2021
Loholona Alvin F. Meredith III
Mey 2021


Loholona Alvin F. Meredith III

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Tamin’ny taona farany naha-tao amin’ny lisea an’i Alvin F. Meredith tao Tennessee Etazonia, dia lany ho atleta mendrika indrindra nandritra ny taona izy, izay fifidianana nataona vondrona mpianatra Kristianina sady atleta.

Fotoana fohy taorian’izay dia nampahafantatra azy ny mpanazatra azy fa nofoanan’ireo mpitarika an’ilay vondrona eo anivon’ny faritany ny fandreseny noho izy ireo tsy nandray Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ho finoana Kristianina.

Ilay mpanazatra, “izay lehilahy Kristianina tsara toetra,” dia nangataka ilay fikambanana handefa olona ao amin’ny sekoly mba hihaona amin’ilay tanora atleta. Tonga tao amin’ilay lisea ny solontenan’ilay fikambanana ary nanazava foto-kevitra ara-pivavahana niisa 10 izay tsapany fa manamarina ny nanafoanana ny fandresen’ilay atleta Olomasin’ny Andro Farany. Rehefa nahita Baiboly tao amin’ny kitapon’ilay lehilahy ny Loholona Meredith dia nanontany raha toa ka afaka miaraka mijery andinin-tsoratra masina vitsivitsy izy ireo.

“Nijery ny tsirairay tamin’ireo foto-kevitra niisa 10 ireo izahay ary nijery tao amin’ny Tantara sy Jakoba ary ny bokin’ny Apokalypsy sy Korintiana,” hoy ny Loholona Meredith. “Nosedraina ny finoako ary tao anatin’ny hamafin’izany fisedrana izany dia nampatanjahana ny finoako ary tsy nihozongozona velively.”

Teraka tao Chattanooga Tennessee, Etazonia, tamin’ny 22 jolay 1970, zanak’i Alvin sy i Mary Meredith i Alvin Frazier “Trip” Meredith III. Nanambady an’i Jennifer Denise Edgin tamin’ny 1998 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka enina izy ireo.

Nahazo mari-pahazaina licence en psychologie tao amin’ny Oniversite Brigham Young ny Loholona Meredith tamin’ny 1994, ary tao amin’ny Oniversiten’i Chicago no nahazoany mari-pahaizana maîtrise momba ny fitantanana orinasa tamin’ny 2001. Niasa ho an’ny GE Capital, Boston Consulting Group, ary Asurion izy.

Fony izy tanora dia misiônera tao amin’ny misiônan’i Utah Salt Lake City ny Loholona Meredith. Tamin’ny fotoana niantsoana azy ho Fitopololahy Manampahefana Ambony dia filohan’ny misiônan’i Utah Salt Lake City Atsimo izy. Efa Fitopololahin’ny Vondromparitra, filohan’ny tsatòka, mpanolotsaina ao amin’ny fiadidian’ny misiôna, eveka, ary mpampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady izy.