Liahona
Olona mitazana eo am-baravarankely
Martsa 2024


“Olona mitazana eo am-baravarankely,” Liahona, mar. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Olona mitazana eo am-baravarankely

Noheveriko fa tia midimiditra fiainan’olona ilay mpifanolobodirindrina amiko, saingy fantatro ihany taty aoriana fa nila namana fotsiny kay izy.

Sary
Sarin’i Maija-Kaarina Mäkinen

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Matetika aho no nahita ny tavan’olona iray nibanjina avy teo am-baravarankelin’ny trano lehibe iray. Nieritreritra aho hoe: “Tsy mampalahelo ve izany olona mitazana foana eo am-baravarankely izany ka mitsara ny fihetsika ataon’ireo mpifanolobodirindrina aminy?”

Dia nieritreritra aho indray andro fa tokony handeha hanontany hamantarana raha toa ka misy zavatra azoko hanampiana. Nanapa-kevitra ny hitondra mofo vao namboarina aho.

Nampisy finamanana teo amiko sy ilay mpifanolobodirindrina tamiko izay efa zokiolona ilay mofo vao mafana. Tamin-dranomaso no nilazany tamiko ny fahatsapany ho manirery. Tsy nisy namangy azy ary tsy nisy niantso azy, eny fa na dia ireo zanany manokana aza. Tamin’ny tanana nangovitra no namafany ny ranomaso teo amin’ny takolany.

Nisento izy ary avy eo niteny hoe: “Mety hahafinaritra tokoa ny handao an’ity tontolo ity. Tsy mitsara na iza na iza aho rehefa mitazana avy eo am-baravarankeliko. Mijery fotsiny ny ankizy milalao sy ny zavatra hafa mitranga eny an-tokotany aho.”

Sary
Vehivavy mitazana eo am-baravarankely

Sary nataon’i Alex Nabaum

Rehefa nandeha ny fotoana dia niresaka momba ny filazantsara izahay. Nisalasala izy tamin’ny voalohany, satria mpiandraikitra tao amina fiangonana hafa ny vadiny fahiny. Saingy arakaraky ny niresahanay no nahaliana azy bebe kokoa tamin’ireo fahamarinana nozaraiko momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny.

“Mahafinaritra fa manana an’i Jesoa iray ihany isika!” hoy izy. “Hifankahita ve isika any an-danitra?”

“Eny,” hoy aho namaly, “dia hiaraka isika rehefa any—hifampitantana.”

Nanomboka teo dia mpinamana be izahay nandritra ny taona maro, mandra-pahafatiny nony farany.

Ankehitriny dia tiako ny mieritreritra fa ilay mpifanolobodirindrina tamiko teo aloha dia mitazana avy eny am-baravarankelin’ny tranony any an-danitra, manaraka ny zavatra izay ataonay ary manantena ny hanananay filaminana sy fifankatiavana amin’ny tsirairay.