Liahona
Miangavy anao, mba tsimbino ny ain’i neny
Martsa 2024


“Miangavy Anao, mba tsimbino ny ain’i neny,” Liahona, mar. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Miangavy anao, mba tsimbino ny ain’i neny

Natahotra aho rehefa nila fandidiana fo misokatra ny reniko, saingy nampianatra ahy hivavaka ny mpampianatra mahafatra-po iray tao amin’ny Kilonga.

Sary
Reny mampisakafo ny zanany vavy amin’ny lovia

I Christi Gerlach sy ny reniny

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Fony aho 10 taona, dia tratran’ny fijanonan’ny fo tampoka be ny reniko. Nitolona tamin’ny fahafatesana nandritry ny herinandro maro tany amin’ny hopitaly izy.

Nandritra izany fotoana izany dia tonga tao an-tranoko indray mandeha isan-kerinandro ny mpampianatro tao amin’ny Kilonga, Rahavavy Ellen Johnson, mba hijery ahy. Vao nanomboka nanatrika ny Kilonga aho ary voafetra ihany ny fahatakarako ny filazantsara. Isan-kerinandro Rahavavy Johnson dia nijoro ho vavolombelona tamiko ary niresaka momba ny vavaka. Nampianatra ahy izy fa raha mivavaka aho dia hamaly ny Ray any An-danitra.

Afaka herinandro maromaro, dia vao mainka niharatsy ny fahasalaman’i Neny. Efa simba ny valvan’ny fony ka nila fanamboarana. Nilaza ny dokoterany fa ho faty izy raha tsy hanaovana fandidiana fo tsy voasedra. Teo amin’ny 50/50 teo ho eo ihany anefa ny fahafahany ho sitrana.

Ny fandidiana fo misokatra dia zava-baovao sy nampidi-doza tamin’ny fiandohan’ny taona 1960. Nikasa ny handidy an’i neny misokatra avy eo amin’ny tratrany hatrany amin’ny taolan-damosiny ireo mpandidy ary avy eo dia hanasaraka ny haran-tratra mba hidirana ao amin’ny fony. Maro ny marary tsy tafavoaka velona tamin’ilay fandidiana. Tezitra aho ary natahotra ndraoho faty ny reniko.

Tamin’ny ankabeazan’ny fotoana dia tany am-piasana na tany amin’ny hopitaly foana niaraka tamin’i neny i Dada. Nikarakara ahy sy ny zandriko lahy i Pam zokiko vavy. Nahatsiaro ho manirery sy natahotra aho rehefa amin’ny alina, saingy nieritreritra ny zavatra nampianarin-dRahavavy Johnson ahy momba ny vavaka aho. Matetika aho no nandohalika teo akaikin’ny fandriako ary nitomany, nitalaho tamin’ny Ray any An-danitra mba hitsimbina ny ain’i neny.

Nandritry ny vavaka narahina tomany iray toy izany, dia nisy fiadanam-po lehibe tonga tamiko ary tsy nitomany intsony aho. Tsapako fa hilamina ny zava-drehetra. Nahazo toky aho fa ho velona ny reniko mba hahita ny fitomboako ka dia tsy mila manahy aho. Tsy naheno feo na nahita fahitana aho, fa nanana fahatsapana tony sy malefaka. Tsy nanana ahiahy momba ireo fahatsapana ireo aho. Namaly ny vavaka nataoko ny Ray any An-danitra, ary fantatro izany.

Sary
Tanana mikombona eo akaikina vaton-drojo mitahiry fahatsiarovana

Sary nataon’i Alex Nabaum

Tafavoaka velona tamin’ny fandidiana i neny. Nalemy sy narofy izy nandritry ny androatokom-piainany, saingy namaly ny vavaka nataoko ny Ray any An-danitra ary nitsimbina ny ainy. Nahita ahy nihalehibe sy nanambady ary niteraka izy.

Taona maro taty aoriana, rehefa lasa Apôstôly ny Filoha Russell M. Nelson dia nilaza tamiko i neny fa izy no mpandidy fo izay namonjy ny ainy. Nanoratra taratasy ho fisaorana azy aho. Rehefa namaly izy dia nisaotra ahy noho ny taratasiko ary niaiky ny fanampian’ Andriamanitra tamin’ny asany.