Liahona
Tenin’ny fahamarinana
Martsa 2024


“Tenin’ny fahamarinana,” Liahona, mar. 2024.

Fanehoana ny finoana

Tenin’ny fahamarinana

Nanam-panontaniana maro aho, saingy nanampy ahy hahita valiny ny fofombadiko sy ny Fiangonana.

Sary
Vehivavy sy lehilahy manao akanjon’ny batisa mijoro eo anoloan’ny sarin’ny Mpamonjy

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny mpanoratra

Nihalehibe tao amina kolontsaina tsy kristiana tany Taiwan aho, ka tsy notezaina ho mpivavaka. Nino an’ Andriamanitra aho, nefa tsy nahalala na inona na inona momba an’i Jesoa Kristy. Ny asako sy ny fiainana ara-tsosialy tototra be izay niaraka tamin’izany no fivavahako. Tafiditra anatin’izany ny fibobohana taoka sy ny fidorohana sigara. Mpiboboka kafe sy dite koa aho. Izany rehetra izany dia anisan’ny kolontsain’ny fandraharahana nataonay.

Lasa nahafantatra Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho tamin’ny alalan’ny fofombadiko sy ny fianakaviany. Amerikana i Chase. Nobeazina tao amin’ny Fiangonana izy ary nanao asa fitoriana, saingy tsy navitrika tamin’izany fotoana izany. Niomana hanao asa fitoriana anefa ny zanany lahimatoa, ary nanohana ny fanapahan-keviny i Chase.

Nandritry ny fihibohana noho ny COVID-19 dia nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tao an-tranon’ny ray aman-drenin’i Chase izahay, nijery ireo fampitana avy amin’ny trano fiangonan’izy ireo. Rehefa nifarana ireo lahateny dia nitsodrano ary nizara ilay mofo sy rano ny zanak’i Chase roa lahy.

Nanana fanontaniana maro aho. Namaly ny tsirairay tamin’izany tamim-paharetana ny fofombadiko. Iza moa i Jesoa? Inona ilay fahatsapana tao am-poko isaky ny nivory hanao fivoriam-piangonana izahay? Fahatsapana izay mbola tsy tsapako taloha izany. Naneho inona ilay mofo sy rano? Nahoana aho no nitomany rehefa nandray ny fanasan’ny Tompo aho? Inona ilay fiadanam-po tsapako?

Indray alina aho dia nahita tranonkala iray tamin’ny fitenin-drazako izay nanazava hoe iza i Jesoa ary nilaza momba ny fiainany izany. Ny ampitson’iny, dia nilaza tamin’ny renin’ny fofombadiko aho fa azoko hoe iza i Jesoa ary nino Azy aho.

Indray Alahady dia tonga tao an-trano ny eveka satria hanendry ny zandriny lahy ho mpisorona ny lahimatoan’i Chase. Rehefa nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ny rahalahiny ilay lahimatoa, dia tsy afaka nijanona nitomany aho. Nahatsapa fihetseham-po lehibe tao am-poko aho, tsy nahasakana ny ranomasoko aho. Taty aoriana dia nanazava ny fofombadiko fa nahatsapa ny Fanahy Masina aho ary nahatsapa izany koa izy.

Hitako fa niverina tamin’ilay fofombadiko ny fitiavany ny fiangonany. Tsy haiko hoe nahoana fa fantatro fa ny zavatra rehetra tsapako dia mifandray amin’ Andriamanitra sy amin’ny zavatra marina. Nahatsapa fitiavana tsy mbola tsapako hatrizay aho.

“Niantso an’ Andriamanitra aho”

Nifarana ny visa naha-mpizahatany ahy ary tsy maintsy niverina tany Taiwan aho. Nandritra ireo volana naha irery ahy taorian’ny fiverenako tany Taiwana, dia manina an’ireo zavatra tsapako aho. Nisy fotoana aho feno hakiviana sy haizina. Nanototra be ireo fihetseham-po ireo ka te hilavo lefona aho. Tsy tena nahay nivavaka aho, fa niantso an’ Andriamanitra aho ary nilaza Taminy izay rehetra tsapako sy eritreretiko. Nisy fahatsapana fiadanam-po tonga—ilay fahatsapana mitovy tamin’izay niainako fony aho nanatrika ny fotoam-pivavahana nataonay tao an-trano. Fantatro fa ny Fanahy Masina izany. Nampitony ahy Izy.

Taorian’izay dia nandefa misiônera hampianatra ahy ilay fofombadiko. Nolazaiko azy ireo fa efa fantatro fa marina ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny ary azoko izany fahatsapana ny Fanahy Masina izany. Nanahy anefa aho sao ho sarotra amiko ny hiala amin’ny sigara ary ny fisotroana kafe sy dite.

Nanomboka nandeha niangona aho, namaky ny Bokin’i Môrmôna ary nihaona tamin’ireo rahavavy misiônera intelo na inefatra isan-kerinandro. Nony farany dia nanampy ahy tsy hifoka sigara ary hisotro kafe sy dite ny Fanahy Masina.

Nanomboka nahita fiovana teo amiko isan-kerinandro ilay namako hatramin’ny fahazazana. Nasaiko hanatrika ny fihaonako tamin’ny misiônera izy. Rehefa nihaino izy dia nahatsapa ny Fanahy Masina ihany koa ary nahazo fijoroana ho vavolombelona. Rehefa nihena ny krizy COVID-19 dia afaka tonga tany Taiwan ihany ilay fofombadiko, izay mavitrika ato amin’ny Fiangonana ankehitriny. Nifanambady izahay, ary nataony batisa aho. Lasa olom-baovao aho.

Sary
Vondron’olona mijoro eo anoloan’ny sarin’ny Mpamonjy

Rahavavy Weiling Chen Canfield (Winnie) niaraka tamin’ireo rahavavy misiônera sy mpikambana ao amin’ny paroasy izay nampianatra sy nandray azy ho namana. “Mbola miresaka isan-kerinandro izahay ary miara-miasa amin’ny antsoko vaovao ato amin’ny Fiangonana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana,” hoy izy.

Nilaza ireo namako sy mpiara-miasa tamiko mandritry ny androm-piainako, anisan’izany ireo mpandraharaha tao amin’ny banky sy ny mpandraharaha ara-barotra sasany, fa hitan’izy ireo fa niova sy sambatra kokoa aho. Nasaiko ho hanatrika ny batisako izy ireo ka tonga izy ireo. Taorian’izay dia nilaza tamiko izy ireo fa nahatsapa zavatra mbola tsy tsapany mihitsy taloha.

Tsy matahotra ny hilaza amin’ny hafa ny zavatra fantatro sy tsapako momba an’i Jesoa Kristy aho—fa ny zavatra fantatro dia marina. Fantatro fa tsy azo hozongozonina ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Mahita an’izany ny hafa izay nahafantatra ahy nandritry ny androm-piainako. Ny fanajan’izy ireo ny finoako aza dia nanakana azy ireo tsy hifoka sy hisotro mandritry ny fivoriana fandraharahana sy ny sakafo hariva. Zavatra tsy mahazatra amin’ny kolontsain’ny fandraharahanay izany.

Sary
Vehivavy roa mijoro eo anoloan’ny trano fiangonana iray

Rahavavy Canfield miaraka amin’i Jin Hua, namana iray mandritry ny androm-piainany izay lasa liana tamin’ny Fiangonana noho ny fiovam-pon-dRahavavy Canfield.

Tsy matahotra ny hamela ny hafa hahita sy handre ary hahatsapa ny fijoroana ho vavolombelona ananako aho. Mino aho fa olona maro izay tsy mahafantatra ny fomba hahitana an’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy no hahatsapa ny zavatra tsapako rehefa mandre ny tenin’ny fahamarinana. Ho vonona mandrakariva aho hizara ireo teny nanova ny fiainako.