2023
Ilay Fahazavan’izao tontolo izao
Janoary 2023


“Ilay Fahazavan’izao tontolo izao,” Liahona, Jan. 2023.

Tonga soa ato amin’ity laharana ity

Ilay Fahazavan’izao tontolo izao

Sary
sarin’i Jesoa Kristy

Sombiny avy amin’ny Focus on Joy (Mifantoha amin’ny fifaliana), nataon’i Michael T. Malm

Eo am-pandiavantsika ity fiainana an-tany ity dia mandalo fitsapana isika, anisan’izany ireo toe-javatra sarotra iainan’ny mpianakavy. Mety hahatonga antsika hahatsapa tena ho nilaozana, na matahotra, na ketraka ireny olana ireny. Raha mitodika any amin’ilay tena loharanom-pahazavana isika dia ho afaka ny hiatrika tsaratsara kokoa ireo toe-javatra sarotra manjo antsika.

Ao anatin’ity laharana ity ny Filoha M. Russell Ballard dia manoritra ireo fomba ahafahantsika mahita ny lalan-kizorantsika hanavatsavana ireo olana. Hoy izy hoe: “Ny fahazavan’[i Kristy] dia … manala ireo alok’izao tontolo izao tsy ho eo anivontsika sy tsy ho ao an-tsaintsika” (pejy 4).

Amin’ny maha mpanoro hevitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana ahy teo aloha dia niara-niasa tamina fianakaviana maro izay nisedra olana lehibe aho. Ireo fianakaviana izay naka fotoana isan’andro mba hamelana an’i Kristy ho eo amin’ny fiainan’izy ireo dia nahita fa nomba azy ireo ny fitarihan’ny Mpamonjy sy ny fitiavany teo am-piatrehan’izy ireo ireo olany. Zaraiko ao amin’ny lahatsoratra nosoratako ao amin’ny pejy 8 ny sasany amin’ireo tantara ireo.

Feno fankasitrahana aho noho ny fahafahana masina nananako, tamin’ny alalan’ny asako, nahitana ireo fianakaviana sy olona manokana niara-dia amin’ny Mpamonjy teo amin’ny lalana mitondra ho amin’ny fahatongavana ho vahoakan’i Ziona (jereo ny Mosesy 7:18). Nahita kely sombin’ny lanitra aho isaky ny mahita ny tanan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ny olona iray.

Amim-pankasitrahana,

Christy Monson