2021
Loholona Paul V. Johnson
Mey 2021


Antso vaovao

Loholona Paul V. Johnson

Fiadidian’ny Fitopololahy

Anisan’ny lesona manan-danja nianaran’ny Loholona Paul V. Johnson avy amin’ireo taona maro niasany teo amin’ny sehatry ny fampianarana an’ny Fiangonana dia ny hoe mitana ny fampanantenana nomeny ho an’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany ny Tompo, na manao ahoana na manao ahoana olana eo amin’ny fiainana.

“Na dia miaina fiahiahiana aza isika eo amin’ny lafin-javatra sasany eo amin’ny fiainana dia manana fampanantenana izay azo antoka isika,” hoy izy vao tsy ela izay. “Tsy azontsika atao ny mamela ireo fiahiahiana sasantsasany hampihozongozona antsika amin’ireo fampanantenana azo antoka avy amin’ny Tompo.”1

Amin’izao fotoana izao ireo zanak’ Andriamanitra dia miatrika valanaretina miely maneran-tany, fampisaraham-bazana ara-piarahamonina, ary fiparitahan’ny tambajotran-tserasera be loatra. Rehefa miaina ny fanekempihavanana nataontsika anefa isika hoy ny Loholona Johnson dia manolotra fitarihana sy hery ary fampiononana ho antsika ny Tompo.

Ny 3 aprily 2021 teo, ny Loholona Johnson dia notohanana ho mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, ka hanomboka hisahana ny andraikiny vaovao izy ny 1 aogôsitra 2021. Ny Loholona Johnson no Tompon’andraikitra ambony tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana faha-16 nanomboka tamin’ny 2008 ka hatramin’ny 2015, ary niverina nisahana izany andraikitra izany indray izy tamin’ny 2019.

I Paul Vere Johnson dia teraka ny 24 jona 1954, tao Gainesville Floride, Etazonia, zanak’i Vere sy i Winefred Johnson. Taorian’ny nahalehibe azy tao Logan Utah, Etazonia dia nanompo tany amin’ny misiônan’i Oslo Norvège izy. Taorian’ny asa fitoriany nataony dia nanambady an’i Leslie Jill Washburn tao amin’ny tempolin’i Logan Utah izy tamin’ny 1976. Manan-janaka 9 sy zafikely 40 izy ireo.

Ny Loholona Johnson dia nahazo mari-pahaizana licence amin’ny haibiby/haizavamaniry tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 1978, maîtrise momba ny fampianarana tao BYU tamin’ny 1982, ary doctorat en technologie pédagogique tao amin’ny Oniversite Utah State tamin’ny 1989.

Nampianatra seminera nandritra ny 12 taona tao Arizona sy Utah izy talohan’ny niasany tamina toerana isan-karazany izay niompana tamin’ny famolavolana fandaharam-pianarana sy fitantanana tao amin’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana tao Salt Lake City.

Notohanana ho mpikambana ao amin’ny Kôlejy Voalohany ao amin’ny Fitopololahy ny Loholona Johnson tamin’ny 2 aprily 2005. Izy koa dia efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, eveka ary filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Paul V. Johnson, “Forward with Hope and Faith” (lahateny fanokafana, Oniversite Brigham Young–Hawaii, 11 des. 2020), speeches.byuh.edu.