Liahona
Fantatro fa voaro aho
Martsa 2024


“Fantatro fa voaro aho,” Liahona, mar. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Fantatro fa voaro aho

Nirongatra ny ady tao ivelany, saingy rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna aho dia nahatsapa fiadanam-po ka tsy natahotra.

Sary
Vehivavy mamaky boky

Sary nataon’i Alex Nabaum

Nangotraka ny ady tany Iogôslavia tamin’ny 1992. Nodarohana baomba isan’andro ny tanànan’i Mostar izay nonenanay. Naato avokoa ny asam-panjakana rehetra, anisan’izany ny paositra.

Tamin’ny 1 aprily anefa dia nisy nandondòna teo am-baravarako. Rehefa nosokafako izany dia nisy lehilahy iray izay mbola tsy hitako hatramin’izay nanome ahy fonosana avy amin’ny zanako vavy, izay nipetraka tany Malaga, Espana, izay nidirany ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nisy tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna tao anatiny.

Tamin’io andro io ihany aho dia nanomboka namaky izany. Nisy ady tao ivelany, nefa rehefa namaky aho dia nahatsapa fiadanam-po ka tsy natahotra. Taty aoriana dia nianatra aho fa ny fiadanam-po tsapako dia ny Fanahy Masina. Fantatro fa voaro aho ary tsy ho faty.

Rehefa namaky aho dia nianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny hoe mbola velona Izy. Nianatra momba ny batisa sy ny Fiangonan’ny Mpamonjy aho. Tsapako fa marina avokoa izay novakiko. Namaly ireo fanontaniako ilay zanako vavy tsindraindray.

Nony nodimandry ny vadiko tamin’ny 2019, dia nanapa-kevitra ny handeha any Etazonia aho, izay onenan’ny zanako vavy ankehitriny. Te hahita azy sy hianatra bebe kokoa momba ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny aho.

Nijanona tao Salt Lake City, Utah aho nandritry ny efa-bolana sy tapany. Nandeha niangona isan-kerinandro niaraka tamin’ny zanako vavy aho. Nanana fahatsapana izay tsy haiko faritana aho. Nandray ireo lesona niarahana tamin’ny Misiônera aho. Fantatro fa marina daholo izany. Niaina ny andro tsara indrindra teo amin’ny fiainako aho rehefa niditra tao amin’ny ranon’ny batisa ary noraisina ho mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tamin’ny 27 Jolay 2019.

Rehefa niditra tao amin’ilay efitrano aho mba horaisina ho mpikambana taorian’ny batisako dia nitomany ny olona rehetra. Ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia fanomezana lehibe avy amin’ny Raintsika any An-danitra. Taorian’ny nandraisana ahy ho mpikambana dia nahatsapa aho fa nisokatra ny lanitra ary niaraka teo izahay rehetra. Tao anatin’ny tsodranon’ny patriarika noraisiko taorian’izay dia nahazo fampanantenana manokana sy maharitra mandrakizay aho.

Marina ny Bokin’i Môrmôna. Amin’ny alalan’ny famakiana sy fivavahana momba izany no ahafahantsika mahazo fijoroana ho vavolombelona manokana momba izany. Ho fantatsika, amin’ny alalan’izany fijoroana ho vavolombelona izany, fa mpaminany i Joseph Smith ary tamin’ny alalany no namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy teto an-tany.