Liahona
Efa misy izao ny fisoratanao anarana mamaim-poana ho an’ny famandrihana gazetibokin’ny Fiangonana
Martsa 2024


“Efa misy izao ny fisoratanao anarana mamaim-poana ho an’ny famandrihana gazetibokin’ny Fiangonana,” Liahona, mar. 2024.

Efa misy izao ny fisoratanao anarana mamaim-poana ho an’ny famandrihana gazetibokin’ny Fiangonana

Sary
Vehivavy mijery gazetiboky

Ankehitriny dia afaka mahazo maimaim-poan ny gazetibokin’ny Fiangonana ny mpikambana manerana izao tontolo izao. Misorata anarana ho an’ny famandrihana isan-taona ho an’ny:

  • Ny Liahona (ho an’ny olon-dehibe).

  • Ny Ho zatovo mahery! (ho an’ireo izay 12–18 taona.)

  • Ny Namana (ho an’ny ankizy).

Nanazava ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tao anatin’ny fanambarana iray momba ity drafitra vaovao ity hoe: “Ny Fiangonana dia te-hanome fahafaha-misitraka bebe kokoa ny tenin’ireo mpaminany, ary faly izahay hanao ny tahadikan’ny gazetibokin’ny Fiangonana natao printy ho azo maimaim-poana” (1 aog. 2023, newsroom.ChurchofJesusChrist.org).

Ahoana no fomba hisoratana anarana amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana

  • Tsidiho ny MagazineSubscriptions.ChurchofJesusChrist.org.

  • Midira amin’ny fampiasana ny kaontinao ao amin’ny Fiangonana. (Raha toa ka tsy manana kaontin’ny Fiangonana ianao dia afaka misoratra anarana maimaim-poana ao amin’ny account.ChurchofJesusChrist.org.)

  • Tsindrio ny bokotra ho an’ny famandrihana eo akaikin’ny gazetibokinao na gazetiboky nosafidinao.

  • Ampidiro eo ny adiresy email anao sy ny fiteny tianao.

Ho tonga afaka roa volana eo ho eo ny laharana voalohany.

Amin’ny fomba ahoana no hisoratana anarana amin’ny email fampahatsiahivana isam-bolana

Raha aleonao mamaky ny gazetibokin’ny Fiangonana amin’ny endriny nomerika, dia afaka misoratra anarana ianao mba hahazoana fampahafantarana amin’ny email rehefa misy laharana vaovao ao amin’ny tranonkalan’ny Fiangonana sy ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile.