2021
Loholona Vaiangina Sikahema
Mey 2021


Loholona Vaiangina Sikahema

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Hatramin’ny fotoana nanombohan’i Vaiangina (Vai) Sikahema ho lasa nahasarika ny mason’ireo mpitady mpilalao mahay eo anivon’ny oniversite fony izy kintan’ny filalaovana baolina tao amin’ny liseany tao Arizona, USA, dia lasa fantatry ny besinimaro izy.

Tena sangany teo amin’ny filalaovana baolina izy tao amin’ny Oniversite Brigham Young, ka nifaninana teo amin’ny sehatra nasiônaly ho an’ny Cougars izy tamin’ny taona 1984. Mpilalao matihanina ho ana ekipa samihafa tao amin’ny National Football League izy ary voantso in-droa handray anjara tamin’ny lalao Pro Bowl talohan’ny naha-lasa mpilaza vaovao azy izay nahombiazany ihany koa.

Saingy tsy “mpilalao baolina” na “mpilaza vaovao amin’ny fahitalavitra” no tena maha-izy ity lehilahy manan-talenta izay 58 taona ity.

“Tsy mbola niantehitra tamin’ny naha-atleta matihanina ahy na ny maha-mpilaza vaovao ahy mihitsy aho,” hoy ny Loholona Sikahema, izay notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny 3 aprily 2021. “Voalohany indrindra dia zanakalahin’ Andriamanitra sy Olomasin’ny Andro Farany aho.”

Vady sy ray ary mpihazona ny fisoronana ihany koa izy, izay samy anjara asa mandrakizay avokoa.

Ny Loholona Sikahema, teraka tamin’ny 29 aogôsitra 1962, tao Nuku‘alofa, Tonga, zanak’i Sione sy i Ruby Sikahema, dia lehibe tao amina tokantrano izay nanome lanja ny fianakaviana sy ny finoana. Ny razambeny no anisan’ny olona voalohany lasa mpikamban’ny Fiangonana tao Tonga.

Rehefa lehibe tao Mesa Arizona, dia najanony aloha ny fiomanana mba ho lasa mpanao ady totohondry matihanina rehefa hitany fa nanana talenta tamin’ny filalaovana baolina izy. Raha nanaiky vatsim-pianarana hilalao ho an’ny BYU izy dia tsy nikasa hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.

“Saingy voahodidina zatovolahy izay nanolo-tena lalina tamin’ny fiainana ny filazantsara aho ka naniry ny hitovy kokoa amin’izy ireo,” hoy ny Loholona Sikahema.

Tamin’ny 1982 dia naatony ny filalaovana baolina eo anivon’ny oniversite mba hitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Dakota Rapid City. Rehefa niverina tao BYU taorian’ny asa fitoriana nataony izy dia nihaona tamin’i Keala Heder izay teraka tao Hawaii. Nivady tao amin’ny tempolin’i Mesa Arizona izy ireo tamin’ny 1984. Ry Sikahema mivady dia manan-janaka efatra.

Talohan’ny naha-lasa Manampahefana Ambony azy dia efa filohan’ny Zatovolahy teo anivon’ny paroasy, eveka, talem-paritry ny serasera, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny misiôna, filohan’ny tsatòka, ary Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Sikahema.