2023
Manompo miaraka amin’ny fananana fahalalana bebe kokoa
Janoary 2023


“Manompo miaraka amin’ny fananana fahalalana bebe kokoa,” Liahona, Jan. 2023.

Fitsipika momba ny fanompoana

Manompo miaraka amin’ny fananana fahalalana bebe kokoa

Tsy voatery hanana ny valin’ny zavatra rehetra ianao, saingy ny fahafantaranao Azy tsara kokoa dia hanampy anao hanompo tahaka ny nanompoan’ny Mpamonjy.

Sary
I Jesoa zazalahy tao amin’ny tempoly

Sombiny avy amin’ny Christ in the Temple [I Kristy tao amin’ny tempoly], nataon’i Heinrich Hofmann

Nampiseho antsika lamina iray hanovozana fahalalana i Jesoa

Rehefa nihalehibe ny Mpamonjy “dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena; ary ny fahasoavan’ Andriamanitra no tao aminy”(Lioka 2:40). Nanampian’ i Lioka hoe “nitombo saina sy tena sady nandroso fitia tamin’ Andriamanitra sy ny olona” Izy (Lioka 2:52). Tsy tonga dia nahazo fahalalana feno tampoka i Jesoa fa azony tsikelikely izany rehefa nandefa ny fotoana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:12–14).

Fony 12 taona i Jesoa dia hitan’ny ray aman-dreniny tao amin’ny tempoly, izay ivon-toerana fivavahana ao Jerosalema, “nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra, ary ireo dia nihaino Azy sady nametraka fanontaniana Taminy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 2:46 [ao amin’ny Tovana ]). Rehefa tonga ny fahafahana hampianatra an’ireo olona tao amin’ny tempoly dia vonona Izy satria efa ampahany manan-danja tao anatin’ny ny fitomboany ny fianarana. Nisy fiantraikany mahatalanjona teo amin’izy ireo sy teo amin’ny ray aman-dreniny ny fampianarana nataony tao.

Mampiasa ny fahalalana ao anatin’ny fanompoana

Ireto misy fomba vitsivitsy izay ahafahan’ny fambolena ilay toetra tahaka ny an’i Kristy ho tia fahalalana manampy antsika ao anatin’ny fanompoantsika:

  1. Rehefa lasa mahafantatra ny Mpamonjy isika ary mianatra mikasika ireo toetra ananany, dia ho fantatsika kokoa ny zavatra hataony raha hanompo eo amin’ny toerantsika.

  2. Rehefa mitombo ny fahalalantsika sy ny fahatakarantsika ny filazantsara dia ho vonona kokoa isika hanome sehatra ny Fanahy Masina mba hampahatsiaro antsika ny zavatra ilaintsika sy ny fotoana ilantsika izany (jereo ny Jaona 14:26). Izany dia afaka manampy antsika hahatakatra ny zavatra ilain’ireo olona tompointsika sy hamaly ireo fanontaniana na ireo zavatra mampanahy azy ireo.

  3. Rehefa mampivoatra ny fahafahantsika mianatra isika dia ho afaka ny hifandray amin’ny hafa kokoa na hanompo ny hafa tsara kokoa. Afaka mianatra bebe kokoa mikasika ny lohahevitra iray isika mba hifandraisana amina namana iray izay liana ny amin’izany. Na afaka mianatra fahaiza-manao vitsivitsy isika izay afaka manampy amin’ny fanomezana zavatra ilaina iray.

Afaka manampy antsika hanompo amin’ny fomba maro ny fanovozana fahalalana. Ankoatra izany, “na toy inona na toy inona ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:18).

Sary
Tanora iray mandalina ny soratra masina

Mamboly fahalalana

Ahoana no fomba ahafahantsika mamboly ilay toetra tahaka ny an’i Kristy ho tia fahalalana? Ireto misy hevitra vitsivitsy:

  1. Tsarovy fa na i Jesoa aza dia nianatra zavatra tsikelikely rehefa nandeha ny fotoana. Aoka ianao havitrika saingy manàna faharetana amin’ny tenanao. Ny fianarana dia miseho “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra […] fitsipika anampy fitsipika” (2 Nefia 28:30).

  2. Mianara mamantatra loharano azo antoka hahazoana fampahalalana.

  3. Aoka ianao ho tia karokaroka. Mianara avy amin’ny zavatra miseho manodidina anao isan’andro. Mametraha fanontaniana. Mamakia boky tsara ary ataovy izay hahazoana vaovao foana. (Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:79, 118; 90:15.)

  4. Mianara amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118). Hivoatra ny fahaizanao mahatakatra fahamarinana mikasika ireo karazana lohahevitra misy amin’ny alalan’ny fampiarahana ireo ezaka tsara indrindra ataonao ara-tsaina amin’ireo ezaka tsara indrindra ataonao ara-panahy. Manàna fiainana izay ahafahanao mahazo fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina.