2021
Amy A. Wright
Mey 2021


Amy A. Wright

Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga maneran-tany

Dimy taona lasa izay dia voamarina fa voan’ny homamiadana mahazo ny ovaire izay efa eo amin’ny dingana faha-4 ny Rahavavy Amy A. Wright. Ny hany fomba nahafahan’ny fianakaviany niatrika ilay fitsaboana nahery vaika natao taminy hoy izy dia tamin’ny alalan’ny fifantohana tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy.

“Rehefa izaho no nifantohana dia tena lasa maizina be ny fiainanay,” hoy izy nitantara. “Saingy rehefa nifantoka tamin’ny hafa aho, rehefa niezaka nanompo ny hafa sy nandeha tamin’ny lalana izay nandehanan’i Kristy dia nisy ny fahazavana sy ny fifaliana, na dia nandritra ny fanaintainana sy fijaliana faran’izay goavana aza.”

Nofaritan’ny Rahavavy Wright ho “zavatra niainana nanefy azy sy nanatsara azy” ilay adiny tamin’ny homamiadana, izay “natao manokana ho azy” mba hanampiana azy hahafantatra ny Mpamonjy lalindalina sy amin’ny fomba manokana kokoa. Nampianatra azy ihany koa izany fa ny tanjaka bebe kokoa dia tonga rehefa mikatsaka ny hahafantatra sy hahatakatra ireo olana samihafa mianjady amin’ny olana hafa.

“Samy mpanompo any amin’ny toerana samihafa ao amin’ny tanim-boaloboky ny Tompo amin’ny fotoana samihafa eo amin’ny fiainantsika isika. Saingy iray ihany ny tanim-boaloboka ary iray ihany ny Tompo,” hoy izy.

“Iray ihany koa ny fanantenantsika, dia ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana izany. Izany no irintsika ho an’ireo ankizy kely sarobidy rehetra ireo, dia mba ho isan’ny ao anatin’ny dian’izy ireo ny Mpamonjy ary mba hiverina hody any Aminy izy ireo.”

Teraka tamin’ny 6 janoary 1972 tao Salt Lake City Utah, Etazonia, zanak’i Robert sy i Joy Anderson, i Amy Eileen Anderson Wright. Nanambady an’i James McConkie Wright tamin’ny 1994 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka telo izy ireo.

Nahazo diplaoma licence momba ny fivelaran’ny olombelona sy ny fandalinana ny fianakaviana tao amin’ny Oniversiten’i Utah tamin’ny 1998 i Rahavavy Wright. Mpampianatra famakian-teny sy mpitantan-draharaha no asa efa nataony ary nilatsaka an-tsitrapo tao amina Fikambanan’ny Ray aman-dreny sy Mpampianatra izy. Vao tsy ela izy no nanampy ny toerana fikarakarana nify iray tamin’ny famarotana sy fanaovana dokam-barotra.

Mpikambana tao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Zatovovavy maneran-tany ny Rahavavy Wright, nanomboka tamin’ny 2018. Anisan’ny antsony teo aloha ny filohan’ny Kilonga teo anivon’ny tsatòka sy paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Kilonga teo anivon’ny paroasy, mpampianatra Fotopampianaran’ny Filazantsara, ary mpitarika ankizy skoto.