2023
Auckland, Nouvelle Zélande
Janoary 2023


“Auckland, Nouvelle Zélande,” Liahona, Jan. 2023.

Tafaorina eto ny Fiangonana

Auckland, Nouvelle Zélande

Sary
Sarintanin’izao tontolo izao ahitana an’i Nouvelle Zélande izay misy faribolana manodidina azy
Sary
Sarin’i Auckland, Nouvelle Zélande

Sary avy amin’ny Getty Images

I Auckland no faritra an-tanàn-dehibe be mponina indrindra ao amin’ilay firenena. Ny mpikambana voalohany tao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tany Nouvelle Zélande dia natao batisa tamin’ny 1854. Ny Fiangonana ao Nouvelle Zélande ankehitriny dia ahitana:

  • mpikambana miisa 116.900 (eo ho eo)

  • tsatòka miisa 30, paroasy sy sampana miisa 229, ary misiôna miisa 3

  • tempoly 1 ao Hamilton izay mandalo fanavaozana ary tempoly 1 ao Auckland eo an-dalam-panorenana

Sary
Fianakaviana miara-mandeha an-tongotra

Ny zavatra rehetra dia vavolombelona manambara

Mankafy ny fiainana ao amin’ny toeram-piompiana sy fambolena iray ao Maromaku Valley (Lohasahan’i Maromaku) i Fabian sy i Adrienne Kehoe ary ny zanak’izy ireo vavy. “Feno fankasitrahana izahay noho ny fanomezana atolotr’ity tany ity,” hoy i Adrienne. “Ary ireo zavatra rehetra ireo dia vavolombelona manambara an’ilay Mpahary be fitiavana.”

Zavatra misimisy kokoa momba ny Fiangonana any Nouvelle Zélande

Sary
Reny sy zanakavavy

Manokana fotoana iray hiarahana mba hifanehoana fitiavana ny reny sy ny zanakavavy iray.

Sary
Fianakaviana eo an-databatra fisakafoana

Miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo mba hanao ny fandalinana ny Avia, hanaraka Ahy atao ny hariva isan-kerinandro ny ray iray sy ny zanakalahy iray.

Sary
Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande

Ny Tempolin’i Hamilton Nouvelle Zélande izay mandalo fanavaozana amin’izao fotoana izao dia notokanana tamin’ny taona 1958. Misy tempoly iray hafa vao aorina ao Auckland.

Sary
Ankizy mijery gazetiboky

Mankafy mamaky ny gazetiboky Namana ny ankizy any Nouvelle Zélande.

Sary
Fianakaviana sy ondry

Mampianatra ny zanany ny fomba fampisakafoana ondry ny reny sy ray iray. Amin’izao fotoana izao any Nouvelle Zélande dia misy ondry dimy ho an’olona iray, raha tany amin’ny ondry roa amby roapolo ho an’olona iray izany no lasa nilatsaka ho ondry iray ho an’olona iray tamin’ny 1982.

Sary
zatovolahy

Miara-mandalina ny filazantsara mandritra ny fivorian’ny kôlejin’izy ireo ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna

Sary
Lehilahy milalao baolina lavalava eny amoron-dranomasina

Tena mahasarika olona ny baolina lavalava sy ny tora-pasika any Nouvelle-Zélande.