2021
Loholona Patricio M. Giuffra
Mey 2021


Loholona Patricio M. Giuffra

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Efa-taona ny Loholona Patricio M. Giuffra tamin’ny nahafatesan’ny rainy vokatry ny aretina homamiadana. Tamin’izy mbola kely dia lasa nanam-panontaniana momba an’ Andriamanitra ary nanontany tena hoe nahoana no tsy rariny ny fiainana.

“Vady sy ray ary mpamelona fianakaviana tsara ny raiko,” araka ny fahatsiarovan’ny Loholona Giuffra. “Nahoana izy no tsy maintsy maty?”

Tokony teo amin’ny folo taona taty aoriana no tonga ireo valim-panontaniana sy ny fahatakarana rehefa nihaona tamin’ny misiônera manompo amin’ny fotoana feno sy nanaiky ny filazantsara i Patricio sy ny reniny.

Ny drafitry ny famonjena dia nanome fanantenana azy satria nanampy azy hahatakatra ilay fahalasana tao amin’ny fianakaviany izany. “Nanomana ny lalana ho anay mba hahalasa anay ho mpikambana ato amin’ny Fiangonana ny dadako,” hoy izy.

Nanomboka tamin’ny batisany ka hatramin’izao dia nampiorim-paka ny fiainan’ny Loholona Giuffra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. “Ny Fiangonana no fiainako,” hoy izy. “Mahatsapa ho toy ny efa mpikamban’ny Fiangonana hatramin’izay aho.”

Fotoana miavaka no nitranga tamin’ny 1989 raha nofehezina tamin’ny ray aman-dreniny sy ireo mpiray tampo aminy efa nodimandry tao amin’ny tempolin’i Ogden Utah ny Loholona Giuffra. Taorian’ilay ôrdônansy dia nibitsibitsika ny reniny hoe, “Nahatsapa ny fanatrehan’ny dadanao aho.”

Teraka tao Valparaíso Chili, tamin’ny 6 aprily 1962, zanak’i Lazaro Dante Giuffra Riffo sy i Olga Rosa Vargas Canales i Patricio Mauricio Giuffra Vargas. Lehibe tao Valparaíso Chili izy, ary nanambady an’i Maria Eugenia Gonzalez Olmos tao amin’ny tempolin’i Santiago Chili tamin’ny 1992. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny Loholona Giuffra dia nahazo mari-pahaizana licence amin’ny haivarotra sy fandikan-teny an-tsoratra/am-bava tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 1990 ary maîtrise momba ny fitantanana orinasa avy ao BYU tamin’ny 1994.

Efa talen’ny famatsiana fitaovana tao amin’ny Woodgrain Millwork (1994–96), talen’ny varotra sy talen’ny fampandehanan-draharaha tao amin’ny Alvenius Chilena (1996–98), ary talen’ny Carbotech Chile (1998–99) sy ny Arcotex SA (2000 hatramin’izao) izy.

Nitory ny filazantsara tamin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Osorno Chili ny Loholona Giuffra, ary izy dia efa mpitantsoratra mpanatanteraky ny tsatòka, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny tsatòka, eveka, ary filohan’ny tsatòka. Mialoha ny antsony ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia Fitopololahin’ny Vondromparitra tao Amerika Atsimo izy.