Liahona
Ahoana no ahafahan’ny maha-mpampihavana ahy hanampy ahy hanangona an’i Isiraely?
Martsa 2024


Ahoana no ahafahan’ny maha-mpampihavana ahy hanampy ahy hanangona an’i Isiraely?,” Liahona, mar. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

2 Nefia 28

Ahoana no ahafahan’ny maha-mpampihavana ahy hanampy ahy hanangona an’i Isiraely?

Hitan’i Nefia fa hifanditra ny olona amin’ny andro farany (jereo ny 2 Nefia 28:3–4, 20), saingy tsy fomban’ny Tompo ny fifandirana. Raha ny marina, mba hanangonana an’i Isiraely dia mila manana fomba “avo lenta sy masina kokoa”1 hifaneraserana amin’ny hafa isika.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Raha tena vonona tokoa ianao hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely sy hanorina fifandraisana izay haharitra mandrakizay, dia izao no fotoana hanesorana ny lolompo. Izao no fotoana hampitsaharana ny fiziriziriana amin’ny hoe rehefa tsy ny hevitrao no arahina dia aleo hijanona. Izao no fotoana hampitsaharana ny fanaovana zavatra izay mahatonga ny hafa hihafihafy noho ny fahatoharana sao tezitra ianao. Izao no fotoana handevenana ny fitaovam-piadianao. Raha toa ka feno faniratsirana sy fiampangana ny fitaovam-pitenenanao, dia izao no fotoana hanesorana izany. Hitsangana amin’ny maha-lehilahy na vehivavy ao amin’i Kristy izay matanjaka ara-panahy anao ianao.”2

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia tia ny zanak’ Andriamanitra rehetra na inona na inona fahasamihafana misy eo amin’izy ireo. Miezaka mampiasa ny fahasamihafantsika i Satana mba hampisara-bazana antsika, saingy amin’ny alalan’ny fisafidianana ny fiadanana fa tsy ny fifandirana dia mamorona tontolo mahay mandray ny hafa izay misarika ny olona ho amin’ny filazantsaran’ny Tompo naverina tamin’ny laoniny isika.

Diniho ireto toe-javatra manaraka ireto ary saintsaino ny fomba ahafahanao mamaly amim-pitiavana:

Sary
Olona mihazona famantarana ambony

Raha toa ianao ka mahatsiaro tena ho tia fatratra ny fomba fijery ara-politika iray, dia ahoana no ahafahanao manana fahatakarana bebe kokoa amin’ny resakao amin’ireo izay manana fomba fijery mifanohitra amin’izany?

Sary
Olona roa mipetraka mifanome lamosina

Raha tsy mifankahazo ny fianakavianao ianaoa, dia ahoana no ahafahanao mampisy tontolo feno fiadanana sy fitiavana ary fandraisana eo amin’izy ireo?

Sary
Lehilahy tezitra mijery solosaina

Raha toa ka tohina noho ny zavatra izay vakinao ao amin’ny tambajotra ifaneraserana ianao dia inona no azonao atao mba hisorohana ny fifamaliana?