2021
Loholona Alfred Kyungu
Mey 2021


Loholona Alfred Kyungu

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Tamin’ny 1991 dia mpianatra 24 taona tao amin’ny Oniversiten’i Lubumbashi ao amin’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo i Alfred Kyungu, izay niara-nipetraka tamin’i Polydor Ngoy dadatoany. Indray andro ny dadatoany dia nilaza taminy ny amin’ny fotoana hifanaovana amina misiônera avy amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

“Ataovy izay maha-eo anao amin’izany fotoana tsara izany,” hoy ny dadatoany taminy.

Vetivety ihany izy sy ny dadatoany dia nihaona tsy tapaka tamina misiônera mpivady zokiolona avy any Utah. Tamin’ny voalohany dia nisalasala ihany i Alfred hiditra amina fivavahana vaovao sy vahiny. Taorian’ny enim-bolana nifanakalozana hevitra sy nahazoana valin’ny fanontaniana maro anefa dia natao batisa i Alfred sy ny dadatoany tamin’ny 21 septambra 1991.

Azo lazaina fa tsy mora ilay fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana. Nampiahiahy ny maro tao amin’ny fiarahamonina ny Fiangonana ary niahiahy ny maro sao mpisikidy na tsy tena Kristianina mihitsy ny Olomasin’ny Andro Farany. Soa ihany fa tsara fanahy sy tsara fandraisana ireo mpikambana tao amin’ilay sampana kely nisy azy ireo. Nahazo hery avy amin’ny “nampianarana azy ireo ireo fitsipika nampianarin’i Jesoa Kristy” ny Loholona Kyungu sy ny dadatoany.

Nanambady an’i Lucie Kabulo Malale tamin’ny 1998 ny Loholona Kyungu. Nofehezina tao amin’ny tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo izy ireo tamin’ny 2004. Manan-janaka roa vavy sy lahy iray izy ireo.

I Alfred Kyungu Kibamba dia teraka tao Kamina, Repoblika Demôkratikan’i Congo, tamin’ny 31 ôktôbra 1966, zanak’i Domitien Kyungu Nkimba sy i Celestine Ngoy Mbuyu.

Nahazo mari-pahaizana licence sy maîtrise en sciences humaines et relations internationales avy amin’ny Oniversiten’i Lubumbashi ny Loholona Kyungu. Nitana toerana samihafa tao anatin’ny governemantan’ny Repoblika Demôkratikan’i Congo izy sy tao amin’ny Fiangonana ka efa mpandrindra tao amin’ny seminera sy institiota ary talen’ny tantaram-pianakaviana.

Fitopololahin’ny Vondromparitra izy tamin’ny fotoana niantsoana azy, ary izy koa dia efa mpampianatra institiota, mpampianatra tao amin’ny Sekoly Alahady teo anivon’ny paroasy, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka, ary filohan’ny misiônan’i Mbuji-Mayi, Repoblika Demôkratikan’i Congo tamin’ny 2016 hatramin’ny 2019.