2021
Mitondra ireo zavatra ilaina maneran-tany ireo gazetiboky
Mey 2021


Mitondra ireo zavatra ilaina maneran-tany ireo gazetiboky

Ireo gazetibokin’ny Fiangonana, izay vao nasiam-panamboarana mba ho gazetiboky telo mivoaka maneran-tany nanomboka tamin’ny janoary 2021 teo, dia mitondra hafatra “manan-danja sy tonga amin’ny fotoana ilana azy” avy amin’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana, hoy ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Ireo gazetiboky ho an’ny ankizy, ny zatovo, ary ny olon-dehibe dia “manana hery ara-panahy sy ara-potopampianarana,” hoy izy. Ireo lohahevitra dia manohana ny fandaharam-pianarana Avia, hanaraka Ahy sy zavatra manan-danja hafa.

“Ny gazetibokin’ny Fiangonana dia loharanom-pitaovana manan-danja hianarana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hahatsapana ho miombona ao amin’ny Fiangonany,” hoy ny Fiadidiana Voalohany tao anatin’ny taratasy iray nanambara ireo gazetiboky vaovao. “Ny fanirianay dia ny hisoratan’ny mpikambana na aiza na aiza anarana hanjifa ireo boky ireo sy handray an-tanan-droa izany mpitondra hery manohana ny finoana izany ao am-pony sy ao an-tokantranony.”

Amin’izao fotoana izao ny Liahona, ho an’ny olon-dehibe; ny Ho zatovo mahery!, ho an’ny zatovo; ary ny Namana, ho an’ny ankizy, dia manome fahafahana:

  • Ny fianakaviana any amina firenena miisa 150 hamandrika gazetiboky natokana manokana ho an’ny ankizy sy ny zatovo.

  • Ireo gazetiboky hivoaka matetika kokoa any amin’ny faritra sasany sy amin’ny fiteny sasany.

  • Ny mpikambana handray hafatra mitovy izay mampiray hina amin’ny alalan’ireo gazetiboky maneran-tany.

  • Ireo lahatsoratra ao amin’ny gazetiboky mba ho hita bebe kokoa na amin’ny endrika nomerika izany na amin’ny endrika vita printy.

Ireo mpitarika eo an-toerana dia amporisihana mba hanao izay hahazoan’ny mpikambana vaovao gazetiboky mandritra ny herintaona avy amin’ny famandrihana ka izany dia hifanaraka amin’ny taonan’izy ireo, ary hanome gazetiboky Namana na Ho zatovo mahery! avy amin’ny famandrihana ho an’ireo ankizy sy zatovo izay miangona nefa tsy miaraka amin’ny ray aman-dreniny.1