2021
Mitohy hatrany ny fivoaran’ny tempoly
Mey 2021


Vaovaom-piangonana

Mitohy hatrany ny fivoaran’ny tempoly

Tao anatin’ny lahateny famaranana nataony tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, ny Filoha Russell M. Nelson dia nanambara ny fikasana hanorina tempoly vaovao miisa 20 manerana an’izao tontolo izao (jereo ao amin’ny pejy 127). Ny isana tempoly maro indrindra niara-nambara indray mandeha teo aloha dia ireo tempoly 12 nambaran’ny Filoha Nelson tamin’ny ôktôbra 2018.

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nanambara fikasana hanamboatra tempoly niisa 32 vaovao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany tamin’ny aprily 1998 saingy tsy nitanisa tsirairay ireo toerana izy.

Hatramin’ny nahalasa Filohan’ny Fiangonana azy tamin’ny 2018 dia nanambara fananganana tempoly niisa 69 ny Filoha Nelson. Nanambara tempoly niisa 19 izy tamin’io taona io, 16 tamin’ny 2019, ary 14 tamin’ny 2020. Miisa 43 ankehitriny ny tempoly eo an-dalam-panamboarana na eo an-dalam-panavaozana, ary na dia teo aza ny valanaretina dia tempoly vaovao miisa 21 no nohadiana fototra tamin’ny taona 2020. Ankehitriny ny Fiangonana dia manana tempoly efa nambara, eo an-dalam-panamboarana, na am-perinasa miisa 251.

Ankoatra ny fanambarana tempoly, ny Filoha Nelson dia nanoritsoritra ireo dingana efatra amin’ny fanokafana indray ireo tempoly arakaraka ny fihenan’ny valanaretina.