2021
Camille N. Johnson
Mey 2021


Camille N. Johnson

Filohan’ny Kilonga maneran-tany

I Camille N. Johnson dia nandany ny androm-piainany tamin’ny fandalinana teny, ny fikirakirana izany, ary ny fampiasana izany mba hanampiana ny olona hamaha olana nandritra ny 30 taona mahery naha-mpisolovava azy. Ary nahita fiadanana lehibe foana izy tao amin’ireo teny ao amin’ny soratra masina. Ireo olona ao amin’ny soratra masina dia raisiny ho toy ny namany lalainy indrindra.

Ary rehefa nifindra tany Amerika Atsimo mba hitarika ny misiônan’i Arequipa Pérou izy sy ny vadiny nanomboka tamin’ny 2016 ka hatramin’ny 2019, dia mbola nangetaheta teny izy. Tsy nianatra fiteny Espaniôla velively izy ka nivavaka mba ho afaka hifandray amin’ireo misiônera sy ny olona mba hahafahan’izy ireo mahatsapa ny fitiavany azy ireo sy ny fijoroany ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna.

“Natoky ny Tompo aho ary niantehitra tamin’ny Fanahy mba hampita ny fitiavako sy ny fijoroako ho vavolombelona rehefa tsy afaka nampiasa teny. Tena lesona tsara sy mahery vaika no nianarako -[tsy h]iankina amin’ny fahalala[ko] [Ohabolana 3:5] fa hiantehitra tanteraka kosa amin’ilay Mpamonjiko.”

Tao anatin’izany rehetra izany dia niverina nianatra indray ny fahamarinana tsotra iray ao amin’ny filazantsara izy: “Ny fitiavana ny Mpamonjy, ny fitiavana tahaka ny hitiavan’ny Mpamonjy, ary ny famelana ny fitiavana sy Sorompanavotan’i Jesoa Kristy hiasa eo amin’ny fiainantsika no manan-danja.”

Nahazo fitahiana afaka nitia ireo misiônera niisa 552 tao amin’ilay misiôna Rahavavy Johnson ary izao izy dia mahatsapa ny fiitaran’ny fony hitia ankizy iray tapitrisa izay andraiketiny.

“Ankamamiako ity fahafahana natolotra ity hianarana avy amin’ireo ankizy izay ahitana taratra ny fitiavana madion’i Jesoa Kristy,” hoy izy.

Teraka tamin’ny 12 septambra 1963 tao Pocatello Idaho, Etazonia, ary zanak’i Hal sy i Dorothy Neddo i Camille Neddo Johnson. Nanambady an’i Douglas R. Johnson tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 1987. Manan-janaka telo izy ireo. Nahavita fianarana fiteny Anglisy tao amin’ny Oniversiten’i Utah tamin’ny 1985 ary tao amin’ny Oniversiten’i Utah S. J. Quinney College of Law izy tamin’ny 1989.

Ny Rahavavy Johnson dia efa filohan’ny Zatovovavy teo anivon’ny paroasy, efa tao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana sy Kilonga teo anivon’ny paroasy, ary efa mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara.