2021
Loholona Michael A. Dunn
Mey 2021


Loholona Michael A. Dunn

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’ny Loholona Michael A. Dunn tamin’izy mbola kely saingy rehefa nitaiza azy anefa ny reniny dia namboly finoana matanjaka sy soatoavina tena manan-danja tao aminy. Taorian’ny fianarana tao amina sekoly Episkôpaly iray tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, dia nafindra tao amina lisea tsy miankina iray izy, ka tao no nihaonany tamin’ireo mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany.

Rehefa nandray azy an-tanan-droa ireo namany vaovao sy ny ray aman-drenin’izy ireo dia naniry ny hianatra mikasika ny Fiangonana i Michael. Farany dia nanapa-kevitra ny hihaona amin’ireo misiônera izy ireo. Ny fampianaran’izy ireo momba Ny Andriamanitra sy ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith dia “nisy fiantraikany mahery vaika teo amiko” hoy izy.

Nahafantatra izy tamin’ny alalan’ny vavaka fa marina ny filazantsara ka dia natao batisa tamin’ny taona farany nianarany tao amin’ny lisea. Nanomboka tamin’izay dia “nampianarina mpitarika mahavariana maro” ny Loholona Dunn.

Ankasitrahany koa ny fitsimbinan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy nandritra ny fiainany manontolo. “Mpino aho,” hoy ny Loholona Dunn. “Fitahiana ho ahy ny ho vavolombelon’i Jesoa Kristy sy ny hitory ny fiainany, ny fahatsarany, ary ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny ankehitriny.”

Teraka tamin’ny 5 martsa 1958, zanak’i Patricia sy i James R. Dunn tao Tucson, Arizona, Etazonia i Michael Austin Dunn. Lehibe tao Salt Lake City izy. Taorian’ny nanaovany asa fitoriana tamin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Honolulu Hawaii dia nanambady an’i Linda Virginia Poulson tamin’ny 1980 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy. Manan-janaka telo izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence momba ny serasera faobe tamin’ny 1981 ary mari-pahaizana maîtrise momba ny serasera tamin’ny 2008, samy tao amin’ny Oniversiten’i Utah ny Loholona Dunn. Efa tale jeneralin’ny KUED (PBS Utah) izy, filohan’ny Dunn Communications Inc., ary ny vao tsy ela indrindra, dia tale mpitantana ny BYUtv sy ny BYU Radio.

Ny Loholona Dunn, izay Fitopololahin’ny Vondromparitra tamin’ny fotoana niantsoana azy, dia efa eveka, mpanolotsaina tao amin’ny episkôpà, filohan’ny tsatòka, filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, mpikambana tao amin’ny filankevitra avo, ary filohan’ny misiônan’i Johannesbourg Afrika Atsimo nanomboka tamin’ny 2014 ka hatramin’ny 2017.