Liahona
Jakarta, Indônezia
Martsa 2024


“Jakarta, Indônezia,” Liahona, mar. 2024.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Jakarta, Indônezia

Sary
Sarintany misy faribolana manodidina an’i Indônezia
Sary
Lalana ao Jakarta

Tamin’ny 1970 ireo misiônera enina voalohany niditra tao Indonezia dia nanao batisa an’ireo mpikambana voalohany, nanangana ny vondrona mpiangona voalohany ary nanomboka ny dingana ho amin’ny fankatoavana ôfisialy Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nisy vondrona mpiangona maromaro niforona, ary nisy foiben’ny misiôna naorina tany Jakarta tamin’ny 1975. Ankehitriny, ny Fiangonana any Indônezia dia ahitana:

  • Mpikambana miisa 7560 (eo ho eo)

  • Tsatòka 2, paroasy sy sampana 24, ary misiôna 1

  • Tempoly anankiray izay vao nambara fa haorina (Jakarta)

Miomana handray ny tempoly

Nofehezina ho fianakaviana tao amin’ny Tempolin’i Manila Filipina tamin’ny 2010 ny fianakaviana Wintolos avy any Tangeranga, Indônezia. Hoy Rahavavy Wintolo hoe: “Endrey ny hafalianay rehefa nanambara ny mpaminany malalanay fa hisy tempoly aty Indônezia. Hanohy hivavaka sy hanomana ny tenanay amin’ny fisian’ny tranon’ny Tompo eto amin’ny firenenay izahay.”

Sary
Fianakaviana miara-mijoro

Sary nahazoana lalana avy tamin’ny fianakaviana Wintolo

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Indônezia

  • Ny fipoahana volkano tamin’ny 1815 tany Indônezia dia tena nandray anjara tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Nanazava ny Loholona Quentin L. Cook hoe:

  • Tanora iray avy any Indônezia “mizara” lesona momba ny fanantenana.

  • Talanjona tamin’ireo vehivavy be finoana any Indônezia i Linda K. Burton, ny Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany teo aloha.

  • Ity mpanoratra avy any Indônezia ity dia mizara famantarana 10 fa tena niova fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao.

  • Ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary ny Voahangy Lafo Vidy dia lasa nisy tamin’ny fiteny Indôneziana amin’ny endriny mitambatra tamin’ny 2010.

Sary
Misiônera miresaka amina lehilahy iray eny an-dalana

Misiônera miarahaba olona eny an-dalana.

Sary
Zazalahy ao amin’ny Kilonga mihira

Mivory mba hihira ny ankizy ao amin’ny Kilonga any Tangeranga, Indônezia.

Sary
Fianakaviana mivory eo ivelany

Fianakaviana iray mandany fotoana tsara iarahana any ivelany.

Sary
Zatovolahy mizara ny fanasan’ny Tompo amin’ny mpikambana

Manavao ny fanekempihavanan’ny batisa amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo ireo mpikambana any Tangeranga, Indônezia.