2021
Zavatra vaovao takina mikasika ny fahavitana fianarana seminera
Mey 2021


Zavatra vaovao takina mikasika ny fahavitana fianarana seminera

Mba hanohanana ny fandalinana ny filazantsara ao an-tokantrano sy hamporisihana ny famakiana soratra masina isan’andro dia nasiam-panovana ny zavatra takina amin’ny fahavitana fianarana seminera. Manomboka izao, mandritra ireo efa-taona ianarana dia tsy hanao tatitra intsony ny mpianatra raha toa ka nahavita ny famakiana na tsia ny bokin’ny soratra masina (Testamenta Taloha, Testamenta Vaovao, Bokin’i Môrmôna, Fotopampianarana sy Fanekempihavanana ary Voahangy Lafo Vidy); fa hanao tatitra kosa izy ireo raha toa namaky soratra masina isan’andro nandritra ny 75 isan-jaton’ny fotoana farafahakeliny.

Izany dia hampiala amin’ny fifantohana amin’ny fanisiana marika ny zavatra ilaina vitaina mba ho amin’ny fanorenana fahazarana tsara amin’ny maha-mpianatry ny Tompo izay hitahy ny mpianatra mandritra ny fiainany manontolo. Izany ihany koa dia hamela ny seminera, izay nasiam-panovana mba hifanaraka amin’ny tetiandro famakiana mandritra ny 12 volana natolotra ho an’ny Avia, hanaraka Ahy, hiara-hiasa amin’ireo rafitra rehetra ato amin’ny Fiangonana mba hanohana ny fandalinana ny filazantsara izay mifantoka amin’ny tokantrano sy tohanan’ny Fiangonana.1

Anisan’ny zavatra takina fanampiny amin’ny fahavitana ny fianarana seminera ny fanatrehana 75 isan-jaton’ny fotoam-pianarana ary ny fahavitana ny fitsapam-pahaizana ka mahazo isa 75 isan-jato na ambony kokoa noho izany. Ny mari-pankasitrahana ny fahatontosana, izay ekena kokoa any amin’ny faritra sasany dia nanolo ireo mari-pankasitrahana noho ny fanatrehana izay nampiasaina teo aloha.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 7–8.