Liahona
Miankin-doha amina tantara mitohy mandeha ao amin’ny fahitalavitra: Ny fomba namelako an’ Andriamanitra hanjaka
Martsa 2024


“Miankin-doha amina tantara mitohy mandeha ao amin’ny fahitalavitra: Ny fomba namelako an’ Andriamanitra hanjaka,” Liahona, mar. 2024.

Miankin-doha amina tantara mitohy mandeha ao amin’ny fahitalavitra: Ny fomba namelako an’ Andriamanitra hanjaka

Rehefa tsy nijery intsony ity tantara mitohy mandeha ao amin’ny fahitalavitra ity aho dia nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina nitombo izaitsizy tokoa teo amin’ny fiainako.

Sary
Vehivavy mijery fahitalavitra ka misy olona mivoaka avy ao amin’ilay fahitalavitra ary mikasika ny sorony

Sary nataon’i Benedetta Vialli / Salzman International

Mitondra hery lehibe ny fisafidianana an’i Jesoa Kristy, “ary endrey fa ho ilaintsika ny heriny amin’ireo andro ho avy.”1 Misafotofoto be ny tontolontsika. Toy ny hoe manana fitaomana lehibe kokoa amin’ireo zanak’ Andriamanitra maro be ilay fahavalo. Hindrahindraina ny tsy fahamasinana, ary ny fakam-panahy dia manelingelina antsika ary manala antsika amin’izay hitondra antsika hanakaiky kokoa ny Tompo.

Mba handresena izany dia tsy maintsy misafidy amim-pahavitrihana an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainantsika isika ary mahafoy ireo zavatra manafintohina ny Fanahy. Nanoro hevitra antsika i Môrônia hoe: “Hendre amin’ny andron’ny fizahan-toetra anareo; esory amin’ny tenanareo ny tsy fahadiovana rehetra” (Môrmôna 9:28) ary nanasa antsika hoe: “manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy, ary holavin’ny tenanareo ny toetra tsy araka an’ Andriamanitra rehetra; … ary tia[va] an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo” (Môrônia 10:32).

Ahoana no ahafahantsika mahafoy ny zavatr’izao tontolo izao ary hanatona an’i Kristy miaraka amin’ny finiavana bebe kokoa? Isika tsirairay avy dia eo amina ambaratonga samihafa amin’izany dingana izany. Isika rehetra dia afaka mamela zavatra izay manakana antsika tsy hahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina amin’ny fomba feno kokoa. Mila ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isika mba hanaovana izany, ary izany dia manomboka amin’ny fampiasana ny fahafahantsika misafidy hisafidianana Azy.

Ny faniriana hanana fahatsapana fiombonana

Fony aho tao amin’ny kilasy famaranana tany amin’ny lisea, dia tao amin’ny ekipan’ny mpitarika fihobiana an’ny lisea aho. Isan’andro aho nandritry ny fanazaran-tena, dia niresaka momba ny zava-nitranga tamin’ny tantara mitohy mandeha ao amin’ny fahitalavitra amin’ny atoandro ireo tovovavy tao amin’ny ekipa mpitarika fihobiana nisy ahy. Tsy mbola nijery an’izany aho ary fantatro fa fandaharana ambany hasina ara-pitondran-tena izany. Na izany aza dia nahatsiaro ho voailikilika aho isan’andro nandritry ny fanazaran-tena rehefa niresaka tamim-pientanentanana momba ilay fandaharana ireo tovovavy. Nibitsibitsika tamiko ny Fanahy mba tsy hijery izany, saingy naniry mafy ny ho tafiditra ao anatin’ny resak’izy ireo aho, ka nanomboka nijery.

Toy ny tsy dia ratsy tamiko ilay izy. Nanamarin-tena aho fa tsy hisy fiantraikany amiko izany. Fantatro fa tsy hanao an’ireo zavatra ratsy hitako nataon’ireo mpilalao tantara aho. Voafandrika aho ka nijery ilay fandaharana isan’andro. Rehefa nandeha tany amin’ny Oniversiten’i Brigham Young aho dia nandamina ny fandaharam-pianaranako mba hahafahako mijery izany isan’andro. Tsy mbola nisy fotoana tsy nanarahako an’ilay fandaharana.

Nanambady aho ary niteraka ny zanako voalohany. Nampatoriako teo am-pandriana izy isan’andro nandritra ilay fandaharana mba hahafahako mijery izany.

Rehefa nandeha ny taona dia nibitsibitsika tamiko imbetsaka ny Fanahy fa tokony hitsahatra tsy hijery io fandaharana io aho. Nandà anefa aho. Tena lasa raiki-tampisaka tamin’ireo mpilalao sy ny fiainan’izy ireo aho. Izany no fomba fialako sasatra, hany ka nanohy nijery aho. Resy lahatra aho fa tsy nanimba ahy izany.

Sary
Vehivavy nanalavitra ny fahitalavitra ary nisy mpilalao nivoaka avy tao amin’ny fahitalavitra ka nandray ny sandriny

Ilay fanasana

Sivy ambin’ny folo taona taorian’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia mbola nijery ilay fandaharana isan’andro foana aho. Nandritry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, Rahavavy Sheri L. Dew, izay Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany tamin’izany, dia niresaka momba ny fialana amin’izao tontolo izao sy ireo zavatra tsy masina. Izao no nolazainy tamin’izay, “manasa antsika tsirairay avy aho mba hamantatra zavatra iray farafahakeliny azontsika hatao mba hivoahana amin’izao tontolo izao ka hanakaiky bebe kokoa an’i Kristy.”2

Rehefa nanolotra izany fanasana izany izy dia nahatsapa firotsahan’ny Fanahy mahery vaika aho, ary reko tao an-tsaiko ireo teny hoe: “Mila mampitsahatra ny fijerena an’ilay fandaharana ianao izao!” Tena nahery vaika izany; toy ny tehamaina nandrivorivo ilay izy. Fantatro tamin’izay fotoana izay fa tsy azoko tsinontsinoavina intsony izany bitsika izany. Nahatsapa hamehana ny tsy hijery ilay fandaharana intsony aho. Tsapako fa tsy nisy na dia iray tamin’ireo mpilalao aza no nanao zavatra tsara na mendri-kaja. Nanasa fako hankao amin’ny fiainako isan’andro aho. Nanolo-tena tamin’ny Tompo aho, teo no ho eo, fa tsy hijery izany intsony.

Tsy mora tamiko izany! Sarotra nialana ilay fahazarana sy fiankinan-doha nandritry ny sivy ambin’ny folo taona. Tonga ny alatsinainy ary tonga ny fotoana hanombohan’ilay fandaharana. Nandeha teo amin’ilay fibaikoana avy lavitra ny fahitalavitra aho. Tena naniry mafy ny handefa izany aho. Tsaroako ny fanoloran-tena nataoko tamin’ny Tompo fa tsy hijery izany intsony aho. Nohalaviriko ilay izy.

Avy eo dia nieritreritra momba ilay mpilalao tiako indrindra aho ary nanontany tena hoe inona no mety hitranga aminy ka niverina nankeo amin’ilay fibaikoana avy lavitra aho. Fantatro fa nila ny fanampian’ Andriamanitra aho, ka dia nandohalika aho ary nivavaka mba hahazo hery mba tsy hijerena izany. Nieritreritra ny fampanantenana nataoko tamin’ny Ray any An-danitra aho ary nivoaka ny efitrano. Nisafidy ny hanaraka ny bitsika voaraiko avy amin’ny Fanahy Masina aho ary hanaja ny fanoloran-tena nataoko.

Io toe-javatra io dia niverimberina isan’andro tamin’io herinandro io sy ny manaraka. Isan’andro aho dia nandohalika sy nivavaka ary nitalaho nangataka hery mba tsy hijerena, ary isan’andro dia nisafidy an’i Jesoa Kristy aho ary niala tamin’ny fandaharana iray tao amin’ny fahitalavitra izay feno fahalotoam-pitondran-tena. Nahazo hery handresena avy amin’ny hery atolotry ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany aho.

Afaka fotoana vitsivitsy taorian’ny nanaovana izany dia nisy fahagagana nitranga. Very tanteraka ny faniriako hijery ilay fandaharana, rehefa avy nijery izany isan’andro nandritry ny 19 taona. Tena nahatalanjona izany! Tsy te hijery ireo fandaharana rehetra mampiahiahy fijeriko koa aho, ka dia nijanona tanteraka.

Lasa kinga kokoa tamin’ny fahalalana ny zavatra tokony sy tsy tokony hataoko aho, ary haiko tsara ny namantatra ny ratsy araka ny maha-ratsy azy. Naniry tokoa ny hiala amin’ny fanao ratsy rehetra aho (jereo ny 1 Tesaloniana 5:22). Tsy nataoko ho tsirambina intsony izany.

Sary
Olona mampiasa fibaikoana avy lavitra hamonoana fahitalavitra

Ilay fitahiana mahatalanjona indrindra

Saingy ny zavatra nahatalanjona indrindra nitranga dia ny nahatsapako ny fitaoman’ny Fanahy Masina nitombo teo amin’ny fiainako mihoatra noho izay rehetra niainako teo aloha. Nihamafy izaitsizy ny fandrosoako ara-panahy! Izay taona maro izay aho nihevitra foana ny nianoka tamin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina, kinanjo tsy niaina afa-tsy sombin’ny zavatra tokony ho niainako aho. Tsapako fa nisy fiantraikany tamiko ny fijerena ireny fandaharana ireny nandritra ireny fotoana rehetra ireny. Very taona maro tokony ho nananana fifandraisana matanjaka kokoa tamin’ Andriamanitra aho. Rehefa nampiasa ny fahafahako misafidy aho mba hialana amin’ny zavatra tsy masina sy araka an’izao tontolo izao, dia afaka nanatona ahy tamin’ny fatra lehibe kokoa ny Fanahy, ary tena nitondra fiovana lehibe tokoa izany teo amin’ny fiainako mba hampahatanjaka sy hampionona ary hitarika ahy.

Mirona amin’ny famikirana amin’ny zavatra tsy misy lanjany isika—zavatra izay tena manidy ny varavarana amin’ireo fitahiana tian’ Andriamanitra hoentina eo amin’ny fiainantsika. Nahoana isika no manakalo ilay fitaomana mahery vaika sy manafaky ny Fanahy amin’ny fialam-boly na ny zavatra malaza? Angamba tsy zava-dehibe na fahotana goavana ny fijerena fandaharana amin’ny fahitalavitra, saingy nisakana ahy tsy hanana bebe kokoa ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainako izany ary nampihena ny fivoarako ara-panahy.

Tena feno fankasitrahana aho fa tsy nilavo lefona tamiko ny Tompo fa nangataka ahy tamim-paharetana mba hahafoy zavatra tsy masina mba hahafahany mameno ny fiainako amin’ny fitobahan’ny fitaomany.

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.