2023
Fifanakalozan-kevitra manan-danja ataon’ny mpianakavy
Janoary 2023


“Fifanakalozan-kevitra manan-danja ataon’ny mpianakavy,” Liahona, Jan. 2023.

Fifanakalozan-kevitra manan-danja ataon’ny mpianakavy

Ny fifanakalozan-kevitra manan-danja dia hanampy ireo zanatsika hahafantatra ny zavatra inoany sy ny antony inoany izany.

Sary
ray sy zanakalahy mihanika tendrombohitra

Sary nataon’i Noah Regan

Nangataka ny rainy ny zanakalahy iray mba hampianatra azy momba ny fihanihana tendrombohitra. Nampianarin’ilay ray ny zavatra manan-danja rehetra, tafiditra tao anatin’izany ny fanaovana drafitra, ny aro loza, sy ny fiomanana ary ny fitaovana. Nanontany ilay zanakalahy hoe rahoviana izy ireo no hiresaka momba ny zavatra tokony hatao raha sendra misy hamehana. Nilaza ilay ray fa tsy te hampitahotra ilay zanany lahy izy ka afaka miandry izany resaka izany mandra-pahatonga izany ho manan-danja.

Vitan’izy ireo ny fiofanany ary dia nandeha nanao ny fihanihan’izy ireo voalohany izy ireo tamin’ny alalan’ny fihanihana ny Mont Rainier eo akaikin’i Seattle, Washington. Niantomboka tsara ilay zavatra niainana sy ny toe-javatra rehetra mandra-piovan’ny toetrandro ho lasa ratsy, ka tsy ela akory izy ireo dia nahita mivantana fihotsahana ranomandry nananontanona.

Tsy fantatr’izy ireo izay hatao satria tsy niresaka momba izany izy ireo. Nanontanian’ilay zanakalahy ny rainy hoe: “Vonona ny amin’ilay resaka momba ny zavatra tokony hatao ao anatin’ny hamehana ve aho ry Dada?”

Ny fifanakalozan-kevitra manan-danja, ho fiarovana ny tokantranontsika amin’ny loza, dia afaka manampy antsika hiomana amin’ireo toe-javatra sarotra eo amin’ny fiainana.

“Ny fahamarinana lehibe indrindra manerana izao rehetra izao dia ny hoe Tia antsika Andriamanitra,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.1 Ny teniny dia mampahatsiahy antsika fa ny fitiavana no fototra ho an’ny mandrakizay rehetra sy ho an’ny fiainantsika andavanandro. Miaraka amin’izany fitiavana izany ho fototra iaingaina, ireo fifanakalozan-kevitra sy fifandraisana ataontsika amin’ny fianakaviantsika dia manan-danja.

Amin’ny maha vady, ray, sy mpanoro hevitra any am-pianarana ary mpanolotsaina matihanina momba ny fahasalamana ara-tsaina ahy dia hitako fa manan-danja lehibe ka tsy tokony ampiandrasina ny fifampiresahana eo amin’ny fianakaviana. Hoy i Joy D. Jones, Filohan’ny Kilonga maneran-tany teo aloha hoe: “Tsy afaka miandry izay hitrangan’ny fiovam-po eo amin’ny zanatsika fotsiny isika. … Ny fifanakalozan-kevitra manan-danja ataon’ny fianakaviana momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, … [dia] afaka manasa ny Fanahy.”2

Inona no atao hoe fifanakalozan-kevitra manan-danja?

Ny Rahavavy Jones dia namaritra ny fifanakalozan-kevitra manan-danja ho “tsotra sy feno fiahiana [izay] tsy vitan’ny hoe afaka mitarika ny zanaka [sy ny tsirairay avy amintsika] hahafantatra fotsiny ny zavatra inoany, fa ny manan-danja indrindra dia ny hahafantatra ny antony inoan’izy ireo izany.”3 Ny teny iray tiako avy amin’io famaritana io dia ny hoe tsotra. Tsy voatery ho lalina na sarotra na nalamina mialoha akory aza ny fifampiresahana ataontsika. Raha ny marina ny sasany amin’ireo fifanakalozan-kevitra tsara indrindra mety hataontsika dia tsy voalamina mialoha na oviana na oviana, ankoatra ny hoe miomana amin’ny alalan’ny fananana ny Fanahy miaraka amintsika mandrakariva mba hanampy antsika.

Nampianatra misimisy kokoa ny Rahavavy Jones avy eo hoe: “Ny fiovam-po kisendrasendra dia tsy fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Tsy hitranga ho azy fotsiny izany fahatongavana tahaka ny Mpamonjintsika izany.”4 Mitranga andalana anampy andalana izany, miaraka amin’ny fanomezana fotoana sy fanaovana ezaka amin’ny nahim-po.

Impiry no tokony hitrangan’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja?

Tokony hiresaka amin’ireo zanatsika isan’andro isika. Arakaraky ny hatetiky ny fanaovantsika fifanakalozan-kevitra manan-danja no mahatonga azy ireny ho tsotra sy mandeha ho azy ary manazava kokoa.

Ny fomba ratsy indrindra fanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja dia ny tsy fanaovana izany mihitsy! Matetika isika no mieritritreritra hoe tsy fotoany izao, sarotra be izany na tsy ho takatr’ireo zanatsika izany. Tsy te hanafintohina na hiteny zavatra diso na hanao izay tsy hampahazo aina olona isika. Kanefa ny fiezahana mba hanao fifanakalozan-kevitra farafaharatsiny dia tsara kokoa noho ny tsy miteny na inona na inona.

Ahoana no fomba hanaovantsika fifanakalozan-kevitra manan-danja amin’ireo zanatsika?

Ireo singa tsotra ilaina izay hitako mba hananana fifanakalozan-kevitra manan-danja dia ny fitiavana sy ny fihainoana ary ny fiovana. Na dia mety tsy tonga lafatra amin’izy ireo aza isika dia afaka ny miezaka ny hanaraka io lamina io tsy tapaka.

Fitiavana: Raha tsy misy ny fototra miorina amin’ny fitiavana sy ny fampiharana fitiavana dia tsy afaka ny hanana ilay fifanakalozan-kevitra manan-danja mahomby indrindra isika. Ny fitiavana no tokony ho zavatra manosika antsika amin’ny zavatra rehetra ataontsika ao amin’ny fianakaviantsika. Mila mahatsapa hoe tsy misy tokony hatahorana ireo zanatsika rehefa mifandray amintsika, ka ny fitiavana no mampisy izany tontolo manan-danja izany. Afaka maneho fitiavana foana isika. Nasehon’i Jesoa Kristy antsika ny fanaovana izany.

Hoy ny Rahavavy Jones: “Rehefa mikolokolo sy manomana ireo zanatsika isika dia mamela azy ireo hampiasa ny fahafahany misafidy, mitia azy ireo amin’ny fontsika rehetra, mampianatra azy ireo ny didin’ Andriamanitra sy ny fanomezam-pahasoavan’ny fibebahana avy Aminy, ary tsy milavo lefona amin’izy ireo na oviana na oviana isika. Sady moa ve tsy toy izany ihany no fomban’ny Tompo amintsika tsirairay avy?”5

Fihainoana: Nianatra tamin’ny alalan’ireo hadisoana nataoko aho fa ny fihainoana amin’ny nahim-po dia ampahany mafonja amin’izay mety ho fifanakalozan-kevitra manan-danja. Ny fihainoana no tokony ho voalohany ary tahaka ny habetsahan’ny fotoana iresahantsika no tokony hihainoantsika. I Jesoa Kristy no ohatra tsara indrindra amin’ny hoe ahoana no tokony hanaovana fifanakalozan-kevitra manan-danja sy hihainoana amin’ny nahim-po. Hitantsika ao amin’ny Jaona 8 fa rehefa nentin’ireo fariseo teo Aminy ilay vehivavy tratra nijangajanga dia fanontaniana no zavatra voalohany noteneniny tamin’ilay vehivavy: “Aiza ireny? Tsy nisy nanameloka anao va?” (andininy 10). Mba hampitranga ny fianarana manan-danja dia nametraka fanontaniana Izy ary nihaino aloha vao nampianatra.

Fiovana: Rehefa avy nitia sy nihaino ary nifandray isika dia inona no ataontsika aorian’izany? Moa ve isika mila mibebaka, mampianatra, mihaino kokoa, manompo, miala tsiny, mamela heloka? Tokony hanome antsika fahafahana hiova ny fifanakalozan-kevitra manan-danja. Enga anie isika ka hiezaka mandrakariva ny ho “lasa tsaratsara kely kokoa isan’andro”6 araka ny nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson.

Sary
Ray sy ny zanany lahy mifampiresaka

Ahoana no ahafahantsika manana fifanakalozan-kevitra manan-danja matetika kokoa?

Hotarihana amin’ny alalan’ny fanambarana ianao amin’izay mety indrindra ho an’ny fianakavianao. Eritrereto ireto sosokevitra izay nalaina avy tamin’ny zavatra niainan’ny fianakavianay ireto:

Fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina: Rehefa nanontaniako ny zanakay ny zavatra ataonay izay manampy azy ireo indrindra mba hanana fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara, dia nolazain’izy ireo fa ny fandalinana miaraka ny soratra masina isan-kalina amin’ny alalan’ny fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy izany.

Fivoriana fizaran’ny mpianakavy fijoroana ho vavolombelona isaky ny Alahady fifadian-kanina: Tsy fivoriana fizarana fijoroana ho vavolombelona tsara rafitra izany mazàna fa fotoana kosa ahafahan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakavianay mizara fahatsapana, ny zavatra inoana, sy ny olana ary ireo fahombiazana. Miezaka foana izaho sy ny vadiko mba hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Lasa iray amin’ny ireo zavatra iainana misy fiantraikany lehibe ao an-tokantranonay io fivoriana io.

Sakafo harivan’ny mpianakavy: Rehefa miteny izahay hoe “Amin’ny firy izao?” mandritra ny sakafo hariva dia fantatry ny ankizy fa izany no fotoana fizarana zavatra tsara iray sy zavatra iray izay tian’izy ireo raha mba tsaratsara kokoa tamin’izany andro izany. Matetika izany no mitondra ho amin’ny fanehoana fankasitrahana, fitiavana sy fahasorenana indraindray ary fifanakalozan-kevitra miompana amin’ny filazantsara izay tsy ho nitranga tamin’ny fomba hafa.

Firesahana manokana amin’ny tsirairay: Ankamamiako ny fotoana isaky ny alahady fifadian-kanina mba hiresahana manokana amin’ny tsirairay avy amin’ireo zanako, hivavahana ho azy ireo sady manonona ny anarany, sy hijerena azy ireo ao amin’ny masony ary hametrahana fanontaniana amin’ireo ireo. Miezaka ny mihaino sy manakatra ny zavatra tsapan’izy ireo sy ny zavatra ilain’izy ireo aho. Mety ho hafahafa tamin’izy ireo izany tamin’ny voalohany saingy ankehitriny dia manina izany izy ireo raha tsy manao izany izahay. Antenaiko fa fantatr’izy ireo fa ny fotoana iarahako amin’izy ireo dia manan-danja kokoa noho ny zavatra hafa rehetra ary tiako ny manana fifanakalozan-kevitra manan-danja amin’izy ireo isan’andro.

Famerenana mijery tanjona: Isaky ny volana janoary izahay dia mametraka tanjona ho an’ny tena manokana, tanjon’ny mpivady ary tanjon’ny mpianakavy. Avy eo dia ifanakalozanay hevitra ny fivoaranay sy ny fandrosoanay amin’ny fanaovana azy ireo isam-bolana mandritra ny fotoana iray fandalinana soratra masina na mandritra ny lesona iray ho an’ny takarivan’ny mpianakavy. Mitondra ho amin’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja izany.

Fiaraha-miasan’ny mpivady na fiaraha-miasan’ny ray aman-dreny: Isaky ny alahady alina izaho sy ny vadiko raha mijery sy mandinika ny fandaharam-potoanay isan-kerinandro dia mifanontany ihany koa izahay ny amin’ny zavatra tsapanay sy zavatra manahirana anay na ny zavatra ilana fanampiana. Manao fifanakalozan-kevitra manan-danja momba ny fanambadianay sy ny tsirairay avy amin’ireo zanakay izahay ary ny zavatra mbola ilaina ataonay mba hampiorim-paka kokoa ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ao am-ponay tsirairay avy.

Mahay mihaino lavitra noho izaho ny vadiko ary mahay manampy tsara kokoa amin’ny fanampiana anay tsy hivaona sy hifantoka amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mianatra zavatra maro avy aminy aho ary voatahy tokoa aho fa izaho no nosafidiny hiaraka aminy ho mandrakizay.

Tsy tonga lafatra amin’ny fanaovana ireo zavatra rehetra ireo ny fianakaviako kanefa manao ny ezaka tsara indrindra vitanay izahay ary manohy miezaka hatrany.

Mivonòna mialoha ny hahatongavan’ireo fihotsahan’ny ranomandry

Aza miandry mandra-pahatongan’ny fihotsahan’ny ranomandrin’ny fiainana ho tonga eo amin’ny fanambadiantsika na ny zanatsika na ireo fifandraisana hafa. Tranga tsy azo ihodivirana eo amin’ny fiainana ny fahasarotana sy ny olana. Ny fifanakalozan-kevitra momba ny filazantsara sy ireo fifanakalozan-kevitra manan-danja hafa dia manomana antsika tsara raha toa izy ireny ka atao amin’ny nahim-po sy tsy tapaka.

Ny ho tafiaraka mandrakizay amin’ny vady aman-janako sy ny fianakaviana no tanjoko lehibe indrindra sy ny anton’ny zavatra rehetra ataoko, ka tafiditra ao anatin’izany ny fifanakalozan-kevitra manan-danja tsirairay ataoko.

Manana fahalemena, tahaka antsika rehetra aho, saingy amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana, dia mahazo fampaherezana aho. Ny Mpamonjy dia nampanantena ny hampahery antsika amin’ny alalan’ny heriny sy ny fanantenana mamirapiratra izay omeny antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Tsy voatery ho tonga lafatra isika kanefa mila miezaka tokoa mba hivoatra! Samy afaka mahazo izany hery izany isika tsirairay. Tsy mba tsy hahomby ianao. Ny fahombiazana dia azo ao anatin’ny fanaovana ezaka foana.

Nampanantena ny Filoha Nelson fa “rehefa misafidy ny hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainanareo ianareo dia hahita manokana ianareo fa Andriamanitra dia -Andriamanitry ny fahagagana- [Môrmôna 9:11].”7 Afaka ny ho isan’izany ny mamela an’ Andriamanitra hanjaka ao amin’ireo fifanakalozan-kevitra manan-danja ataontsika. Azo tanterahina avokoa ny zava-drehetra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika, ka tafiditra ao anatin’izany ireny fifanakalozan-kevitra manan-danja ireny. Fitiavana foana no asetriny!

Mipetraka any Washington, Etazonia ny mpanoratra.