2021
Ilay hazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy fitiavana
Mey 2021


Ilay hazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy fitiavana

Mijoro ho vavolombelona aho fa mamiratra maneran-tany ankehitriny ilay fahazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy ny fitiavana.

Ilay fihirana kanton’ny Olomasin’ny Andro Farany hoe “Peuples du monde, écoutez donc!” dia tsy azo lavina fa maneho ilay fientanentanana sy haravoana ateraky ny fahafenoan’ny filazantsara mankany amin’izao tontolo izao. Ao amin’io fihirana io isika dia mihira hoe:

Ô ry firenena! Henoy ny feon’ny lanitra,

Aoka hifaly avokoa ny ambanilanitra!

Anjely maro no mihira mafy hoe:

Tafaverina indray ny fahamarinana, he!1

I Louis F. Mönch, izay nahazoana io tononkiram-pifaliana io dia olona niova fo alemàna izay nanoratra ireo tonony nentanim-panahy ireo fony izy nonina tany Suisse nandritra ny asa fitoriany nataony tany Eoraopa.2 Ny fifaliana miboiboika noho ny fahitana ny fiantraikan’ny Famerenana amin’ny laoniny meneran-tany dia voazava tsara ao amin’ireto tonon’ny fihirana ireto:

Nikaroka tanaty haizina, maro no nitomany,

Niandrandra ilay maraina ho tonga indray andro any.

Faly ny rehetra, f’ireo alina mangina no tapitra amin’izay.

Ny fahamarinana no tafaverina eto an-tany indray!3

Noho ny fiantombohan’ilay Famerenana amin’ny laoniny mitohy, 200 taona mahery kely izay, dia ilay “hazavan’ny filazantsara izay fahamarinana sy fitiavana”4 no mamirapirtra aoka izany maneran-tany ankehitriny. Nianatra ny Mpaminany Joseph tamin’ny 1820, ary an-tapitrisa fanampiny no nianatra nanomboka teo, fa Andriamanitra dia “manome malalaka ho an’ny olona rehetra sady tsy mandatsa.”5

Fotoana fohy taorian’ny nananganana ny Fiangonana tamin’ity fotoam-pitantanana farany ity dia niteny tamin’i Joseph Smith ny Tompo ary naneho ny fitiavany sesehena antsika raha nilaza hoe:

“Koa Izaho Tompo dia mahalala ny antambo izay hanjo ny mponin’ny tany, na niantso an’i Joseph Smith zananany mpanompoko sy niteny taminy avy any an-danitra ary nanome azy didy. …

“Mba ho azo aorina ny fanekempihavanako maharitra mandrakizay;

“Mba ho azon’ny malemy sy tsotra ambara hatrany amin’ny faran’izao tontolo izao ny fahafenoan’ny filazantsara.”6

Vantany vao voaray io fanambarana io dia nanomboka nisy misiônera nantsoina ka nalefa tany amin’ny firenena maro maneran-tany. Tsy misy hafa amin’izay tsinjon’i Nefia, nanomboka notoriana ilay hafatry ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny “[t]eo anivon’ny firenena, ny foko, sy ny samy hafa fiteny, ary ny mponina rehetra.”7

“Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia najoro ôfisialy tao amina tranohazo kely tany New York tamin’ny 1830.

“Nila 117 taona ny Fiangonana, ka hatramin’ny 1947, vao nahatratra iray tapitrisa ny mpikambana tao aminy, niainga tamin’ireo mpikambana 6 tany am-boalohany. Ireo misiônera no naneho ny maha-zava-dehibe ny Fiangonana nanomboka tamin’ny fotoana niandohany, izay nandeha niditra ny tanin’ireo Indiana Amerikana, tany Kanada, ary tamin’ny taona 1837 dia nandeha nihoatra lavitra ny kaontinantan’i Amerika Avaratra nankany Angletera. Ary tsy ela taorian’izay dia niasa tany amin’ny kaontinanta Eorôpeana hatrany alavitra be toy ny tany Inde sy ireo Nosy Pasifika ireo misiônera.

“Tratra ny isana mpikambana roa tapitrisa 16 taona monja taty aoriana, tamin’ny 1963, ary ny isa telo tapitrisa tao anatin’ny valo taona tao aorian’izay.”8

Raha nampivohitra ny fitomboan’ny Fiangonana haingana ny Filoha Russell M. Nelson vao tsy ela izay dia nilaza hoe: “Ankehitriny dia mandroso haingana dia haingana ny asan’ny Tompo ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Hanana ho avy tsy mbola nisy toy izany sy tsy manam-paharoa, ny Fiangonana.”9

Ny Famerenana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny laoniny ho amin’ny fahafenoany, sy ny fampijoroana ny Fiangonana velon’ny Tompo eto ambony tany indray, ary ny fitomboany miavaka nanomboka teo dia nahatonga ireo fitahiana entin’ny fisoronana ho azo atolotra maneran-tany. Ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masina izay mampifatotra antsika amin’ Andriamanitra ary mametraka antsika ho eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia maneho mazava “ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra.”10 Rehefa mandray anjara amin’ireny ôrdônansy masina ireny isika ho an’ireo velona sy ho an’ireo maty, dia manangona an’Isiraely avy amin’ireo lafiny roa amin’ny voaly ary manomana ny tany ho an’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Tamin’ny volana Aprily 1973, dia nanao dia avy tany Argentine tanindrazanay izaho sy ny ray aman-dreniko mba ho fehezina any amin’ny tempoly. Koa satria tsy nisy tempoly tany Amerika Latina manontolo tamin’izany, dia nandeha sidina 10.000 kilaometatra mandroso sy 10.000 kilaometatra miverina izahay mba ho fehezina any amin’ny Tempolin’i Salt Lake. Na dia roa taona monja aza aho tamin’izany ary tsy mahatadidy manontolo an’io traikefa manokana io, dia misy fahatsiarovana telo mazava tsara tamin’io dia io niraikitra tato an-tsaiko ary nitoetra mandraka ankehitriny.

Sary
Zavatra tazana avy eo amin’ny varavarankelin’ny fiaramanidina iray

Voalohany, tadidiko aho nomena toerana teo amin’ny varavarankelin’ilay fiaramanidina ary nahita ireo rahona fotsy avy eo ambany.

Ireo rahona kanto mamiratra ireo dia maharitra ato an-tsaiko tahaka ireny hoe bola vovòn-dandihazo goavambe ireny.

Ny fahatsiarovana iray hafa izay niraikitra tato an-tsaiko dia sarin’olona mampihomehy vitsivitsy tany amina toeram-pialam-boly tany amin’ny faritr’i Los Angeles. Sarotra adino ireo olona ireo.

Saingy manan-danja lavitra kokoa ity fahatsiarovana mamirapiratra sy tsy hay hadinoina ity:

Sary
Tempolin’i Salt Lake eo an-dalam-panamboarana

Tadidiko mazava tsara aho tao amin’ny efitrano masina iray tao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izay anatanterahana famehezana mpivady sy fianakaviana ho amin’izao fiainana izao sy ho mandrakizay. Tadidiko ilay alitara kanto dia kanto ao amin’ny tempoly ary tsaroako ilay hazavan’ny masoandro mamiratra avy amin’ireo varavarankely tao amin’ilay efitrano. Tsapako tamin’izany, ary mbola tsapako hatramin’izao, ilay hafanana sy fiarovana ary fampaherezana entin’ilay hazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy fitiavana.

Fahatsapana nitovy tamin’izany no nihamafy tato am-poko 20 taona taty aoriana, raha niditra ny tempoly aho hofehezina indray mandeha indray, fa tamin’ity indray mitoraka ity izao sy ny fofombadiko no nofehezina ho amin’izao fiainana izao sy ho mandrakizay. Tamin’ity anefa dia tsy nila nanao dia kilaometatra anarivony izahay, satria efa voaorina sy voatokana ny Tempolin’i Buenos Aires, Argentine, ary mandeha fiara vetivety avy eo an-tranonany dia tonga any.

Sary
Fianakaviana Walker

Roa amby roapolo taona taorian’ny nanambadianay sy ny namehezana anay dia nahazo tombotsoa izahay hiverina tany amin’io tempoly io ihany, saingy tamin’izay niaraka tamin’ny zanakavavinay tsara tarehy, ary nofehezina izahay ho fianakaviana amin’izao fiainana izao ary ho mandrakizay.

Rehefa nandinika an’ireo fotoana masina dia masina teo amin’ny fiainako ireo aho dia heniky ny fifaliana lalina sy maharitra. Nahatsapa aho, ary mbola mahatsapa hatrany ny fitiavan’ny Ray any An-danitra feno fangorahana, izay mahafantatra ny zavatra ilaintsika tsirairay sy ny faniriantsika ao am-po.

Raha niresaka momba ny fanangonana an’Isiraely amin’ny andro farany i Jehovah Tompo dia nilaza hoe: ‘‘Hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony, ary izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.”11 Velom-pankasitrahana mandrakizay aho fa mbola kely dia efa nanomboka voasokitra lalina tato am-poko ireo lalàn’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo ôrdônansy masina ao amin’ny tranony masina. Tena manan-danja ny fahafantarana fa Izy no Andriamanitsika, fa vahoakany isika, ary na inona na inona toe-javatra manodidina antsika, raha mahatoky isika ka mankato ireo fanekempihavanana izay nirotsahantsika, dia afaka ny ho “sakambininy mandrakizay amin’ny sandrim-pitiavany.”12

Nandritra ny fivorian’ny vehivavy tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2019 dia nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Ny ezaka rehetra ataontsika eo amin’ny fifanompoana, ny fitoriana ny filazantsara, ny fanatanterahana ny Olomasina, ary ny fanavotana ny maty dia samy mifandray ao amin’ny tempoly masina.”13

Ary koa, nandritra io fihaonambe io ihany, dia nampianatra ny Filoha Nelson hoe: “Mazava ho azy fa ny tempoly no ampahany manan-danja indrindra amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Manan-danja amin’ny fanomanana ny olona izay vonona ny handray ny Mpamonjy amin’ny Fiaviany fanindroany ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana masin’ny tempoly.”14

Nampiavaka ilay Famerenana amin’ny laoniny mitohy ny fanorenana sy fanokanana tempoly tamin’ny fomba haingana. Rehefa manangona avy amin’ny lafiny roa amin’ny voaly isika, rehefa mahafoy teny isika hanompo sy mametraka ny tempoly ho zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika, dia tena mampiorina antsika marina ny Tompo, ary manorina ny vahoakan’ny fanekempihavanany.

Akory ny voninahitra avy any ambony feno fahasoavana

An’ilay fahazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy ny fitiavana!

Mamiratra toy ny masoandro, iny tara-pahazavana iny

Manazava ny tany rehetra ankehitriny.15

Mijoro ho vavolombelona aho fa mamiratra maneran-tany ankehitriny ilay fahazavan’ny filazantsaran’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Mitranga ankehitriny ilay “asa lehibe sy mahatalanjona” nambaran’i Isaia mpaminany mialoha16 ary hitan’i Nefia17 amin’ny fomba haingana dia haingana, eny fa na dia amin’izao fotoan-tsarotra izao. Araka ny fanambarana feno faminaniana nataon’i Joseph Smith hoe: “Tafatsangana ilay Fanevan’ny Fahamarinana. Tsy misy tanana tsy masina afaka mahasakana ny asa tsy handroso … ambara-paha-tanteraka an’ireo tanjon’ Andriamanitra, ka hanambaran’ilay Jehovah Lehibe hoe vitan ny asa.”18

Ry rahalahy sy anabavy isany, enga anie isika hanam-piniavana sy hanapa-kevitra anio ny hirotsaka hiaraka amin’ny fianakaviantsika amin’ny fihainoana ny feon’ny lanitra, eny ny feon’ny Mpamonjintsika. Enga anie isika hanao sy hitandrina ireo fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izay hiaro antsika ho mafy orina eo amin’ilay lalana izay mampiverina antsika ho eo anatrehany, ary enga anie isika hifaly amin’ireo fitahiana entin’ilay fahazavana sy fahamarinana feno voninahitra izay an’ny filazantsarany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.