2021
Andraikitra vaovao: Mpanoro hevitra iraisam-pirenena ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra
Mey 2021


Andraikitra vaovao: Mpanoro hevitra iraisam-pirenena ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra

Ny Fiadidiana Voalohany dia nankatoa vao tsy ela ny andraikitra vaovao antsoina hoe mpanoro hevitra iraisam-pirenena ao amin’ny rafitra eo anivon’ny vondromparitra. Ny vehivavy mitana io andraikitra io dia hantsoina hanohana ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, Zatovovavy, ary Kilonga ao amin’ny vondromparitra onenany eto amin’izao tontolo izao. Izy ireo dia hanampy amin’ny fanomezana fanofanana sy fitarihana ho an’ireo mpitarika eo an-toerana any ivelan’ny Etazonia sy Kanadà.

Ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny Fiadidian’ny Fitopololahy, ary ireo Fiadidian’ny Vondromparitra no hanapaka ny filana mpanoro hevitra eo anivon’ny vondromparitra. Any amin’ireo faritra iantsoana azy ireo, ireo mpanoro hevitra mpilatsaka an-tsitrapo dia handray anjara ihany koa amin’ireo filankevitra ao amin’ny vondromparitra misy azy ireo, rehefa miara-miasa amin’ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny Fiangonana any amin’ny vondromparitra misy azy ireo avy izy ireo. Hanompo eo ambanin’ny fitarihan’ny Fiadidian’ny Vondromparitra mandritra ny telo ka hatramin’ny dimy taona izy ireo.