2021
Loholona Clark G. Gilbert
Mey 2021


Loholona Clark G. Gilbert

Fitopololahy Manampahefana Ambony

Maro no mahafantatra ny Loholona Clark G. Gilbert ho filohan’ny BYU–Pathway Worldwide ary filoha teo alohan’ny Oniversite Brigham Young–Idaho. Maro ihany koa no mahafantatra azy amin’ireo zava-baovao nentiny teo amin’ny fampivoarana ny fianarana ambony en ligne tao amin’ireo rafitra ireo.

Ny Loholona Clark dia nankasitraka ilay asa fanompoana manan-danja nataony ho an’ny Fiangonana, izay nanampiany zatovolahy tao Boston, Massachusetts, Etazonia, satria nanomana azy ho amin’ny fisahanana andraikitra fampianarana olona maro kokoa izany. Izany fahafahana nanompo izany dia tonga tamin’izy sahirana tamin’ny famitana fianarana ambony sy ny fikarakarana ny ankohonany kely.

“Tsy dia nisy olona nanohana loatra ireo zatovolahy ireo. Lasa nanana toerana teo amin’ny fiainanay izy ireo ary nihanitombo ny fitiavanay azy ireo,” hoy izy. “Nianatra nihaino ny Tompo aho ary nahafantatra aho fa teo amin’ny fiainan’izy ireo Izy. Afaka naheno Azy niteny tamiko ny zavatra ilaina ataoko ho azy ireo aho.”

Niteny ny Loholona Gilbert fa ny Tompo dia nampianatra azy momba ireo zavatra ilain’ny olona hafa. “Tsy hoe nanomana ahy ho amin’ny fampianarana fotsiny ihany Izy fa nampiseho ahy ihany koa ny zavatra lalina sy manokana azony atao eo amin’ny fiainan’izy ireo.”

Teraka tao Oakland Californie, Etazonia tamin’ny 18 jona 1970, zanak’i Paul sy i Susan Gilbert i Clark Gordon Gilbert. Lehibe tao Phoenix Arizona, Etazonia izy. Taorian’ny nahavitany asa fitoriana amin’ny fotoana feno tao amin’ny misiônan’i Kobe Japana dia nanambady an’i Christine Calder tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy tamin’ny 1994 . Manan-janaka valo izy ireo.

Nahazo mari-pahaizana licence en relations internationales tao amin’ny Oniversite Brigham Young ny Loholona Gilbert tamin’ny 1994, sy mari-pahaizana maîtrise momba ny fianarana Aziatika tao amin’ny Oniversite Stanford tamin’ny 1995, ary doctorat momba ny fitantanana orinasa tao amin’ny Oniversite Harvard tamin’ny 2001. Efa profesora mpanampy tao amin’ny Harvard Business School, filoha lefitra akademika tao amin’ny BYU–Idaho, ary filoha sy talen’ny Deseret News sy ny Deseret Digital Media izy.

Fitopololahin’ny Vondromparitra izy tamin’ny fotoana niantsoana azy, ary ny Loholona Elder Gilbert koa dia efa filohan’ny kôlejy, mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny Zatovolahy sy tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka teo anivon’ny tsatòka, ary eveka.