Liahona
Ahoana no ahafahako mampiditra ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny fomba amam-panaoko amin’ny Paska?
Martsa 2024


Ahoana no ahafahako mampiditra ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny fomba amam-panaoko amin’ny Paska?,” Liahona, Mar. 2024.

Avia, hanaraka Ahy

Paska

Ahoana no ahafahako mampiditra ny Bokin’i Môrmôna ao amin’ny fomba amam-panaoko amin’ny Paska?

Sary
I Kristy niseho tany amin’ny Ila bolatany andrefana

Christ Appearing in the Western Hemispheren [I Kristy niseho tany amin’ny Ila bolatany Andrefana], nataon’i Arnold Friberg

Ny Bokin’i Môrmôna dia manome fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny fisian’ny Tompo nitsangana tamin’ny maty, dia i Jesoa Kristy. “Isika amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia nomena fanomezana tena miavaka amin’ny Paska … [dia ny] ny Bokin’i Môrmôna.”1

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa: “Ny antony lehibe indrindra ankalazantsika ny Krismasy dia noho ny Paska.”2 Sahala amin’ireo fianakaviana sasany izay mamaky na mamelona ny tantaran’ny Krismasy ao amin’ny Lioka 2 amin’ny fotoan’ny Krismasy, ny fianakavianao dia afaka mampiasa ny sahanasa nampiarahina mba hahatsiarovana ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty amin’ity Paska ity amin’ny fampiasana ny 3 Nefia 11:1–17. Ireo hira voatanisa dia mifandray amin’ireo andininy nofantenana, saingy azonao atao koa ny misafidy ireo hira tianao indrindra ao amin’ny fihirana momba an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa

Miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na samirery, dia vakio sy hirao ny momba an’i Jesoa Kristy tonga teo anivon’ny Nefita taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Hamaky

Hihaino na hihira

3 Nefia 11:1–7

This Is My Beloved Son,” andininy faha 2, Children’s Songbook, 76.

3 Nefia 11:8–15

Moa ve Jesoa nitsangana,” Bokin-kiran’ny ankizy, 45.

3 Nefia 11:16–17

Easter Hosanna,” Children’s Songbook, 68–69.