Liahona
Manana anjara toerana ianao
Martsa 2024


“Manana anjara toerana ianao,” Liahona, mar. 2024.

Tanora

Manana anjara toerana ianao

Afaka mahita ny fahatsapantsika ho manana anjara toerana isika rehefa mampivelatra fifandraisana manan-danja amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sary
Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy maninjitra ny sandriny miarahaba ny olona manodidina azy ireo

Antsipiriany avy tamin’ny Glory in Degrees [Voninahitra araka ny Ambaratonga], nataon’i Annie Henrie Nader

Ny tsirairay amintsika dia teraka niaraka tamina filana ao anaty mba hanana anjara toerana. Maniry ho azy an’ilay fananana anjara toerana ao amin’ireo fikambanana amin’ny fianakaviantsika sy ny namantsika mbamin’ny mpiara-miasa amintsika sy ny paroasintsika ary ny olon-kafa eo amin’ny fiainantsika isika. Toa manana ireo faniriana avy any an-danitra ny hanana anjara toerana lalina sy maharitra ny fontsika.

Izaho sy ianao dia tao—ary mbola ao—anatina fianakaviana mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra, ela be talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany. Ny soratra masina dia mamaritra antsika ho “vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ny tany” (Hebreo 11:13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:13). Rehefa nandao ny fonenantsika any an-danitra ka tonga ao amina tontolo iray feno fisafotofotoana sy fanirery ary ratram-po isika dia mety hanana fahatsapana ho toy ny ireny mpirenireny ireny, manina ny ankononantsika sy fifandraisantsika mandrakizay.

Raha toa ianao ka efa nahatsapa ho te hiverina any an-danitra, dia angamba satria ny tena fonenantsika sy ny maha-izy antsika marina dia mifamatotra amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika, Jesoa Kristy. Izany no maha-zava-dehibe ny fananana fifandraisana lalim-paka amin’IzyIireo. Rehefa mifandray amin’Izy Ireo isika amin’ny alalan’ny fifandraisantsika ao anatin’ny fanekempihavanana dia hahita ny tena fahatsapana ny fananana anjara toerana izay irin’ny fanahintsika.

Ilay fifandraisantsika mifono fanekempihavanana amin’ Andriamanitra

Ny zavatra ataontsika sy ny eritreritsika dia maneho ny fifandraisana izay sarobidy amintsika. Toy izany koa ny fifandraisantsika ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy.

Rehefa manome lanja ny fifandraisantsika ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miova ny zava-drehetra. Raha tokony ho voataonan’izao tontolo izao isika dia lasa voataonany ary lasa tahaka Azy bebe kokoa. Manomboka misy dikany bebe kokoa ny fiainantsika ary misy fitoniana sy hery ara-panahy. Tampoka teo, ny “fananana anjara toerana” dia mihoatra ny fiheverantsika araka ny fahatakaran’olombelona ny dikan’ny hoe “manana anjara toerana.”

Rehefa atao laharam-pahamehana izany fifandraisana ao anatin’ny fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izany dia tsy hanan-kery intsony ireo fandrebirebena tsy misy dikany eo amin’izao tontolo izao ary hahita fiadananm-po sy anjara toerana manokana isika. Ao amina tontolo iray izay matetika tsy manome zavatra maimaim-poana, ny Raintsika any An-danitra dia manolotra amim-pitiavana ny fitahian’ny fanekempihavanany na inona na inona toerana misy antsika eto amin’ity izao tontolo izao ity (jereo ny 2 Nefia 9:50–51).

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra tamin’ny fomba kanto fa “rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra isika dia miala mandrakizay amin’ny tsy fiandaniana. Andriamanitra dia tsy hanary ny fifandraisany amin’ireo izay nikolokolo fifamatorana toy izany Taminy. Raha ny marina, ireo rehetra izay nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra dia afaka mahazo karazana fitiavana sy famindram-po manokana. ”1

Isika no mamaritra raha toa ka hanana fifandraisana akaiky amin’ Andriamanitra isika—tsy miova mandrakariva Izy amintsika, saingy tsy maintsy misafidy ny tsy hiovaova Aminy isika. Ary izany safidy masina izany dia sady manome hery no manafaka! Io safidy io dia manafaka antsika amin’ny fiheveran-diso momba ny maha-izy antsika sy amin’ireo rojo mametra avy amin’ireo fiandrandrana zavatra araka an’izao tontolo izao.

Ary rehefa hitantsika izany fananana anjara toerana ao amin’ny Raintsika any An-danitra izany dia afaka mijery ivelany sy mahita ny hafa tahaka ny fahitany azy ireo isika. Rehefa takatro ny fahatsapana ananany momba ahy dia takatro tsara kokoa ny fahatsapana ananany momba anao, ary lasa matanjaka kokoa ny fahafahako sy ny faniriako hanolo-tanana sy hanangona ny hafa.

Sary
Tempolin’i Nauvoo amin’ny filentehan’ny masoandro

Sarin’ny Tempolin’i Nauvoo amin’ny filentehan’ny masoandro, nataon’i Max D. Weaver

Manokatra fitahiana ireo fanekempihavanana

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia maniry antsika hanao fanekempihavanana amin’Izy Ireo mba hahafahan’Izy Ireo mitahy antsika amin’ny fomba ilaintsika sy hanova antsika amin’ny fomba izay ahafahantsika miverina eo anatrehany.

Te hanasa anareo aho mba hankany any an-tranon’ny Tompo matetika araka izay tratranareo. Rehefa manolo-tena ny hankany matetika sy an-tsitrapo aho dia mahazo fanamaivanana amin’izao tontolo izao, ary misandratra ny eritreritro sy ny toetrako.

Amin’ny alalan’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika dia mahazo ny herin’ny fisoronana izay manokatra ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainantsika isika. Ireo fitahiana ireo dia ahitana ny fahasitranana, ny fitarihana, ny fiarovana, ny fanampiana, ny hery, ny fiadanam-po, fomba fijery mahita lavitra ary ny fifaliana. Maniry ny hitahy antsika amin’ireo zavatra rehetra ireo ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fifandraisantsika ao anatin’ny fanekempihavanana.

Raha mbola tsy nandray ireo fitahian’ny tempoly ianao dia manasa anao aho handalina ireo fitahian’ny tempoly, ny herin’ny fisoronana, ny fanekempihavanana ary ny zavatra fikasan’ Andriamanitra ho anao. Aza mangataka andro amin’ny faahazoana ny fanamaivanany sy ny heriny ary ny fanampiany feno fitiavana.

Nilaza ny Filoha Nelson hoe:

“[Amporisihiko] ianareo tsy hiandry mandra-pahatongan’ny fanambadiana vao handray ny fanafiana masina ao an-tranon’ny Tompo. Atombohy dieny izao ny fianarana sy ny fiainana ny dikan’ny hoe mitondra ny herin’ny fisoronana ho fiadiana.

“Ary ho anareo tsirairay izay efa nanao fanekempihavanana tany amin’ny tempoly, miangavy anareo aho hikatsaka amim-bavaka sy tsy tapaka ny hahatakatra ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy. Handray fahamarinana ara-panahy fanampiny ianareo. Hianatra ny fomba hanokafana ny voaly manasaraka ny lanitra sy ny tany, sy ny fomba fangatahana ny fanampian’ny anjelin’ Andriamanitra, ary ny fomba tsaratsara kokoa mba handraisana fitarihana avy any an-danitra. Hanamafy orina sy hampatanjaka ny fototra ara-panahinareo ireo ezaka feno fahazotoana hanaovana toy izany.”2

Manana anjara toerana amin’ny alalan’ny fibebahana

Ny fibebahana tsy tapaka dia fomba iray hafa tsara sy mahery vaika mba hijanonana ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Matetika isika no manana fiheveran-diso fa raha toa ka mibebaka matetika isika dia midika izany fa lavitra Azy Ireo. Ny mifanohitra amin’izany anefa no marina.

Ny fibebahana dia tsy manalavitra anao amin’Izy Ireo—mampanakaiky anao kokoa Amin’Izy ireo izany!

Afaka mahita fiombonana bebe kokoa sy fifandraisana lalina kokoa amin’Izy Ireo ianao amin’ny alalan’ny ezaka ataonao mba hitodika any amin’Izy Ireo mba hahazoana fanampiana sy hahazo famelan-keloka.

Isika tsirairay avy dia mety hahatsapa ho lavitry ny fahatanterahana noho izay iriantsika, saingy heveriko fa tsy miraharaha firy izany ny Ray any An-danitra fa miraharaha kokoa ny faniriantsika sy ireo ezaka ataontsika mba hiezaka indray toy izay. Tia antsika Izy, fantany izay halehantsika, ary hitarika antsika amim-pitiavana Izy.

Ny fanekena ny fahalementsika sy ny fahadisoantsika dia mitaky antsika ho marefo, kanefa amin’ny alalan’ny fibebahana dia manasa ny Ray any An-danitra isika mba hanakaiky an’io ampahany marefo ao amintsika io. Izany fifanakaikezana izany dia mamela Azy hanolotra ny fitiavany lehibe antsika sy hanome ny fanasitranana sy famelan-keloka ary fiarovana izay ilaintsika. Ao anatin’izany fifandraisana amin’ Andriamanitra izany no ampivelarantsika ny fitokisanaa sy ahitantsika fampaherezana ary anjara toerana marina.

Sary
Ny Fahariana

The Creation [Ny Fahariana], nataon’i Annie Henrie Nader

Mikatsaka fomba fijery ambony kokoa

Ny fomba fijerintsika dia afaka mandray anjara amin’ny fahatsapantsika ho manana anjara toerana ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo. Afaka misafidy ny fomba fijery izay hahatonga ny zavatra ataontsika manokana ho afaka manampy ny paroasintsika sy ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejin’ny loholona misy antsika ho lasa toerana feno fitiavana maha-te-hiombonana. Ny fikatsahana ny hanampy ny hafa hanana anjara toerana dia mampitombo ny fahatsapantsika manokana ho manana anjara toerana.

Satria zanak’ Andriamanitra ianao dia manana anjara toerana—na manao ahoana na manao ahoana ny fiheveran’ny hafa anao na ny mety ho fiheveranao ny tenanao. Ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray dia natao ho anao, ary manana anjara asa manan-danja ianao ao anatin’izany. Ianareo tsirairay avy dia manana fahafahana handray anjara amin’ny fomba miavaka sy hanana anjara toerana ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra, na inona na inona sata ara-panambadianareo, na fianarana norantovinareo na fiavianareo.

Ny eritreritra iray izay tonga tao an-tsaiko imbetsaka dia ny hoe ireo voambolana hoe “tanora tokan-tena,” “tanora olon-dehibe,” ary “olon-dehibe tokan-tena” dia tsy ny tena maha-izy anareo. Ireo dia voambolana ara-demografika izay manampy amin’ny famaritana ny taona sy ny sata ara-panambadiana, saingy tsy ampy hamaritana ny tena toetra marina sy ny tanjona ary ny fahafahana mivoatra mandrakizay izy ireo.

Ny petak’anarana na ny fampitahana dia mety hametra ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ny hasarobidintsika ary ny fahafahantsika mivoatra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Ny zava-misy dia hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ianao. Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ianao. Afaka mahazo ny herin’ny fisoronany ianao. Mpikambana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana na ny kôlejin’ny loholona ianao. Ianao, araka ny nampianarin’ny Filoha Nelson, dia zanak’ Andriamanitra, zanaky ny fanekempihavanana ary mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Voalohany indrindra dia izany tokoa ianao, ary izany no “hitarika anao mankany amin’ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialin’ Andriamanitra.”3

Naverina tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny mpaminany mbola tanora iray, dia i Joseph Smith izany. Zavatra mafonja hosaintsainina izany. Nankinin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’ny Mpaminany sy ireo mpiara-miasa taminy tamin’izany taona izany ny hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonana. Matoky anao koa Andriamanitra mba ho anisan’ity asa lehibe ity amin’izao andro farany izao.

Raha tianao ho fantatra hoe iza ianao ary raha toa ka tiana sy omena lanja ianao dia anontanio ny Rainao any An-danitra. Hilaza aminao hatrany ny marina momba anao Izy. Hanampy anao hahita ny tenanao tahaka ny fahitany anao Izy, dia olona manana fahaiza-manao sy fitiavana lehibe. Afaka mitari-dalana anao ho amina fahafaha-manao zavatra lehibe sy fivoarana izay zara raha takatry ny sainao Izy!

Enga anie isika rehetra mba hanana maso hahita ny tsirairay avy amintsika sy ny tenantsika, tsy amin’ny fijerena ny fahanterana na ny sata ara-panambadiana fa amin’ny alalan’ny firaisan-kinan’ireo mpitandrina fanekempihavanana, ireo mpianatr’i Jesoa Kristy, ireo namana, ireo rahalahy sy anabavy ary ireo zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra. Ary ao anatin’ireo anjara asa sy fifandraisana mandrakizay ireo dia hahita ny tena dikany ambony sy marina indrindra momba ny anjara toerantsika isika.