Liahona
Inona no ampanantenain’i Jesoa Kristy izay tsy vitan’izao tontolo izao?
Martsa 2024


Inona no ampanantenain’i Jesoa Kristy izay tsy vitan’izao tontolo izao?,” Liahona, mar. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

2 Nefia 20–25

Inona no ampanantenain’i Jesoa Kristy izay tsy vitan’izao tontolo izao?

Sary
Eo ankavia, ny olona maneso sy manondro; eo ankavanana, ny olona mihaino an’i Jesoa mampianatra

Antsipiriany avy amin’ny Lehi’s Dream [Nofin’i Lehia], nataon’i Greg K. Olsen; sarin’i Jesoa mampianatra, nataon’i Justin Kunz

Na dia mety ho sarotra takarina aza ny tenin’i Isaia, dia ny zavatra iray mazava tsara dia ny hoe “Babylona … dia ho tahaka an’ i Sodoma sy i Gomora izay noravan’ Andriamanitra” (2 Nefia 23:19) fa “hofongorana kosa ny olon-dratsy” (jereo ny 2 Nefia 23:22). Nahoana no misy olona misafidy ny lalan’ny faharatsiana?

Ny fiainana any Babylona, ​​na ny fiainana amim-paharatsiana, dia mety ho manintona. Mety hampanantena fahafinaretan’izao tontolo izao i Babylona, ​​fa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy kosa dia mampanantena ny tena fifaliana sy fiadanana maharitra.

Jereo ato amin’ity tabilao ity ny fahasamihafana misy eo amin’ny fomba ambaran’izao tontolo izao fa tokony hiainantsika sy ny fomba hiainana araka ny ampianaran’i Jesoa Kristy antsika. Inona no fampanantenana omen’izao tontolo izao noho ny fanarahana ny fampianarany raha oharina amin’ireo fampanantenana atolotry ny Mpamonjy amin’ny fanarahana ny fampianarany?

Izao tontolo izao mampianatra hoe

Ny fampanantenan’izao tontolo izao

I Jesoa Kristy mampianatra hoe

Ny fampanantenan’i Jesoa Kristy

Manam-bonia tena ary miavonavona! (2 Nefia 23:11)

Manetre tena (3 Nefia 12:3)

Mireharehà (2 Nefia 24:11)

Aoka ho malemy fanahy (3 Nefia 12:5)

Tezera (2 Nefia 24:6)

Aoka ho mpampiavana (3 Nefia 12:9, 22–24)

Mikatsaha voninahitra ho anao manokana (2 Nefia 24:13–14)

Katsaho ny voninahitry ny Tompo (3 Nefia 12:16; 13:13, 33)

Tsy ho fongana miaraka amin’ny ratsy fanahy isika raha manaraka an’i Jesoa Kristy. Fa izao kosa, afaka matoky isika fa i Jesoa Kristy dia “hamindra fo amin’ny olo[ny]” (2 Nefia 23:22).