2021
Loholona Sean Douglas
Mey 2021


Loholona Sean Douglas

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Fony izy misiônera tanora tao amin’ny misiônan’i Concepción Chili dia nanomboka ny asa fanompoany tany amin’ny faritra ambanivohitra i Sean Douglas. Ilay “mpiara-mitory taminy voalohany avy tao Chili izay sady mpanofana azy dia niteny Espaniôla haingana be.” Telo volana taty aoriana nipetrahana tao amin’ilay firenena ao Amerika Atsimo dia mbola nanana olana amin’ny fiteny Espaniôla ihany ny Loholona Douglas.

Lasa niteraka fisalasalana tao aminy ka dia nahatonga azy handohalika hivavaka mafy ny fahakiviana sy ny fanembonana te-hody. “Tsy mivoatra aho,” hoy ny tonom-bavaka nataony. “Toa tsy mitondra fiantraikany amin’ny na iza na iza aho.”

Heniky ny fanontaniana iray niredareda avy tao ambony ny fony: “Ho Ahy ve sa ho anao no maha-eto anao?”

Tamin’io fotoana io dia nanapa-kevitra niaraka tamin’ Andriamanitra izy ny hanadino ny tenany ary ny hiezaka hatrany foana “Ny alin’iny ihany izy dia nanonofy tamin’ny fiteny Espaniôla,” hoy izy.

Lasa mora kokoa ny zava-drehetra ny ampitson’iny. “Afaka niteny tsara kokoa aho. Afaka nahazo kokoa izay nolazaina aho,” hoy izy. “Ny fitoriako ny filazantsara dia nampitombo ny fijoroako ho vavolombelona momba ny herin’ny vavaka ary ny hoe rehefa mandeha sy manao ny zavatra andidian’ny Tompo anao ianao dia hanome fomba hahavitana izany foana Izy.”

Izany filôzôfia izany dia nitarika azy nandritra ny fiainany manontolo.

Teraka tamin’ny 1 mey 1964 tao Salt Lake City, Utah, zanak’i Barbara sy i Leo Douglas i Sean Douglas. Lehibe tao amin’ny faritra atsinanan’ny lemak’i Salt Lake izy; nanambady an’i Patricia Ann Dickson, izay olon-tiany fony izy ireo tany amin’ny lisea, tao amin’ny tempolin’i Salt Lake tamin’ny jona 1985 izy. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny Loholona Douglas dia nahazo mari-pahaizana momba ny comptabilité tao amin’ny Oniversiten’i Utah, ary mpanao fanamarinam-bola no asany talohan’ny niasany tao amin’ny Huntsman Corporation nandritra ny telopolo taona, ka taty aoriana dia lasa izy no filoha lefitra mpanantanteraka ary tale ara-bolan’izany orinasa izany.

Ny finoany sy ny fahatokiany ny Tompo, izay nihalalim-paka nandritra ny fahatanorany sy ny asa fitoriana nataony, dia nitarika azy nandritra ireo fotoana nifindrany noho ny lafiny arak’asa tany Angletera, izay toerana naha-eveka tanora azy, ary tany Houston Texas. Filohan’ny misiônan’i Lima Atsimo, Pérou izy nanomboka tamin’ny 2012 hatramin’ny 2015. Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Douglas talohan’ity antsony vao haingana ity.