2021
Mitondra firaisan-kina ireo hetsika virtoaly
Mey 2021


Mitondra firaisan-kina ireo hetsika virtoaly

Ireo hetsika virtoaly dia nitondra fahafahana maro ho an’ireo mpikambana ato amin’ny Fiangonana mba hahatsapa firaisan-kina amin’ireo tanjona ao amin’ny filazantsara sy ny fahatakarana izany.

Avy amin’ny namana mankany amin’ny namana

Io hetsika natokana ho an’ny ankizy sy ny ray aman-dreny ary ny mpitarika io izay notohanan’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany dia natolotry ny zazalahy iray sy zazavavy iray izay miteny amin’ny fiteny niaviany avy, dia ny teny Anglisy, Espaniôla, na Pôrtogey. Nisy koa ireo ankizy hafa nandray anjara avy lavitra manerana izao tontolo izao. Tao anatin’ilay hetsika dia nisy tantara amin’ny horonan-tsary momba an’i Jesoa Kristy, hafatra ho an’ny ankizy avy amin’ny Filoha Russell M. Nelson, resadresaka niarahana tamin’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fanekempihavanan’ny batisa, ary resadresaka nifanaovana tamin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany. Nisy ihany koa fampianarana manao sary, fanaovana zava-kanto, ary fihirana. Efa voadika amin’ny fiteny hafa ilay hetsika ary azo jerena amin’ny fiteny hafa fanampiny. Hatao amin’ny endrika horonan-tsary fohy ihany koa ny fizarana ao anatin’izany mba ho ampiasaina amin’ny fandalinana ao an-trano.

Fankalazana nataon’ny Zatovovavy

Ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany dia nanatontosa hetsika virtoaly izay nanamarika ny faha-150 taonan’ny rafitry ny Zatovovavy. Nampitaina tamin’ny fiteny miisa 11 izany. Ny Filoha Nelson dia nitondra hafatra izay efa noraketiny mialoha, ary ireo mpitarika ny Zatovovavy dia namaly fanontaniana tamin’ny teny Anglisy, Espaniôla, ary Pôrtogey. Zatovovavy avy any Norvège sy Tailandy no nanolotra ny vavaka. Tamin’ny 2020 dia namporisihana mba hahavita asa fanompoana miisa 150 ireo zatovovavy manerana izao tontolo izao.

RootsTech Connect

Mpankafy tantaram-pianakaviana iray tapitrisa mahery no nandray anjara tamin’ilay hetsika virtoaly RootsTech tamin’ny febroary 2021. Izany no isana mpandray anjara betsaka indrindra hatramin’izay amin’ilay fankalazana ny tantaram-pianakaviana goavana indrindra eto an-tany. Ny RootsTech dia nanamora ny fampivoarana ny amboaram-pahalalana virtoaly anankiray izay azo ampiasaina mandritra ny taona manontolo. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy i Patricia vadiny no vahiny mpandray fitenenana tamin’ny Andro Fianarana momba ny Fianakaviana, izay fanao isan-taona ao anatin’ilay hetsika.

Fetin’ny mozikan’ny zatovo

Ny fetin’ny mozikan’ny zatovo maneran-tany tamin’ny volana martsa dia nahitana talenta amin’ny mozika sy fijoroana ho vavolombelona. Zatovo avy any Nouvelle Zélande, Brésil, République Dominicaine, Allemagne, Afrika Atsimo ary Philippines no nanolotra ilay fandaharana, izay nifototra tamin’ilay fanevan’ny zatovo ato amin’ny Fiangonana ho an’ny taona 2021 hoe, “Asa lehibe” (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33–34). Ankoatra ny mozika sy ireo hafatra mifototra amin’i Kristy avy amin’ireo zatovo hafa dia nihaino ny Filoha Nelson; ny Filoha Bonnie H. Cordon, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany; ary ny Filoha Steven J. Lund, Filohan’ny Zatovolahy maneran-tany ihany koa ireo tanora.

Fahafahana azo araraotina ho an’ny vehivavy

Ny Filoha Jean B. Bingham, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany no mpandray fitenenana tamin’ny fihaonambe fahadimy fanao isan-taona tamin’ny andro iraisam-pirenenan’ny vehivavy misahana raharaham-bahiny. Io hetsika virtoaly notohanan’ny masoivohon’ny République du Sénégal io dia nivantana avy tao Los Angeles, Californie, Etazonia. Nilaza tamin’ireo mpandray anjara iraisam-pirenena izay nahitana mpitarika orinasa sy diplômaty ny Filoha Bingham fa ny fanabeazana no fototra iankinan’ny fahombiazan’ny vehivavy sy ankizivavy manerana izao tontolo izao. Nizara ohatrana vehivavy izay notahian’ilay fandaharan’ny Fiangonana hoe Mahay mamaky sy manoratra ao amin’ny Filazantsara izy.

Rindran-kira tamin’ny Krismasy

Ireo mpikamban’ny Fiangonana sy namana avy amin’ny finoana hafa maneran-tany dia nandefa ny horonan-tsarin’izy ireo mihira hiran’ny Krismasy izay namboarina ho lasa rindran-kira ary nampitaina tao amin’ny ChurchofJesusChrist.org nandritra ny vanim-potoan’ny Krismasy, ho isan’ilay hetsika amin’ny Krismasy fanao isan-taona hoe Hazavao izao tontolo izao.