Liahona
Miresaka an’i Kristy isika
Martsa 2024


“Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, mar. 2024.

Ho an’ny ray aman-dreny

Miresaka an’i Kristy isika

Sary
Reny sy zanaka mipetraka eo an-databatra iray

Placeholder credit line

Ry ray aman-dreny malala,

Nampianatra ny olony i Nefia fa tena ilaina ny mametraka ny Tompo ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika. Nanoratra izy hoe: “Ary miresaka an’i Kristy isika, mifaly amin’i Kristy, mitory an’i Kristy, maminany ny amin’i Kristy, ary manoratra araka ny faminaniantsika mba hahafantaran’ny zanatsika ny loharano azony andrandraina ho famelana ny fahotany” (2 Nefia 25:26). Azonao atao ny mamerina mijery ireto lahatsoratra manaraka ireto miaraka amin’ny fianakavianao mba hampitodika azy ireo sy ny olon-kafa tianao ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy ho amin’ny fitarihany, ary ho amin’ireo fitsipika feno fahendrena izay hanampy antsika hikatsaka Azy ao anatin’ny tontolo iray misafotofoto sy maoderina.

Fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara

Natao ho an’ny rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy

Mila ny fanantenana sy ny fanavotana omen’ny filazantsara sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olon-drehetra. Iaraho midinika amin’ny fianakavianao ny fampianarana sasantsasany avy amin’ny lahatsoratry ny Loholona Jeffrey R. Holland mikasika ny fomba ahafahanao mitia sy mizara ary manasa olona iray handray sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny pejy 4).

Fitsipika feno fahendrena ho an’ny fampiasana ny haino vaky jery

Ny teknôlôjia sy ny haino vaky jery dia fitaovana manampy tokoa rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy. Avereno jerena ireo fitsipika arahina sasany ao amin’ny pejy 22 ary ifanakalozy hevitra ny fenitry ny fianakavianao momba ny fampiasana ny haino vaky jery. Ampiasao “fanontaniana hosaintsainina,” ka eritrereto ny zavatra izay mizotra tsara sy izay azo hatsaraina.

Manaraka ny Mpamonjy amim-pinoana

Ao amin’ny lahatsorany ao amin’ny pejy 40, ny Loholona Benjamin M. Z. Tai dia mizara fomba efatra anampian’ny Mpamonjy antsika. Rehefa avy mamerina mijery an’ireo miaraka amin’ny fianakavianao ianao dia resaho ny fomba nanampiana anao rehefa nanaraka ny Mpamonjy tamim-pinoana ianao.