2021
Loholona Carlos G. Revillo Jr.
Mey 2021


Loholona Carlos G. Revillo Jr.

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Efa hatramin’ny mbola kely ny Loholona Carlos G. Revillo Jr. no naniry hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Rehefa tany amin’ny oniversite anefa dia nanapa-kevitra ny hampihemotra herintaona ny fanaovany asa fitoriana amin’ny fotoana feno izy mba hamitana ny fianarana génie chimique nataony izay maharitra dimy taona ary mba ho afaka amin’ireo fanadinana nasiônaly. Tafiditra tao anatin’ireo dimy voalohany izy tamin’ny fanadinana ary nahazo tolotr’asa maro avy amina orinasa iraisam-pirenena.

“Tamin’izany fotoana izany aho dia nanontany tena hoe, -Tena te hanao asa fitoriana ny filazantsara marina ve aho? Moa ve aho tena mahafantatra fa mpaminany marina i Joseph Smith ary marina ny Bokin’i Môrmôna?-” Hoy ny Loholona Revillo. “Nila nivavaka sy tena nandinika ny zavatra ninoako aho.”

Taty aoriana dia nahafantatra izy fa nivavaka sy nifady hanina ho azy ny reniny. Nilaza ny Loholona Revillo fa nikasika ny fony ny Fanahy.

“Lasa niredareda tanteraka ny fijoroako ho vavolombelona rehefa nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno aho,” hoy izy. “Ireo fitahiana rehetra ananako amin’izao dia vokatr’io fanapahan-kevitra manan-danja io.”

Teraka tao General Santos City, Philippines tamin’ny 8 nôvambra 1965, zanak’i Carlos G. Revillo Sr. sy i Amparo Revillo i Carlos Garcia Revillo Jr. Lehibe tao General Santos izy, dia nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Bacolod Philippines, ary nanambady an’i Marites Enriquez Fernando Revillo tao amin’ny tempolin’i Manille tamin’ny 1989. Manan-janaka efatra izy ireo.

Ny Loholona Revillo dia nahazo mari-pahaizana licence en génie chimique tao amin’ny Oniversiten’i Santo Tomas ao Manille tamin’ny 1986. Niasa nandritra ny 22 taona teo amina toeram-pitantanana isan-karazany ho an’i Procter & Gamble tao Philippines, sy tao amin’ny faritra Azia-Pasifika, ary tany amin’ny foibe maneran-tanin’ilay orinasa ao Etazonia izy. Efa talen’ny kalitao, ny fiarovana sakafo, ary ny raharaha ara-dalàna tao Azia ho an’ny Orinasa Kellogg izy.

Ny Loholona Revillo, izay talen’ny fifanampiana sy ny fizakan-tena an’ny Fiangonana tao Philippines tamin’ny fotoana niantsoana azy, dia efa eveka, filohan’ny tsatòka, mpampianatra seminera, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary filohan’ny misiônan’i Quezon City Philippines tamin’ny 2013 ka hatramin’ny 2016.