa i Jesoa Kristy no ivon’izany drafitra izany. Saingy mino ihany koa aho fa manana drafitra ho antsika tsirairay avy ny Ray any An-danitra. Nampianatra i Larry M. Gibson, Mpanolotsaina Voalohany tao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany hoe: “Fantatro fa miraharaha antsika tsirairay ny Ray any An-danitra ary manana drafitra ho antsika manokana Izy mba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay.”1

Nandany fotoana be aho nanaraka ireo zavatra miely mba hanandrana sy hamantatra hoe inona no tanjoko. Ny fanarahako tambajotra ifaneraserana dia nanome ahy fahafahana hahita tsara an’ireo zava-baovao sy mahafinaritra rehetra ataon’ny olona. Niana-javatra maro avy tamin’ireo olona ireo aho, saingy nandany fotoana betsaka kokoa tamin’ny fikatsahana fa tsy tamin’ny fanaovana. Hatramin’ny nialako tamin’ny tambajotra ifaneraserana dia nahatsapa ho voatarika aho hahafantatra manokana ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra hataoko. Maro amin’ireo zavatra ireo no nahatalanjona sy tsy nitovy tamin’izay niheverako azy, nefa nahatonga ny fiainako hiroborobo sy feno kokoa.

Tonga ny Mpamonjy mba hananantsika fiainana sy hananantsika izany be dia be (jereo ny Jaona 10:10). Feno fankasitrahana aho noho ireo fanakiho malefaka ataon’ny Fanahy Masina amintsika mba hanampiana antsika hanana fiainana feno kokoa.

Fiainana ivelan’ny efijery

Nahita an’ireo izay tsy tsikaritry ny hafa ny Mpamonjy. Tiako ny mamaky tantara momba Azy manompo ny olona toy izany ary mampianatra azy ireo ny hasarobidin’izy ireo. Ny fandaniana fotoana be loatra tao amin’ny tambajotra ifaneraserana dia nanakana ahy tsy hahita tsara ny olona eo amin’ny fiainako manokana, anisan’izany ny fianakaviako. Tsapako fa raha tsy mahatsapa ho hitako ireo zanako, dia tsy ho ela izy ireo dia hitady loharano any ivelany mba hanamarina ny hasarobidin’izy ireo.

Talanjona aho tamin’ny fitiavana nananako ho an’ny zanako rehefa niaraka tamin’izy ireo bebe kokoa aho. Tiako kokoa mihoatra ny taloha ny andraikitro amin’ny maha-reny ahy tamin’ity taona lasa. Lasa nahafantatra mpiara-monina aho ary navitrika kokoa teo amin’ny fiaraha-monina misy ahy. Nitombo ny fahafahako manompo. Noheveriko fa nanampy ahy hahafanta-javatra bebe kokoa ny tambajotra ifaneraserana, saingy raha ny tena marina dia tsy niaina feno ny zava-nitranga tamin’ny fotoana resahina firy aho mba hahitako ny filan’ny manodidina ahy.

Ny fampihenana ny fampiasako ny tambajotra ifaneraserana dia toa zavatra kely sy tsotra, saingy namela ahy hampitombo be ny finoako sy hanatsara ny fifandraisako amin’ny Mpamonjy ahy izany. Fantatro fa tia antsika ny Ray any An-danitra, manana drafitra ho antsika Izy ary manan-janaka izay mila mahatsapa fa hitantsika ihany koa Izy.

Mipetraka any New York, Etazonia ny mpanoratra.