2021
Loholona S. Mark Palmer
Mey 2021


Loholona S. Mark Palmer

Fiadidian’ny Fitopololahy

Ny Loholona S. Mark Palmer dia ho feno fankasitrahana mandrakizay noho ny fifaliana sy fanantenana avy amin’ny fanompoana sy ny ôrdônansy atao any amin’ny tempoly. Ny antso hanompo isan-kerinandro ao amin’ny tempolin’i Dallas Texas niaraka tamin’i Jacqueline vadiny, nandritra ny iray tamin’ireo fotoana naha-be atao azy ireo indrindra teo amin’ny fiainan’izy ireo no nanampy ny Loholona Palmer hametraka izay ho laharampahamehana aminy. Ny fanompoana tany amin’ny tempoly dia nampianatra azy hahafoy tena, hanao drafitra sy handanjalanja ary nanampy azy hahatsiaro ny fanekempihavanana nataony ary ho lasa vady sy ray tsara kokoa. Ny fanompoana tany amin’ny tempoly dia nampahatsiahy azy ny maha-mandrakizay ny fianakaviana sy ny fihaonana feno fifaliana amin’ny ho avy amin’ireo olona lalaina efa nodimandry, ka tafiditra ao anatin’izany ny anabaviny iray izay maty fony izy herintaona.

Ny fanompoana any amin’ny tempoly ihany koa dia nanampy ny Loholona Palmer hiomana ara-panahy ho amin’ireo antso ao amin’ny fisoronana aty aoriana, ka tafiditra ao anatin’izany ny hoe mpikambana ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy. Ny Loholona Palmer izay notohanana tamin’ny 3 aprily 2021 dia hanomboka hisahana ny andraikiny vaovao ny 1 aogôsitra 2021.

Teraka tamin’ny 11 febroary 1956 tao Te Puke, Baie de l’Abondance, Nouvelle Zélande, zanak’i Kenneth sy i Jill Palmer i Stanley Mark Palmer. Niditra ho mpikamban’ny Fiangonana ny fianakaviany fony izy mbola zaza.

Taorian’ny nanaovana asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Wellington Nouvelle Zélande dia nahazo diplaoma licence momba ny varotra tao amin’ny Oniversiten’i Auckland tamin’ny 1979 izy, ary maîtrise amin’ny fitantanana orinasa tao amin’ny Oniversite Brigham Young tamin’ny 1982. Rehefa nipetraka tao Provo Utah, Etazonia izy dia nihaona tamin’ny misiônera iray vao avy nahavita asa fitoriana antsoina hoe Jacqueline Wood. Nivady tamin’ny 1981 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo. Manan-janaka 6 sy zafikely 16 ry Palmer.

Ny Loholona Palmer dia filohan’ny SMP Ventures, orinasa iray mpividy sy mpivarotra trano aman-tany naoriny tao Austin Texas, Etazonia. Efa eveka, filohan’ny tsatòka, filohan’ny misiônan’i Spokane Washington (2009–12) izy, sy filoha vonjimaikan’ny misiônan’i Sydney Atsimo Australie (2014), ary Fitopololahin’ny Vondromparitra.

Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 2 aprily 2016 izy, ary filohan’ny Vondromparitra Afrika Atsimo izy ankehitriny.