Liahona
Famindram-po lehibe 25 taona aty aoriana
Martsa 2024


“Famindram-po lehibe 25 taona aty aoriana,” Liahona, mar. 2024.

Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Famindram-po lehibe 25 taona aty aoriana

Feno fankasitrahana aho fa nampiasa taratasy adino iray Andriamanitra mba hanehoana ny famindram-pony.

Sary
Raim-pianakaviana sy ny zanany vavy eo amin’ny Riandranon’i Niagara

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny tompony

Raha nampianatra seminera vao maraina tany Eureka, Kalifornia, Etazonia aho dia nangataka an’ireo mpianatro mba hieritreritra ny tenan’izy ireo amin’ny 10 taona ho avy. Avy eo aho dia nangataka azy ireo hanoratra taratasy iray miaraka amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara sy izay zavatra hafa tiany hozaraina amin’izy ireo rehefa nahazo taona kokoa. Nolazaiko azy ireo fa halefako ireo taratasy rehefa afaka 10 taona.

Nandeha ny fotoana ary tsy nalefako mihitsy ireo taratasy. Indray andro, 25 taona taty aoriana, dia nahita an’ireo taratasy i Heidi zanako vavy ary nanontany momba azy ireo. Rehefa avy nanazava ny zavatra nokasaiko aho dia nitady ny adiresin’ireo mpianatro taloha izay nampiasa fitaovana ho an’ny tambazotra ifaneraserana izy.

Sary
Tanana iray manome valopy amin’ny tanana iray hafa

Sary nataon’i Alex Nabaum

Rehefa avy nandefa ireo taratasy izy, dia nahazo valiny tsara vitsivitsy izahay. Nanoratra ny iray tamin’ireo mpianatro seminera taloha hoe:

“Tiako ho fantatry ny dadanao fa misy antony matoa izao izy vao nahita an’ireo taratasy ireo. Nanana olana tamin’ny fijoroany ho vavolombelona ny zanako vavy izay 18 taona ary nahatsapa fa tsy natao ho azy ny hoe -zazavavy Olomasin’ny Andro Farany tonga lafatra-. Tsy nanana fomba fijery nitovy taminay izy. Tena mafy taminay izany.”

Ilay mpianatro taloha, izay tohina noho ny zavatra sasany nosoratan’ny zanany vavy vao haingana tao amina blaogy, dia nanampy hoe:

“Fantatro fa tsy maintsy niresaka taminy momba izany aho. Toy ny mahazatra, rehefa manao ireny fifanakalozan-kevitra ireny izahay, dia maneho tsy firaharahiana sy fanoherana mihitsy ny tavany, ary tsy niteny na inona na inona izy. Nomeko azy ilay taratasiko ary nilaza taminy aho fa tiako hovakiany izany.

“Hitako izy namerina namaky ny andiam-pehezan-teny voalohany imbetsaka. Nosoratako tao fa tsy fantatro raha toa ka nanana fijoroana ho vavolombelona aho, fa ny maha-Olomasin’ny Andro Farany tanteraka dia zavatra be loatra ary mety tsy natao ho ahy.

“Nanomboka nitomany ilay zanako vavy. Tiako ho fantany fa tena azoko tsara ireo olana nananany. Tsy ho nino an’izany velively izy raha tsy nisy an’ilay taratasy! Rava ny sasany tamin’ireo sakana ara-pihetseham-pony, ary tena tsapako ho toy ny famindram-po lehibe ny fotoana nahatongavan’io taratasy io. Raha toa ka efa azoko 10 taona lasa ilay izany dia mety ho nariako na very! Miangavy anao hisaotra ny dadanao noho ny nangatahany anay hanoratra an’ireo taratasy sy noho ny tsy nahitany ny toeran’izy ireo nandritra ireo taona rehetra ireo! Tsy misy zavatra kisendrasendra izany.”

Ny Raintsika any An-danitra be fitiavana dia manara-maso ny ondriny rehetra, ary amin’ny fotoany mahatalanjona dia afaka maneho famindram-po sy fahagagana lehibe amin’ny alalan’ny tsirairay amintsika Izy mba hamerenana indray ao amin’ny valan’ondry ireo izay nania.